Check out the new design

قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى * - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى


مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: ئال ئىمران   ئايەت:
وَلِلَّهِ مَا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَمَا فِي ٱلۡأَرۡضِۚ وَإِلَى ٱللَّهِ تُرۡجَعُ ٱلۡأُمُورُ
Ary an’i Allah avokoa izay rehetra any amin’ireo lanitra sy ety an-tany. Ary any amin’i Allah no hiverenan’ny zava-drehetra.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
كُنتُمۡ خَيۡرَ أُمَّةٍ أُخۡرِجَتۡ لِلنَّاسِ تَأۡمُرُونَ بِٱلۡمَعۡرُوفِ وَتَنۡهَوۡنَ عَنِ ٱلۡمُنكَرِ وَتُؤۡمِنُونَ بِٱللَّهِۗ وَلَوۡ ءَامَنَ أَهۡلُ ٱلۡكِتَٰبِ لَكَانَ خَيۡرٗا لَّهُمۚ مِّنۡهُمُ ٱلۡمُؤۡمِنُونَ وَأَكۡثَرُهُمُ ٱلۡفَٰسِقُونَ
Ianareo no vahoaka mendrika indrindra navoaka ho an’ny Olombelona, handidy sy handrara amin’ny ratsy Ianareo, ary mino Allah. Raha nino ireo Olon’ny Boky, dia tsara tokoa ho azy ireo izany. Nisy tamin’izy ireo anefa no tena mpino, fa ny ankamaron’izy ireo kosa dia mpanao ratsy.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
لَن يَضُرُّوكُمۡ إِلَّآ أَذٗىۖ وَإِن يُقَٰتِلُوكُمۡ يُوَلُّوكُمُ ٱلۡأَدۡبَارَ ثُمَّ لَا يُنصَرُونَ
Tsy hahavita ratsy mihitsy Aminareo izy ireo, afa-tsy ny fanelingelenana. Ary rehefa miady Aminareo izy ireo dia hitodi-damosina, avy eo dia tsy hisy hanavotra izy ireo.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
ضُرِبَتۡ عَلَيۡهِمُ ٱلذِّلَّةُ أَيۡنَ مَا ثُقِفُوٓاْ إِلَّا بِحَبۡلٖ مِّنَ ٱللَّهِ وَحَبۡلٖ مِّنَ ٱلنَّاسِ وَبَآءُو بِغَضَبٖ مِّنَ ٱللَّهِ وَضُرِبَتۡ عَلَيۡهِمُ ٱلۡمَسۡكَنَةُۚ ذَٰلِكَ بِأَنَّهُمۡ كَانُواْ يَكۡفُرُونَ بِـَٔايَٰتِ ٱللَّهِ وَيَقۡتُلُونَ ٱلۡأَنۢبِيَآءَ بِغَيۡرِ حَقّٖۚ ذَٰلِكَ بِمَا عَصَواْ وَّكَانُواْ يَعۡتَدُونَ
Mianjady amin’izy ireo ny fahafaham-baraka, n’aiza n’aiza misy azy ireo, raha tsy amin’ny alalan’ny famonjena avy amin’i Allah sy fifanekena avy amin’Olombelona. Nianjady tamin’izy ireo ny fahatezeran’i Allah, ary nianjady tamin’izy ireo ihany koa ny fahantrana. Izany, noho izy ireo tsy nino ireo fanambaran’i Allah, ary namono tsy ara-drariny ireo Mpaminany, ary koa noho izy ireo tsy nankato, sy nandika ny didy aman-dalàna.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
۞ لَيۡسُواْ سَوَآءٗۗ مِّنۡ أَهۡلِ ٱلۡكِتَٰبِ أُمَّةٞ قَآئِمَةٞ يَتۡلُونَ ءَايَٰتِ ٱللَّهِ ءَانَآءَ ٱلَّيۡلِ وَهُمۡ يَسۡجُدُونَ
Tsy mitovy avokoa izy ireo. Misy amin’ireo Olon’ny Boky, vahoaka mijoro, mamaky ny Fanambaran’i Allah mandritra ny alina no sady miankohoka izy ireo.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
يُؤۡمِنُونَ بِٱللَّهِ وَٱلۡيَوۡمِ ٱلۡأٓخِرِ وَيَأۡمُرُونَ بِٱلۡمَعۡرُوفِ وَيَنۡهَوۡنَ عَنِ ٱلۡمُنكَرِ وَيُسَٰرِعُونَ فِي ٱلۡخَيۡرَٰتِۖ وَأُوْلَٰٓئِكَ مِنَ ٱلصَّٰلِحِينَ
Mino an’i Allah sy ny Andro farany izy ireo, mandidy amin’ny mendrika sy mandrarà amin’ny ratsy, ary mifaninana amin’ny fanaovana ireo asa soa. Fa izy ireny dia anisan’ireo Olona mpanao asa soa.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَمَا يَفۡعَلُواْ مِنۡ خَيۡرٖ فَلَن يُكۡفَرُوهُۗ وَٱللَّهُ عَلِيمُۢ بِٱلۡمُتَّقِينَ
Ary izay tsara ataon’izy ireo, dia tsy misy handà azy ireo amin’izany mihitsy. Ary i Allah no tena Mahalala ireo manam-patahorana (tia vavaka).
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
 
مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: ئال ئىمران
سۈرە مۇندەرىجىسى بەت نومۇرى
 
قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى

رۇۋاد تەرجىمە مەركىزىدىكى بىر گۇرۇپ ئالىملار رىبۋە دەۋەت جەمئىيىتى ۋە ئىسلامىي مەزمۇنلارنى تەمىنلەش جەمئىيىتى بىلەن ھەمكارلىشىپ تەرجىمە قىلغان.

تاقاش