Check out the new design

قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى * - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى


مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: كەھپ   ئايەت:
وَٱصۡبِرۡ نَفۡسَكَ مَعَ ٱلَّذِينَ يَدۡعُونَ رَبَّهُم بِٱلۡغَدَوٰةِ وَٱلۡعَشِيِّ يُرِيدُونَ وَجۡهَهُۥۖ وَلَا تَعۡدُ عَيۡنَاكَ عَنۡهُمۡ تُرِيدُ زِينَةَ ٱلۡحَيَوٰةِ ٱلدُّنۡيَاۖ وَلَا تُطِعۡ مَنۡ أَغۡفَلۡنَا قَلۡبَهُۥ عَن ذِكۡرِنَا وَٱتَّبَعَ هَوَىٰهُ وَكَانَ أَمۡرُهُۥ فُرُطٗا
Ary mahareta ny tenanao miaraka amin’ireo izay miantso ny Tompon’izy ireo maraina sy hariva, (izay) mitady ny zava-drehetra amin'ny fotony Tompony. Ary aoka ny masonao tsy hiala azy ireo mihitsy, ho amin’ny fitadiavana ny rendrarendran’ny fiainana eto an-tany. Ary aza mankatò izay nataonay variana amin’ny fampahatsiahivanay ny fony sy manaraka ny hetahetam-pony ary ny raharahany rehetra dia fahaverezana sy fahapotehana avokoa.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَقُلِ ٱلۡحَقُّ مِن رَّبِّكُمۡۖ فَمَن شَآءَ فَلۡيُؤۡمِن وَمَن شَآءَ فَلۡيَكۡفُرۡۚ إِنَّآ أَعۡتَدۡنَا لِلظَّٰلِمِينَ نَارًا أَحَاطَ بِهِمۡ سُرَادِقُهَاۚ وَإِن يَسۡتَغِيثُواْ يُغَاثُواْ بِمَآءٖ كَٱلۡمُهۡلِ يَشۡوِي ٱلۡوُجُوهَۚ بِئۡسَ ٱلشَّرَابُ وَسَآءَتۡ مُرۡتَفَقًا
Ary teneno : "Ny fahamarinana dia avy amin’ny Tomponareo”. Ka izay tia hino, dia aoka izy hino ary izay mankasitraka ny tsy finoana, dia aoka izy tsy hino. Tena marina fa nomaninay ho an’ireo mpanao ny tsy rariny ny afo, izay manodidina azy ireo ny lel’afo mivaivay. Ary raha mitady rano izy ireo, dia ho ampisotroina rano tahaka ny menaka mangotraka mandoro ny tarehy. Tena zava-pisotro ratsy tokoa ary fonenana tena mahatsiravina izany !
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
إِنَّ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ إِنَّا لَا نُضِيعُ أَجۡرَ مَنۡ أَحۡسَنَ عَمَلًا
Marina fa ireo izay mino sy manao asa soa, tena marina fa Izahay dia tsy hanary ny valin’asan’ireo izay manao ny tsara.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
أُوْلَٰٓئِكَ لَهُمۡ جَنَّٰتُ عَدۡنٖ تَجۡرِي مِن تَحۡتِهِمُ ٱلۡأَنۡهَٰرُ يُحَلَّوۡنَ فِيهَا مِنۡ أَسَاوِرَ مِن ذَهَبٖ وَيَلۡبَسُونَ ثِيَابًا خُضۡرٗا مِّن سُندُسٖ وَإِسۡتَبۡرَقٖ مُّتَّكِـِٔينَ فِيهَا عَلَى ٱلۡأَرَآئِكِۚ نِعۡمَ ٱلثَّوَابُ وَحَسُنَتۡ مُرۡتَفَقٗا
Izy ireny no ahazo ireo zaridain’ny Edena izay mikoriana eo ambaniny ireo renirano maro. Hampiravahana firavaka volamena izy ireo ao sy hampitafiana lamba maitso vita amin’ny lasoa manify sy lamba lasoa matevina (feno soratsoratra), mitehina amin’ireo farafara voaravaka tsara. Tena valisoa tsara tokoa ary fonenana tena tsara izany !
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
۞ وَٱضۡرِبۡ لَهُم مَّثَلٗا رَّجُلَيۡنِ جَعَلۡنَا لِأَحَدِهِمَا جَنَّتَيۡنِ مِنۡ أَعۡنَٰبٖ وَحَفَفۡنَٰهُمَا بِنَخۡلٖ وَجَعَلۡنَا بَيۡنَهُمَا زَرۡعٗا
Ary anaovy fanoharana izy ireo amin’ny lehilahy roa, ny iray dia nomenay tanim-boaloboka roa izay nohodidininay hazo palma ary nasinay saha misy voly teo anelanelan’izy roa (zaridaina).
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
كِلۡتَا ٱلۡجَنَّتَيۡنِ ءَاتَتۡ أُكُلَهَا وَلَمۡ تَظۡلِم مِّنۡهُ شَيۡـٔٗاۚ وَفَجَّرۡنَا خِلَٰلَهُمَا نَهَرٗا
Ireo zaridaina roa ireo dia nanome vokatra tsy mihato. Ary nasinay renirano eo anelanelan’izy roa ireo.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَكَانَ لَهُۥ ثَمَرٞ فَقَالَ لِصَٰحِبِهِۦ وَهُوَ يُحَاوِرُهُۥٓ أَنَا۠ أَكۡثَرُ مِنكَ مَالٗا وَأَعَزُّ نَفَرٗا
Ary nanana voankazo izy, ka niteny tamin’ny namany izay nifampiresahany nanao hoe : “Izaho dia manana harena mihoatra anao ary manana foko matanjaka ihany koa mihoatra anao.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
 
مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: كەھپ
سۈرە مۇندەرىجىسى بەت نومۇرى
 
قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى

رۇۋاد تەرجىمە مەركىزىدىكى بىر گۇرۇپ ئالىملار رىبۋە دەۋەت جەمئىيىتى ۋە ئىسلامىي مەزمۇنلارنى تەمىنلەش جەمئىيىتى بىلەن ھەمكارلىشىپ تەرجىمە قىلغان.

تاقاش