Check out the new design

قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى * - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى


مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: نەمل   ئايەت:
فَلَمَّا جَآءَ سُلَيۡمَٰنَ قَالَ أَتُمِدُّونَنِ بِمَالٖ فَمَآ ءَاتَىٰنِۦَ ٱللَّهُ خَيۡرٞ مِّمَّآ ءَاتَىٰكُمۚ بَلۡ أَنتُم بِهَدِيَّتِكُمۡ تَفۡرَحُونَ
Avy eo, rehefa tonga teto anatrehan’i Salomona (ny iraka), dia niteny izy hoe : moa ve hanampy ahy amin’ny alalan’ny harena ianareo ? Nefa izay nomen’I Allah ahy dia tsara kokoa noho izay nomenareo. Kanefa ianareo dia mifaly amin’ny fanomezanareo.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
ٱرۡجِعۡ إِلَيۡهِمۡ فَلَنَأۡتِيَنَّهُم بِجُنُودٖ لَّا قِبَلَ لَهُم بِهَا وَلَنُخۡرِجَنَّهُم مِّنۡهَآ أَذِلَّةٗ وَهُمۡ صَٰغِرُونَ
Miverena any amin’izy ireo ianao. Ary hamafisinay fa hitondranay miaramila izay tsy ho vitan’izy ireo ny hiatrika izany (hanafika azy ireo izahay), ary ataonay sesi-tany tokoa izy ireo, ho afa-baraka sady ho voaheso (hahatsiaro-tena ho ambany).
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
قَالَ يَٰٓأَيُّهَا ٱلۡمَلَؤُاْ أَيُّكُمۡ يَأۡتِينِي بِعَرۡشِهَا قَبۡلَ أَن يَأۡتُونِي مُسۡلِمِينَ
Niteny izy (Salomona) hoe : Oh ry loholona ! Iza aminareo no hitondra ny seza fiandrianany aty amiko alohan’ny ahatongavan’izy ireo aty amiko ho mpankato (ilay Mpanjaka vavy sy ny vahoakany) ?
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
قَالَ عِفۡرِيتٞ مِّنَ ٱلۡجِنِّ أَنَا۠ ءَاتِيكَ بِهِۦ قَبۡلَ أَن تَقُومَ مِن مَّقَامِكَۖ وَإِنِّي عَلَيۡهِ لَقَوِيٌّ أَمِينٞ
Niteny ny jiny iray izay tena matanjaka hoe : izaho no hitondra azy eo aminao alohan’ny hitsangananao avy eo amin’ny toeranao, ary tena marina fa izaho dia matanjaka sy mendri-pitokisana amin’izany.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
قَالَ ٱلَّذِي عِندَهُۥ عِلۡمٞ مِّنَ ٱلۡكِتَٰبِ أَنَا۠ ءَاتِيكَ بِهِۦ قَبۡلَ أَن يَرۡتَدَّ إِلَيۡكَ طَرۡفُكَۚ فَلَمَّا رَءَاهُ مُسۡتَقِرًّا عِندَهُۥ قَالَ هَٰذَا مِن فَضۡلِ رَبِّي لِيَبۡلُوَنِيٓ ءَأَشۡكُرُ أَمۡ أَكۡفُرُۖ وَمَن شَكَرَ فَإِنَّمَا يَشۡكُرُ لِنَفۡسِهِۦۖ وَمَن كَفَرَ فَإِنَّ رَبِّي غَنِيّٞ كَرِيمٞ
Ary niteny ilay (olona) anankiray manana fahalalana momba ny Boky hoe : izaho no hitondra izany aminao alohan’ny hanaovanao ny indray mipi-maso. Ary rehefa hitany fa nipetraka teo akaikiny ilay seza fiandrianana dia niteny izy (Salomona) hoe : fahasoavana avy amin’ny Tompoko tokoa izao, mba hitsapany ahy, na hankasitraka aho na tsy hankasitraka. Ary n'iza n'iza mankasitraka dia manao izany ho tombotsoan’ny tenany ihany. Ary n'iza n'iza tsy mankasitraka dia tena marina fa ny Tompoko dia manana ny ampy sady malala-tànana tokoa.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
قَالَ نَكِّرُواْ لَهَا عَرۡشَهَا نَنظُرۡ أَتَهۡتَدِيٓ أَمۡ تَكُونُ مِنَ ٱلَّذِينَ لَا يَهۡتَدُونَ
Dia niteny izy (Salomona) hoe : ovanareo amin’ny endrika tsy fantany ilay seza fiandrianany, ka ho hitantsika ary raha voatari-dalana izy, na ho anisan’ireo tsy ahazo tari-dalana.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
فَلَمَّا جَآءَتۡ قِيلَ أَهَٰكَذَا عَرۡشُكِۖ قَالَتۡ كَأَنَّهُۥ هُوَۚ وَأُوتِينَا ٱلۡعِلۡمَ مِن قَبۡلِهَا وَكُنَّا مُسۡلِمِينَ
Ary rehefa tonga izy (ilay mpanjaka vavy) dia notenenina taminy hoe : moa ve toy izao ny seza fiandriananao ? Namaly izy hoe : toa izy ihany io. Ka niteny i (Salomona) hoe : ary efa nomena anay ny fahalalana teo alohany, ary izahay dia efa nankato an’I Allah.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَصَدَّهَا مَا كَانَت تَّعۡبُدُ مِن دُونِ ٱللَّهِۖ إِنَّهَا كَانَتۡ مِن قَوۡمٖ كَٰفِرِينَ
Nefa izay notompoiny ankoatr’I Allah dia nanakana azy satria izy dia anisan’ny vahoaka tsy mpino.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
قِيلَ لَهَا ٱدۡخُلِي ٱلصَّرۡحَۖ فَلَمَّا رَأَتۡهُ حَسِبَتۡهُ لُجَّةٗ وَكَشَفَتۡ عَن سَاقَيۡهَاۚ قَالَ إِنَّهُۥ صَرۡحٞ مُّمَرَّدٞ مِّن قَوَارِيرَۗ قَالَتۡ رَبِّ إِنِّي ظَلَمۡتُ نَفۡسِي وَأَسۡلَمۡتُ مَعَ سُلَيۡمَٰنَ لِلَّهِ رَبِّ ٱلۡعَٰلَمِينَ
Notenenina taminy hoe : midirà ao an-dapa ianao, avy eo raha nahita izany izy (ny hatsaran’ny lapa), dia noheveriny fa rano lalina izany, ka nasehony ny ranjony roa, ka niteny izy (Salomona) hoe : io dia lapa vita avy amin’ny gorodona kristaly. Niteny izy (ilay mpanjaka vavy) : Tompo oh ! tena nanambaka ny tenako tokoa aho, ka manetry tena aho miaraka amin’i Salomona ho an’i Allah Tompon’izao tontolo izao.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
 
مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: نەمل
سۈرە مۇندەرىجىسى بەت نومۇرى
 
قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى

رۇۋاد تەرجىمە مەركىزىدىكى بىر گۇرۇپ ئالىملار رىبۋە دەۋەت جەمئىيىتى ۋە ئىسلامىي مەزمۇنلارنى تەمىنلەش جەمئىيىتى بىلەن ھەمكارلىشىپ تەرجىمە قىلغان.

تاقاش