Check out the new design

قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى * - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى


مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: تاھا   ئايەت:
قَالَ كَذَٰلِكَ أَتَتۡكَ ءَايَٰتُنَا فَنَسِيتَهَاۖ وَكَذَٰلِكَ ٱلۡيَوۡمَ تُنسَىٰ
Niteny Izy (Allah) ka nanao hoe : “ Toy izany no nahatongavan’ny Famantaranay teo Aminao, ka nanadino izany Ianao, dia toy izany koa no hanadinoana Anao Androany ”.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَكَذَٰلِكَ نَجۡزِي مَنۡ أَسۡرَفَ وَلَمۡ يُؤۡمِنۢ بِـَٔايَٰتِ رَبِّهِۦۚ وَلَعَذَابُ ٱلۡأٓخِرَةِ أَشَدُّ وَأَبۡقَىٰٓ
Ary tahaka izany no hanasazianay izay mihoa-pefy sy tsy mino ireo Famantarana avy amin’ny Tompony. Ary tena marina fa ny famaizana any an-koatra no tena mafy sady maharitra.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
أَفَلَمۡ يَهۡدِ لَهُمۡ كَمۡ أَهۡلَكۡنَا قَبۡلَهُم مِّنَ ٱلۡقُرُونِ يَمۡشُونَ فِي مَسَٰكِنِهِمۡۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَٰتٖ لِّأُوْلِي ٱلنُّهَىٰ
Tsy ampy ho toro-làlana ho azy ireo ve, firifiry moa no naringanay, talohan’izy ireo, tamin’ireo taranaka maro tao amin’ireo fonenana izay andehanan’izy ireo ankehitriny ? Tena marina fa izany dia Famantarana ho an’ireo matsilo saina !
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَلَوۡلَا كَلِمَةٞ سَبَقَتۡ مِن رَّبِّكَ لَكَانَ لِزَامٗا وَأَجَلٞ مُّسَمّٗى
Raha tsy ny fisian’ny Teny izay efa noraisin’ny Tomponao mialoha, sy ny fotoana izay efa voafaritra, dia tsy afa-bela (amin’ny famaizana) izy ireo.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
فَٱصۡبِرۡ عَلَىٰ مَا يَقُولُونَ وَسَبِّحۡ بِحَمۡدِ رَبِّكَ قَبۡلَ طُلُوعِ ٱلشَّمۡسِ وَقَبۡلَ غُرُوبِهَاۖ وَمِنۡ ءَانَآيِٕ ٱلَّيۡلِ فَسَبِّحۡ وَأَطۡرَافَ ٱلنَّهَارِ لَعَلَّكَ تَرۡضَىٰ
Zakao amim-paharetana izay lazain’izy ireo, ary ankalazao amim-piderana ny Tomponao, alohan’ny fiposahan’ny masoandro sy mialohan’ny filentehany. Ary mandritra ny alina, dia ankalazao ny voninahiny, sy eo amin’ny fiandohan’ny andro ary ny fiafarany. Angamba ahazo fahafaham-po Ianao.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَلَا تَمُدَّنَّ عَيۡنَيۡكَ إِلَىٰ مَا مَتَّعۡنَا بِهِۦٓ أَزۡوَٰجٗا مِّنۡهُمۡ زَهۡرَةَ ٱلۡحَيَوٰةِ ٱلدُّنۡيَا لِنَفۡتِنَهُمۡ فِيهِۚ وَرِزۡقُ رَبِّكَ خَيۡرٞ وَأَبۡقَىٰ
Ary aza atopy mankany amin’izay fahafinaretana mandalo nomenay hifalian’ireo mpivady sasantsasany amin’izy ireo ny masonao ; tahaka ny ravaky ny fiainana an-tany hisedrana azy ireo izany. Ny fanomezana izay avy amin’ny Tomponao no tena tsara indrindra, sady maharitra.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَأۡمُرۡ أَهۡلَكَ بِٱلصَّلَوٰةِ وَٱصۡطَبِرۡ عَلَيۡهَاۖ لَا نَسۡـَٔلُكَ رِزۡقٗاۖ نَّحۡنُ نَرۡزُقُكَۗ وَٱلۡعَٰقِبَةُ لِلتَّقۡوَىٰ
Ary didio ny Fianakavianao amin’ny fanatanterahana ny Soalat (vavaka), ary mahareta amin’izany (Soalat) koa Ianao. Tsy mangataka anjara fivelomana Aminao Izahay, fa Izahay no manome anjara fivelomana ho Anao. fa ny fiafarana tsara dia ho an’ny manam-patahorana.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَقَالُواْ لَوۡلَا يَأۡتِينَا بِـَٔايَةٖ مِّن رَّبِّهِۦٓۚ أَوَلَمۡ تَأۡتِهِم بَيِّنَةُ مَا فِي ٱلصُّحُفِ ٱلۡأُولَىٰ
Ary niteny izy ireo ka nanao hoe : “ Nahoana Izahay no tsy hitondrany fahagagana avy amin’ny Tompony ? ”. Moa ve tsy efa tonga tamin’izy ireo ny porofo izay noraiketin’ireo Boky teo aloha ?
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَلَوۡ أَنَّآ أَهۡلَكۡنَٰهُم بِعَذَابٖ مِّن قَبۡلِهِۦ لَقَالُواْ رَبَّنَا لَوۡلَآ أَرۡسَلۡتَ إِلَيۡنَا رَسُولٗا فَنَتَّبِعَ ءَايَٰتِكَ مِن قَبۡلِ أَن نَّذِلَّ وَنَخۡزَىٰ
Ary raha naringanay tamin’ny famaizana talohan’ny nahatongavany (Mohammady) izy ireo, dia ho niteny tokoa izy ireo ka nanao hoe : “ Ry Tomponay ô ! Nahoana no tsy nandefasanao Iraka izahay ? Dia ho nanaraka ny famantaranao (porofo fanambarana) Izahay, mialohan’ny hiatrehanay (ambany dia ambany), sy fahafaham-baraka Aminay ”.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
قُلۡ كُلّٞ مُّتَرَبِّصٞ فَتَرَبَّصُواْۖ فَسَتَعۡلَمُونَ مَنۡ أَصۡحَٰبُ ٱلصِّرَٰطِ ٱلسَّوِيِّ وَمَنِ ٱهۡتَدَىٰ
Teneno hoe : “ Ny tsirairay dia samy miandry avokoa. Miandrasa ihany koa àry Ianareo ! Tsy ho ela dia ho fantatrareo, iza ireo Olon’ny làla-mahitsy, sy ireo izay voatari-dàlana ”.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
 
مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: تاھا
سۈرە مۇندەرىجىسى بەت نومۇرى
 
قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى

رۇۋاد تەرجىمە مەركىزىدىكى بىر گۇرۇپ ئالىملار رىبۋە دەۋەت جەمئىيىتى ۋە ئىسلامىي مەزمۇنلارنى تەمىنلەش جەمئىيىتى بىلەن ھەمكارلىشىپ تەرجىمە قىلغان.

تاقاش