Check out the new design

قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى * - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى


مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: نۇر   ئايەت:
إِنَّمَا ٱلۡمُؤۡمِنُونَ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ بِٱللَّهِ وَرَسُولِهِۦ وَإِذَا كَانُواْ مَعَهُۥ عَلَىٰٓ أَمۡرٖ جَامِعٖ لَّمۡ يَذۡهَبُواْ حَتَّىٰ يَسۡتَـٔۡذِنُوهُۚ إِنَّ ٱلَّذِينَ يَسۡتَـٔۡذِنُونَكَ أُوْلَٰٓئِكَ ٱلَّذِينَ يُؤۡمِنُونَ بِٱللَّهِ وَرَسُولِهِۦۚ فَإِذَا ٱسۡتَـٔۡذَنُوكَ لِبَعۡضِ شَأۡنِهِمۡ فَأۡذَن لِّمَن شِئۡتَ مِنۡهُمۡ وَٱسۡتَغۡفِرۡ لَهُمُ ٱللَّهَۚ إِنَّ ٱللَّهَ غَفُورٞ رَّحِيمٞ
Ireo tena mpino marina dia izay mino an’I Allah sy ny Irany, ary rehefa miaraka aminy amin’ny raharaha ahazoana tombontsoa iombonana izy ireo, dia tsy mba mandeha mihitsy izy ireo raha tsy mangata-dalana aminy, marina fa ireo izay mangataka alalana aminao, dia izy ireny no mino an’I Allah sy ny Irany, ka raha mangataka alalana aminao izy ireo ho an’ny raharahan’izy ireo manokana, dia omeo alalana ho an’izay sitrakao amin’izy ireo, ary mangataha famelan-keloka amin’I Allah ho an’izy ireo ianao. Marina fa I Allah dia be famelan-keloka sy be indrafo.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
لَّا تَجۡعَلُواْ دُعَآءَ ٱلرَّسُولِ بَيۡنَكُمۡ كَدُعَآءِ بَعۡضِكُم بَعۡضٗاۚ قَدۡ يَعۡلَمُ ٱللَّهُ ٱلَّذِينَ يَتَسَلَّلُونَ مِنكُمۡ لِوَاذٗاۚ فَلۡيَحۡذَرِ ٱلَّذِينَ يُخَالِفُونَ عَنۡ أَمۡرِهِۦٓ أَن تُصِيبَهُمۡ فِتۡنَةٌ أَوۡ يُصِيبَهُمۡ عَذَابٌ أَلِيمٌ
Aza ataonareo ny fiantsoana ilay Iraka eo aminareo, ho tahaka ny fiantsoana izay ataonareo samy ianareo. Tena fantatr’I Allah ireo izay mitsoaka an-daharana miafina aminareo. Ary aoka hitandrina ireo izay manohitra ny Baikony, sao ho voan’ny fitsapana izy ireo, na hiharan’ny famaizana mangirifiry.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
أَلَآ إِنَّ لِلَّهِ مَا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِۖ قَدۡ يَعۡلَمُ مَآ أَنتُمۡ عَلَيۡهِ وَيَوۡمَ يُرۡجَعُونَ إِلَيۡهِ فَيُنَبِّئُهُم بِمَا عَمِلُواْۗ وَٱللَّهُ بِكُلِّ شَيۡءٍ عَلِيمُۢ
Tena marina fa an’I Allah izay rehetra any amin’ireo lanitra sy eto an-tany. Mahalala tanteraka ny momba anareo Izy, ary amin’ny andro hamerenana azy ireo any Aminy, dia ampahafantariny azy ireo izay rehetra nataony, ary Allah dia tena mahalala ny zava-drehetra.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
 
مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: نۇر
سۈرە مۇندەرىجىسى بەت نومۇرى
 
قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى

رۇۋاد تەرجىمە مەركىزىدىكى بىر گۇرۇپ ئالىملار رىبۋە دەۋەت جەمئىيىتى ۋە ئىسلامىي مەزمۇنلارنى تەمىنلەش جەمئىيىتى بىلەن ھەمكارلىشىپ تەرجىمە قىلغان.

تاقاش