Check out the new design

《古兰经》译解 - 马达加斯加语翻译 - 拉瓦德翻译中心。 * - 译解目录


含义的翻译 章: 法提哈   段:
قُل لِّلۡمُخَلَّفِينَ مِنَ ٱلۡأَعۡرَابِ سَتُدۡعَوۡنَ إِلَىٰ قَوۡمٍ أُوْلِي بَأۡسٖ شَدِيدٖ تُقَٰتِلُونَهُمۡ أَوۡ يُسۡلِمُونَۖ فَإِن تُطِيعُواْ يُؤۡتِكُمُ ٱللَّهُ أَجۡرًا حَسَنٗاۖ وَإِن تَتَوَلَّوۡاْ كَمَا تَوَلَّيۡتُم مِّن قَبۡلُ يُعَذِّبۡكُمۡ عَذَابًا أَلِيمٗا
Lazao ireo arabo mpifindrafindra fonenana tavela tany aoriana hoe : “Antsoina hifanandrina amin’ireo olona manana hery mampihorohoro ianareo. Ka hiady amin’izy ireo ianareo, na izy ireo manaraka ny finoana an’I Allah tokana. Raha Mankato ianareo, dia omen’I Allah valisoa mendrika, fa raha mitsipaka kosa ianareo, tahaka izay efa nataonareo teo aloha, dia ho saziany amin’ny sazy mamirifiry ”.
阿拉伯语经注:
لَّيۡسَ عَلَى ٱلۡأَعۡمَىٰ حَرَجٞ وَلَا عَلَى ٱلۡأَعۡرَجِ حَرَجٞ وَلَا عَلَى ٱلۡمَرِيضِ حَرَجٞۗ وَمَن يُطِعِ ٱللَّهَ وَرَسُولَهُۥ يُدۡخِلۡهُ جَنَّٰتٖ تَجۡرِي مِن تَحۡتِهَا ٱلۡأَنۡهَٰرُۖ وَمَن يَتَوَلَّ يُعَذِّبۡهُ عَذَابًا أَلِيمٗا
Tsy misy tsiny azo omena ireo jamba, sy kilemaina, ary ny marary. Na iza na iza mankato an’I Allah sy ny Irany, dia hampidiriny amin’ireo zaridaina misy renirano mikoriana eo ambaniny. Fa na iza na iza kosa mivily lalana, dia ho saziany amin’ny sazy mamirifiry.
阿拉伯语经注:
۞ لَّقَدۡ رَضِيَ ٱللَّهُ عَنِ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ إِذۡ يُبَايِعُونَكَ تَحۡتَ ٱلشَّجَرَةِ فَعَلِمَ مَا فِي قُلُوبِهِمۡ فَأَنزَلَ ٱلسَّكِينَةَ عَلَيۡهِمۡ وَأَثَٰبَهُمۡ فَتۡحٗا قَرِيبٗا
Nankasitrahan’i Allah tokoa ireo mpino, tamin’izy ireo nanao tokim-panoavana taminao teo ambodihazo. Fantany ny ao am-pon’izy ireo, ka nampidininy teo amin’izy ireo ny fahatoniana, ary dia novaliany soa tamin’ny fandresena tsy ho ela izy ireo.
阿拉伯语经注:
وَمَغَانِمَ كَثِيرَةٗ يَأۡخُذُونَهَاۗ وَكَانَ ٱللَّهُ عَزِيزًا حَكِيمٗا
Sy fananana maro voababo ho alain’izy ireo. Tsitoha sy be fahendrena I Allah.
阿拉伯语经注:
وَعَدَكُمُ ٱللَّهُ مَغَانِمَ كَثِيرَةٗ تَأۡخُذُونَهَا فَعَجَّلَ لَكُمۡ هَٰذِهِۦ وَكَفَّ أَيۡدِيَ ٱلنَّاسِ عَنكُمۡ وَلِتَكُونَ ءَايَةٗ لِّلۡمُؤۡمِنِينَ وَيَهۡدِيَكُمۡ صِرَٰطٗا مُّسۡتَقِيمٗا
Nampanantena fananana maro voababo ho alainareo Allah, ary nohafainganiny ho anareo izany, ka nampanalaviriny taminareo ny tanan’olona hafa, mba ho famantarana ho an’ireo mpino, ary hitarihany anareo amin’ny lalana mahitsy;
阿拉伯语经注:
وَأُخۡرَىٰ لَمۡ تَقۡدِرُواْ عَلَيۡهَا قَدۡ أَحَاطَ ٱللَّهُ بِهَاۚ وَكَانَ ٱللَّهُ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٖ قَدِيرٗا
Nampanantena fananana hafa voababo ho anareo, izay tsy ho azonareo mihitsy Izy, kanefa dia nofehezin’I Allah tamin’ny heriny izany, satria mahefa ny zavatra rehetra Allah.
阿拉伯语经注:
وَلَوۡ قَٰتَلَكُمُ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ لَوَلَّوُاْ ٱلۡأَدۡبَٰرَ ثُمَّ لَا يَجِدُونَ وَلِيّٗا وَلَا نَصِيرٗا
Ary raha miady aminareo ireo tsy mpino, dia tsy maintsy hitodi-doha izy ireo, ka tsy hahita namana na mpamonjy mihitsy.
阿拉伯语经注:
سُنَّةَ ٱللَّهِ ٱلَّتِي قَدۡ خَلَتۡ مِن قَبۡلُۖ وَلَن تَجِدَ لِسُنَّةِ ٱللَّهِ تَبۡدِيلٗا
Izany no fitsipika napetrak’I Allah nampiharina tamin’ireo taranaka taloha. Ary tsy hahita fiovana amin’ny fitsipika napetrak’I Allah mihitsy ianao.
阿拉伯语经注:
 
含义的翻译 章: 法提哈
章节目录 页码
 
《古兰经》译解 - 马达加斯加语翻译 - 拉瓦德翻译中心。 - 译解目录

由拉瓦德翻译中心团队与拉布瓦 الدعوة协会和伊斯兰内容服务协会合作翻译。

关闭