Check out the new design

আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ * - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ


অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আল-ইছৰা   আয়াত:
۞ قُلۡ كُونُواْ حِجَارَةً أَوۡ حَدِيدًا
Teneno hoe : “Aoka ho vato na ho vy ianareo”.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
أَوۡ خَلۡقٗا مِّمَّا يَكۡبُرُ فِي صُدُورِكُمۡۚ فَسَيَقُولُونَ مَن يُعِيدُنَاۖ قُلِ ٱلَّذِي فَطَرَكُمۡ أَوَّلَ مَرَّةٖۚ فَسَيُنۡغِضُونَ إِلَيۡكَ رُءُوسَهُمۡ وَيَقُولُونَ مَتَىٰ هُوَۖ قُلۡ عَسَىٰٓ أَن يَكُونَ قَرِيبٗا
Na ho zava-boary hafa izay heverinareo fa lehibe ao amin’ny fonareo! Ary dia mbola hiteny izy ireo manao hoe : “Iza àry no hamerina anay indray avy eo ?” Teneno hoe : “Izay nahary anareo voalohany tany am-piandohana”.Hanifikifi-doha aminao izy ireo sy hiteny manao hoe : “Rahoviana izany ?”. Ka teneno hoe : “Angamba tsy ho ela intsony izany”.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
يَوۡمَ يَدۡعُوكُمۡ فَتَسۡتَجِيبُونَ بِحَمۡدِهِۦ وَتَظُنُّونَ إِن لَّبِثۡتُمۡ إِلَّا قَلِيلٗا
Ny andro izay hiantsoany anareo dia hamaly am-piderana Azy ianareo. Ary hihevitra ianareo fa fotoana kely ihany no nijanonanareo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَقُل لِّعِبَادِي يَقُولُواْ ٱلَّتِي هِيَ أَحۡسَنُۚ إِنَّ ٱلشَّيۡطَٰنَ يَنزَغُ بَيۡنَهُمۡۚ إِنَّ ٱلشَّيۡطَٰنَ كَانَ لِلۡإِنسَٰنِ عَدُوّٗا مُّبِينٗا
Ary teneno amin’ireo mpanompoko mba hiteny ny (teny) izay tena tsara. Marina fa ny satana dia mamafy korontana eo amin’izy ireo. Hamafisina, fa ny satana dia fahavalo miharihary ho an’ny olombelona.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
رَّبُّكُمۡ أَعۡلَمُ بِكُمۡۖ إِن يَشَأۡ يَرۡحَمۡكُمۡ أَوۡ إِن يَشَأۡ يُعَذِّبۡكُمۡۚ وَمَآ أَرۡسَلۡنَٰكَ عَلَيۡهِمۡ وَكِيلٗا
Ny Tomponareo dia mahalala anareo tokoa. Raha sitrany dia hamindra fo aminareo Izy, ary raha sitrany dia ho faiziny ihany koa ianareo ary tsy nalefanay ho mpiantoka azy ireo ianao.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَرَبُّكَ أَعۡلَمُ بِمَن فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِۗ وَلَقَدۡ فَضَّلۡنَا بَعۡضَ ٱلنَّبِيِّـۧنَ عَلَىٰ بَعۡضٖۖ وَءَاتَيۡنَا دَاوُۥدَ زَبُورٗا
Ary ny Tomponao dia mahalala tokoa izay eny amin’ireo lanitra sy ny tany. Ary efa nomenay tombony tokoa ny sasany tamin’ireo Mpaminany noho ny sasany hafa, ary dia nomenay an’i Daoda (Davida) ny «Zabora».
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
قُلِ ٱدۡعُواْ ٱلَّذِينَ زَعَمۡتُم مِّن دُونِهِۦ فَلَا يَمۡلِكُونَ كَشۡفَ ٱلضُّرِّ عَنكُمۡ وَلَا تَحۡوِيلًا
Teneno hoe : “Antsoinareo ireo izay heverinareo (ho zanahary) ankoatra Azy, fa tsy afaka hanala ny fahorianareo izy ireo na hamily izany aza.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
أُوْلَٰٓئِكَ ٱلَّذِينَ يَدۡعُونَ يَبۡتَغُونَ إِلَىٰ رَبِّهِمُ ٱلۡوَسِيلَةَ أَيُّهُمۡ أَقۡرَبُ وَيَرۡجُونَ رَحۡمَتَهُۥ وَيَخَافُونَ عَذَابَهُۥٓۚ إِنَّ عَذَابَ رَبِّكَ كَانَ مَحۡذُورٗا
Na ireo izay antsoin’izy ireo aza dia mitady amin’ny Tompon’izy ireo ny fomba hanatonana Azy bebe kokoa. Ary manantena ny famindram-pony izy ireo sy matahotra ny famaizany. Marina fa ny famaizan’ny Tomponao dia atahorana tokoa.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَإِن مِّن قَرۡيَةٍ إِلَّا نَحۡنُ مُهۡلِكُوهَا قَبۡلَ يَوۡمِ ٱلۡقِيَٰمَةِ أَوۡ مُعَذِّبُوهَا عَذَابٗا شَدِيدٗاۚ كَانَ ذَٰلِكَ فِي ٱلۡكِتَٰبِ مَسۡطُورٗا
Tsy misy tanàna (tsy nino) raha tsy haringanay alohan’ny andro fitsanganana amin’ny maty, na ho faizinay amin’ny famaizana mamirifiry. Voarakitra tsara ao amin’ny Boky izany.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
 
অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আল-ইছৰা
ছুৰাৰ তালিকা পৃষ্ঠা নং
 
আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ

অনুবাদ কৰিছে جمعية الدعوة بالربوة আৰু جمعية خدمة المحتوى الإسلامي باللغاتৰ সহযোগত মৰ্কজ ৰুৱাদুত তাৰ্জামাৰ অনুবাদক গোষ্ঠীয়ে।

বন্ধ