Check out the new design

قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى * - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى


مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: تەكۋىر   ئايەت:

At-takwir

إِذَا ٱلشَّمۡسُ كُوِّرَتۡ
Rehefa tsy hisy fahazavana intsony ny masoandro,
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَإِذَا ٱلنُّجُومُ ٱنكَدَرَتۡ
rehefa hanjavona ny famirapiratan'ireo kintana,
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَإِذَا ٱلۡجِبَالُ سُيِّرَتۡ
rehefa hihetsika hiala amin'ny toerany ireo tendrombohitra,
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَإِذَا ٱلۡعِشَارُ عُطِّلَتۡ
rehefa tsy raharahiana intsony ireo rameva akaiky hiteraka,
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَإِذَا ٱلۡوُحُوشُ حُشِرَتۡ
rehefa tafavory ireo bibidia,
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَإِذَا ٱلۡبِحَارُ سُجِّرَتۡ
rehefa manjary nirehitra ny ranomasina,
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَإِذَا ٱلنُّفُوسُ زُوِّجَتۡ
rehefa voatambatra araka ny sokajiny avy ny fanahy,
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَإِذَا ٱلۡمَوۡءُۥدَةُ سُئِلَتۡ
rehefa hanontaniana ireo zazavavy nalevim-belona hoe:
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
بِأَيِّ ذَنۢبٖ قُتِلَتۡ
mba fahotana inona loatra no antony namonoana azy?
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَإِذَا ٱلصُّحُفُ نُشِرَتۡ
rehefa nampahalalana ireo takela-piraketana ny asa vita,
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَإِذَا ٱلسَّمَآءُ كُشِطَتۡ
rehefa voaesotra ny lanitra,
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَإِذَا ٱلۡجَحِيمُ سُعِّرَتۡ
rehefa haredareda ny afo,
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَإِذَا ٱلۡجَنَّةُ أُزۡلِفَتۡ
rehefa hampanantonina ny mpino ny Paradisa,
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
عَلِمَتۡ نَفۡسٞ مَّآ أَحۡضَرَتۡ
dia samy hahafantatra ny nataony ny tsirairay avy!
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
فَلَآ أُقۡسِمُ بِٱلۡخُنَّسِ
Tsia! Mianiana Aho amin'ireo andian-kintana.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
ٱلۡجَوَارِ ٱلۡكُنَّسِ
Izay mandeha amin'ny lalana izorany ka indraindray mipoitra ary indraindray manjavona.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَٱلَّيۡلِ إِذَا عَسۡعَسَ
Sy amin'ny alina rehefa mandrakotra,
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَٱلصُّبۡحِ إِذَا تَنَفَّسَ
ny maraina rehefa miposaka mitondra tsio-drivotra,
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
إِنَّهُۥ لَقَوۡلُ رَسُولٖ كَرِيمٖ
tena marina, izany dia tenin'ilay iraka mendrika,
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
ذِي قُوَّةٍ عِندَ ذِي ٱلۡعَرۡشِ مَكِينٖ
izay matanjaka sy manan-danja lehibe eo anatrehan'ny tompon'ny fiandrianana,
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
مُّطَاعٖ ثَمَّ أَمِينٖ
Mpakato izy sady itokisana,
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَمَا صَاحِبُكُم بِمَجۡنُونٖ
tsy marary saina velively akory ny sakaizanareo,
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَلَقَدۡ رَءَاهُ بِٱلۡأُفُقِ ٱلۡمُبِينِ
izay efa nahita ny anjely Gabriela tokoa teny am-param-bodi-lanitra mazava.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَمَا هُوَ عَلَى ٱلۡغَيۡبِ بِضَنِينٖ
Ary izy dia tsy kahihitra ka hitana ho azy irery ny faminaniana izay tonga taminy,
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَمَا هُوَ بِقَوۡلِ شَيۡطَٰنٖ رَّجِيمٖ
izany dia tsy tenin'ilay demony izay voahozona!
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
فَأَيۡنَ تَذۡهَبُونَ
koa aiza ary no hombanareo,
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
إِنۡ هُوَ إِلَّا ذِكۡرٞ لِّلۡعَٰلَمِينَ
Tsy inona akory ity faminaniana ity afa-tsy fampahatsiahivana an'izao tontolo izao,
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
لِمَن شَآءَ مِنكُمۡ أَن يَسۡتَقِيمَ
Ho an'izay manam-paniriana ny hanaraka ny fahitsiana aminareo,
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَمَا تَشَآءُونَ إِلَّآ أَن يَشَآءَ ٱللَّهُ رَبُّ ٱلۡعَٰلَمِينَ
Tsy hanam-pahefana ny amin'izany ianareo raha tsy sitrak'I Allah tompon'izao tontolo izao.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
 
مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: تەكۋىر
سۈرە مۇندەرىجىسى بەت نومۇرى
 
قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى

رۇۋاد تەرجىمە مەركىزىدىكى بىر گۇرۇپ ئالىملار رىبۋە دەۋەت جەمئىيىتى ۋە ئىسلامىي مەزمۇنلارنى تەمىنلەش جەمئىيىتى بىلەن ھەمكارلىشىپ تەرجىمە قىلغان.

تاقاش