Check out the new design

আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ * - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ


অৰ্থানুবাদ ছুৰা: ইউছুফ   আয়াত:
وَرَٰوَدَتۡهُ ٱلَّتِي هُوَ فِي بَيۡتِهَا عَن نَّفۡسِهِۦ وَغَلَّقَتِ ٱلۡأَبۡوَٰبَ وَقَالَتۡ هَيۡتَ لَكَۚ قَالَ مَعَاذَ ٱللَّهِۖ إِنَّهُۥ رَبِّيٓ أَحۡسَنَ مَثۡوَايَۖ إِنَّهُۥ لَا يُفۡلِحُ ٱلظَّٰلِمُونَ
Ary ilay (Zoulaikha) nandray azy tao an-tranony, dia niezaka ny haka fanahy azy, ka nakatony tsara ireo varavarana, ary hoy izy : “Avia, (vonona ho anao aho). Ka hoy izy namaly : “Hiaro ahy anie Allah! Ny tompoko no nanome ahy fialofana tsara. Ekena, fa tsy mahomby ireo mpanao ny tsy rariny”.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَلَقَدۡ هَمَّتۡ بِهِۦۖ وَهَمَّ بِهَا لَوۡلَآ أَن رَّءَا بُرۡهَٰنَ رَبِّهِۦۚ كَذَٰلِكَ لِنَصۡرِفَ عَنۡهُ ٱلسُّوٓءَ وَٱلۡفَحۡشَآءَۚ إِنَّهُۥ مِنۡ عِبَادِنَا ٱلۡمُخۡلَصِينَ
Ary naniry mafy Azy (an’i yosofa) Izy (ilay vehivavy). Ary ho naniry Azy koa Izy (yosofa), raha tsy nahita porofo miharihary tamin’ny Tompony. Tahaka izany no nampihatahanay taminy ny ratsy sy ny asa vetaveta. Marina fa Izy dia anisan’ireo mpanomponay voafidy.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَٱسۡتَبَقَا ٱلۡبَابَ وَقَدَّتۡ قَمِيصَهُۥ مِن دُبُرٖ وَأَلۡفَيَا سَيِّدَهَا لَدَا ٱلۡبَابِۚ قَالَتۡ مَا جَزَآءُ مَنۡ أَرَادَ بِأَهۡلِكَ سُوٓءًا إِلَّآ أَن يُسۡجَنَ أَوۡ عَذَابٌ أَلِيمٞ
Ary dia nihazakazaka ho eny amin’ny varavarana izy roa, ka norovitin-dravehivavy ny akanjon’i Josefa, avy aty aoriana. Hitan’izy roa teo ambaravarana ny vadin-dravehivavy, ka hoy ravehivavy: “Inona no sazin’izay nanao ratsy tamin’ny ankohonanao (vadinao) raha tsy ny fonja, na sazy mamirifiry?”.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
قَالَ هِيَ رَٰوَدَتۡنِي عَن نَّفۡسِيۚ وَشَهِدَ شَاهِدٞ مِّنۡ أَهۡلِهَآ إِن كَانَ قَمِيصُهُۥ قُدَّ مِن قُبُلٖ فَصَدَقَتۡ وَهُوَ مِنَ ٱلۡكَٰذِبِينَ
Ka hoy i Josefa : “Izy no naka fanahy ahy”, ary nijoro vavolombelona ny anankiray tamin’ny fianakavian-dravehivavy nanao hoe : “Raha rovitra avy aty anoloana ny akanjon’i Josefa, dia ravehivavy no milaza ny marina, fa izy kosa dia isan’ireo mpandainga,
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَإِن كَانَ قَمِيصُهُۥ قُدَّ مِن دُبُرٖ فَكَذَبَتۡ وَهُوَ مِنَ ٱلصَّٰدِقِينَ
Fa raha rovitra avy aty aoriana kosa ny fitafiny, dia ilay vehivavy no mpandainga ary izy (Youssouf) kosa dia anisan’ireo milaza ny marina.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَلَمَّا رَءَا قَمِيصَهُۥ قُدَّ مِن دُبُرٖ قَالَ إِنَّهُۥ مِن كَيۡدِكُنَّۖ إِنَّ كَيۡدَكُنَّ عَظِيمٞ
Ka rahefa hitan’ilay tompom-bady ny akanjon’i Josefa, fa rovitra avy any aoriana, dia hoy izy : “Tena fitakareo vehivavy mihitsy izao! Henjana tokoa ny fitakareo”.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
يُوسُفُ أَعۡرِضۡ عَنۡ هَٰذَاۚ وَٱسۡتَغۡفِرِي لِذَنۢبِكِۖ إِنَّكِ كُنتِ مِنَ ٱلۡخَاطِـِٔينَ
Yosofa, aza mieritreritra izany intsony Ianao ! Ary Ianao, (ravehivavy) mangataha famelan-keloka nohon'ny fahotanao, marina fa Ianao dia anisan’ireo mpanao hadisoana ”.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
۞ وَقَالَ نِسۡوَةٞ فِي ٱلۡمَدِينَةِ ٱمۡرَأَتُ ٱلۡعَزِيزِ تُرَٰوِدُ فَتَىٰهَا عَن نَّفۡسِهِۦۖ قَدۡ شَغَفَهَا حُبًّاۖ إِنَّا لَنَرَىٰهَا فِي ضَلَٰلٖ مُّبِينٖ
Ary niteny ireo vehivavy tao an-tànana hoe : “Niezaka naka fanahy ny mpanompony ny vadin’i Aziz, nataony adalampitiavana taminy mihitsy izy. Hitanay, fa tao amin’ny fahaverezana miharihary tokoa izy”.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
 
অৰ্থানুবাদ ছুৰা: ইউছুফ
ছুৰাৰ তালিকা পৃষ্ঠা নং
 
আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ

অনুবাদ কৰিছে جمعية الدعوة بالربوة আৰু جمعية خدمة المحتوى الإسلامي باللغاتৰ সহযোগত মৰ্কজ ৰুৱাদুত তাৰ্জামাৰ অনুবাদক গোষ্ঠীয়ে।

বন্ধ