Check out the new design

আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ * - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ


অৰ্থানুবাদ ছুৰা: হূদ   আয়াত:
وَيَصۡنَعُ ٱلۡفُلۡكَ وَكُلَّمَا مَرَّ عَلَيۡهِ مَلَأٞ مِّن قَوۡمِهِۦ سَخِرُواْ مِنۡهُۚ قَالَ إِن تَسۡخَرُواْ مِنَّا فَإِنَّا نَسۡخَرُ مِنكُمۡ كَمَا تَسۡخَرُونَ
Ary dia nanamboatra ny sambo fiara Izy. Koa isaky ny mandalo eo Aminy ireo loholona tamin’ny vahoakany, dia maneso Azy izy ireo. Nilaza izy (Noa) nanao hoe : " Raha maneso Anay Ianareo, dia Izahay koa haneso Anareo, tahaka Ianareo maneso Anay.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَسَوۡفَ تَعۡلَمُونَ مَن يَأۡتِيهِ عَذَابٞ يُخۡزِيهِ وَيَحِلُّ عَلَيۡهِ عَذَابٞ مُّقِيمٌ
Ka ho fantatrareo tsy ho ela, amin’iza no ho tonga ny famaizana hanala baraka, sy hianjera amin’iza ny famaizana maharitra ” !
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
حَتَّىٰٓ إِذَا جَآءَ أَمۡرُنَا وَفَارَ ٱلتَّنُّورُ قُلۡنَا ٱحۡمِلۡ فِيهَا مِن كُلّٖ زَوۡجَيۡنِ ٱثۡنَيۡنِ وَأَهۡلَكَ إِلَّا مَن سَبَقَ عَلَيۡهِ ٱلۡقَوۡلُ وَمَنۡ ءَامَنَۚ وَمَآ ءَامَنَ مَعَهُۥٓ إِلَّا قَلِيلٞ
Avy eo, rehefa tonga ny Didinay dia nangotrangotraka (ny rano) tao amin’ny lafaoro ary niteny Izahay nanao hoe : " Ento ao amin’ny sambo fiara ny biby mpivady isaky ny karazany tsiroaroa sy ny fianakavianao afa-tsy ireo izay efa nihatra taminy ny Teny, sy ireo izay nino ”. Nefa ireo izay nino niaraka Taminy dia vitsy an’isa.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
۞ وَقَالَ ٱرۡكَبُواْ فِيهَا بِسۡمِ ٱللَّهِ مَجۡر۪ىٰهَا وَمُرۡسَىٰهَآۚ إِنَّ رَبِّي لَغَفُورٞ رَّحِيمٞ
Ary niteny Izy nanao hoe : " Miakara ao anatiny Ianareo. Amin’ny anaran’i Allah no handehanany sy hirosoany. Tena marina fa ny Tompoko dia Mpamela heloka sy be Fiantrana ”.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَهِيَ تَجۡرِي بِهِمۡ فِي مَوۡجٖ كَٱلۡجِبَالِ وَنَادَىٰ نُوحٌ ٱبۡنَهُۥ وَكَانَ فِي مَعۡزِلٖ يَٰبُنَيَّ ٱرۡكَب مَّعَنَا وَلَا تَكُن مَّعَ ٱلۡكَٰفِرِينَ
Ary nisosa nitondra azy ireo teo afovoan’ny onja mitovy amin’ny ahavon’ny tendrombohitra izy. Ary i Noa dia niantso ny zanany lahy, izay nijanona tamin’ny toerana iray mitokana ka nanao hoe : " Ry anaka ! miakara aty Aminay Ianao fa aza miaraka amin’ireo tsy mpino ”.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
قَالَ سَـَٔاوِيٓ إِلَىٰ جَبَلٖ يَعۡصِمُنِي مِنَ ٱلۡمَآءِۚ قَالَ لَا عَاصِمَ ٱلۡيَوۡمَ مِنۡ أَمۡرِ ٱللَّهِ إِلَّا مَن رَّحِمَۚ وَحَالَ بَيۡنَهُمَا ٱلۡمَوۡجُ فَكَانَ مِنَ ٱلۡمُغۡرَقِينَ
Namaly izy ka nanao hoe : "Handeha hialoka amin’ny tendrombohitra iray aho, izay hiaro ahy amin’ny rano”. Namaly azy i Noa (A.S) hoe : "Anio dia tsy misy mpiaro afaka manakana ny didin’i Allah afa-tsy izay nomeny famindram-po ihany”. Ary nanafotra teo anelanelan’izy roa ny onja, ary izy dia anisan’ireo rendrika.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَقِيلَ يَٰٓأَرۡضُ ٱبۡلَعِي مَآءَكِ وَيَٰسَمَآءُ أَقۡلِعِي وَغِيضَ ٱلۡمَآءُ وَقُضِيَ ٱلۡأَمۡرُ وَٱسۡتَوَتۡ عَلَى ٱلۡجُودِيِّۖ وَقِيلَ بُعۡدٗا لِّلۡقَوۡمِ ٱلظَّٰلِمِينَ
. Ary toy izao no voalaza : " Oh ry tany ! tsetsefo ny ranonao, ary ianao ry lanitra, mijanona amin’izay ”. Ka nihemotra ny rano. Fa tanteraka ny didy, ary nipetraka teo ambonin’ny al-jodii (anaran’ny tendrombohitra) ilay sambo fiara, ary nisy nilaza nanao hoe : " Enga anie hanjavona avokoa ireo vahoaka mpanao ny tsy rariny ! ”
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَنَادَىٰ نُوحٞ رَّبَّهُۥ فَقَالَ رَبِّ إِنَّ ٱبۡنِي مِنۡ أَهۡلِي وَإِنَّ وَعۡدَكَ ٱلۡحَقُّ وَأَنتَ أَحۡكَمُ ٱلۡحَٰكِمِينَ
Ary nitalaho tamin’ny Tompony i Noa ka nilaza nanao hoe : " Tompoko oh ! Tena marina fa ny zanako dia isan’ny fianakaviako ary ny fampanantenanao dia marina tokoa. Ianao no mendrika indrindra amin’ireo mpitsara.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
 
অৰ্থানুবাদ ছুৰা: হূদ
ছুৰাৰ তালিকা পৃষ্ঠা নং
 
আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ

অনুবাদ কৰিছে جمعية الدعوة بالربوة আৰু جمعية خدمة المحتوى الإسلامي باللغاتৰ সহযোগত মৰ্কজ ৰুৱাদুত তাৰ্জামাৰ অনুবাদক গোষ্ঠীয়ে।

বন্ধ