Check out the new design

قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى * - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى


مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: ئەئراپ   ئايەت:
۞ قَالَ ٱلۡمَلَأُ ٱلَّذِينَ ٱسۡتَكۡبَرُواْ مِن قَوۡمِهِۦ لَنُخۡرِجَنَّكَ يَٰشُعَيۡبُ وَٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ مَعَكَ مِن قَرۡيَتِنَآ أَوۡ لَتَعُودُنَّ فِي مِلَّتِنَاۚ قَالَ أَوَلَوۡ كُنَّا كَٰرِهِينَ
Niteny ireo loholona izay nanambony tena avy amin’ny vahoakany manao hoe : "Tena havoakanay ato amin'ny tanànanay ianao ry Sho’aïb sy ireo izay nino miaraka taminao, na miverina amin'ny finoanay ianao". Niteny izy hoe : "Na dia efa mankahala izany aza ve izahay?”
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
قَدِ ٱفۡتَرَيۡنَا عَلَى ٱللَّهِ كَذِبًا إِنۡ عُدۡنَا فِي مِلَّتِكُم بَعۡدَ إِذۡ نَجَّىٰنَا ٱللَّهُ مِنۡهَاۚ وَمَا يَكُونُ لَنَآ أَن نَّعُودَ فِيهَآ إِلَّآ أَن يَشَآءَ ٱللَّهُ رَبُّنَاۚ وَسِعَ رَبُّنَا كُلَّ شَيۡءٍ عِلۡمًاۚ عَلَى ٱللَّهِ تَوَكَّلۡنَاۚ رَبَّنَا ٱفۡتَحۡ بَيۡنَنَا وَبَيۡنَ قَوۡمِنَا بِٱلۡحَقِّ وَأَنتَ خَيۡرُ ٱلۡفَٰتِحِينَ
Namoron-dainga tokoa mahakasik'’I Allah izahay raha toa ka mbola miverina amin’ny finoanareo taorian’ny nanavotan’I Allah anay tamin’izany. Tsy izahay velively no hiverina amin’izany raha tsy hoe sitrak’I Allah izay Tomponay izany, mahenika ny zava-drehetra ny fahalalan’ny Tomponay, any amin’I Allah irery no hiankinanay.Tomponay o ! Tsarao amin’ny fahamarinana ny eo aminay sy ny vahoakanay, fa Ianao no mendrika indrindra amin’ireo mpitsara.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَقَالَ ٱلۡمَلَأُ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ مِن قَوۡمِهِۦ لَئِنِ ٱتَّبَعۡتُمۡ شُعَيۡبًا إِنَّكُمۡ إِذٗا لَّخَٰسِرُونَ
Ary niteny ireo loholona izay tsy nino avy amin’ny vahoakany nanao hoe : “Raha manaraka an’i Sho’aïmbo ianareo dia tena maty antoka tokoa”.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
فَأَخَذَتۡهُمُ ٱلرَّجۡفَةُ فَأَصۡبَحُواْ فِي دَارِهِمۡ جَٰثِمِينَ
Dia namely azy ireo ny horohoron-tany, ka indro fa nitsitra teo amin’ny toeram-ponenany daholo izy ireo.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
ٱلَّذِينَ كَذَّبُواْ شُعَيۡبٗا كَأَن لَّمۡ يَغۡنَوۡاْ فِيهَاۚ ٱلَّذِينَ كَذَّبُواْ شُعَيۡبٗا كَانُواْ هُمُ ٱلۡخَٰسِرِينَ
Ireo izay nilaza fa mpandainga i Sho’aïbo dia rava tahaka ny tsy niaina tao izy ireo. Ireo izay nilaza fa mpandainga i Sho’aïb dia izy ireo no tena maty antoka.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
فَتَوَلَّىٰ عَنۡهُمۡ وَقَالَ يَٰقَوۡمِ لَقَدۡ أَبۡلَغۡتُكُمۡ رِسَٰلَٰتِ رَبِّي وَنَصَحۡتُ لَكُمۡۖ فَكَيۡفَ ءَاسَىٰ عَلَىٰ قَوۡمٖ كَٰفِرِينَ
Ary nitodi-damosina tamin’izy ireo Izy ka niteny nanao hoe : “O ry vahoakako ! Efa nampitako taminareo ireo hafatry ny Tompoko, ary efa nananatra anareo aho. Ahoana àry no alahelo izay manjo ireo vahoaka tsy mpino ?”.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَمَآ أَرۡسَلۡنَا فِي قَرۡيَةٖ مِّن نَّبِيٍّ إِلَّآ أَخَذۡنَآ أَهۡلَهَا بِٱلۡبَأۡسَآءِ وَٱلضَّرَّآءِ لَعَلَّهُمۡ يَضَّرَّعُونَ
Ary mbola tsy nisy tanàna nandefasanay Mpaminany ka tsy noraisinay tamin’ny alàlan’ny fahoriana sy voina ireo mponina tao aminy. Angamba hanetry tena izy ireo.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
ثُمَّ بَدَّلۡنَا مَكَانَ ٱلسَّيِّئَةِ ٱلۡحَسَنَةَ حَتَّىٰ عَفَواْ وَّقَالُواْ قَدۡ مَسَّ ءَابَآءَنَا ٱلضَّرَّآءُ وَٱلسَّرَّآءُ فَأَخَذۡنَٰهُم بَغۡتَةٗ وَهُمۡ لَا يَشۡعُرُونَ
Avy eo dia nosoloinay ny tsara ny toeran’ny ratsy; ka rehefa nitombo isa sy harena izy ireo dia niteny izy ireo nanao hoe : “Efa nanjò ireo razambenay taloha ihany koa ny voina sy ny hasambarana”. Ka dia noraisinay tampoka izy ireo ary tsy nisy nahatsapa izany izy ireo.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
 
مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: ئەئراپ
سۈرە مۇندەرىجىسى بەت نومۇرى
 
قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى

رۇۋاد تەرجىمە مەركىزىدىكى بىر گۇرۇپ ئالىملار رىبۋە دەۋەت جەمئىيىتى ۋە ئىسلامىي مەزمۇنلارنى تەمىنلەش جەمئىيىتى بىلەن ھەمكارلىشىپ تەرجىمە قىلغان.

تاقاش