Check out the new design

قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى * - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى


مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: ئىسرا   ئايەت:
ذَٰلِكَ مِمَّآ أَوۡحَىٰٓ إِلَيۡكَ رَبُّكَ مِنَ ٱلۡحِكۡمَةِۗ وَلَا تَجۡعَلۡ مَعَ ٱللَّهِ إِلَٰهًا ءَاخَرَ فَتُلۡقَىٰ فِي جَهَنَّمَ مَلُومٗا مَّدۡحُورًا
Izany dia anisan’izay nambaran’ny Tomponao taminao momba ny fahendrena. Ary aza atao mihitsy ny mampitambatra an'I Allah amin’ny zanahary hafa, raha tsy izany dia hatoraka ao anaty afobe ianao, voarahona sy voatosika.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
أَفَأَصۡفَىٰكُمۡ رَبُّكُم بِٱلۡبَنِينَ وَٱتَّخَذَ مِنَ ٱلۡمَلَٰٓئِكَةِ إِنَٰثًاۚ إِنَّكُمۡ لَتَقُولُونَ قَوۡلًا عَظِيمٗا
Moa ve ny Tomponareo nanokana ho anareo ny zazalahy, fa nandray ny zazavavy ho Azy kosa Izy amin‘ireo Anjely ? Marina fa ianareo dia miteny teny tsy mendrika tokoa.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَلَقَدۡ صَرَّفۡنَا فِي هَٰذَا ٱلۡقُرۡءَانِ لِيَذَّكَّرُواْ وَمَا يَزِيدُهُمۡ إِلَّا نُفُورٗا
Tena efa namelabelatra (ny zava-drehetra) ao anatin’ity Kor’any ity Izahay mba hieritreretan’izy ireo. Nefa (izany) dia tsy nampitombo afa-tsy ny fanalaviran’izy ireo (ny marina).
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
قُل لَّوۡ كَانَ مَعَهُۥٓ ءَالِهَةٞ كَمَا يَقُولُونَ إِذٗا لَّٱبۡتَغَوۡاْ إِلَىٰ ذِي ٱلۡعَرۡشِ سَبِيلٗا
Teneno hoe : “Raha nisy zanahary hafa miaraka Aminy (Allah), araka ny filazan’izy ireo, dia ho nitady lalana izy ireo mba ho Tompon’ilay Seza fiandrianana.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
سُبۡحَٰنَهُۥ وَتَعَٰلَىٰ عَمَّا يَقُولُونَ عُلُوّٗا كَبِيرٗا
Azy ny fahadiovana ! Ary Izy Ilay Avo indrindra, ambony lavitra noho izay lazain’izy ireo.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
تُسَبِّحُ لَهُ ٱلسَّمَٰوَٰتُ ٱلسَّبۡعُ وَٱلۡأَرۡضُ وَمَن فِيهِنَّۚ وَإِن مِّن شَيۡءٍ إِلَّا يُسَبِّحُ بِحَمۡدِهِۦ وَلَٰكِن لَّا تَفۡقَهُونَ تَسۡبِيحَهُمۡۚ إِنَّهُۥ كَانَ حَلِيمًا غَفُورٗا
Mankalaza ny Voninahiny ireo lanitra fito sy ny tany, ary izay rehetra eo anelanelany. Tsy misy na inona na inona, ka tsy mankalaza ny voninahiny sy ny fiderana Azy. Kanefa tsy fantatrareo ny fomba fideran’izy ireo Azy. Izy dia tena be Fangorahana sy be Famelan-keloka tokoa.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَإِذَا قَرَأۡتَ ٱلۡقُرۡءَانَ جَعَلۡنَا بَيۡنَكَ وَبَيۡنَ ٱلَّذِينَ لَا يُؤۡمِنُونَ بِٱلۡأٓخِرَةِ حِجَابٗا مَّسۡتُورٗا
Ary rehefa mamaky ny Kor’any ianao, dia apetrakay manelanelana anao sy ireo izay tsy mino ny any ankoatra ny voaly tsy hita maso.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَجَعَلۡنَا عَلَىٰ قُلُوبِهِمۡ أَكِنَّةً أَن يَفۡقَهُوهُ وَفِيٓ ءَاذَانِهِمۡ وَقۡرٗاۚ وَإِذَا ذَكَرۡتَ رَبَّكَ فِي ٱلۡقُرۡءَانِ وَحۡدَهُۥ وَلَّوۡاْ عَلَىٰٓ أَدۡبَٰرِهِمۡ نُفُورٗا
Ary nasianay sarona ny fon’izy ireo, mba tsy hahazoan’izy ireo azy (ny Kor’any), ary amin’ny sofin’izy ireo dia nasianay havesarana. Ary raha mahatsiaro ny Tomponao ilay Tokana ianao, amin’ny alalan’ny Kor’any, dia mitodi-damosina izy ireo amim-paharikorikoana.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
نَّحۡنُ أَعۡلَمُ بِمَا يَسۡتَمِعُونَ بِهِۦٓ إِذۡ يَسۡتَمِعُونَ إِلَيۡكَ وَإِذۡ هُمۡ نَجۡوَىٰٓ إِذۡ يَقُولُ ٱلظَّٰلِمُونَ إِن تَتَّبِعُونَ إِلَّا رَجُلٗا مَّسۡحُورًا
Izahay dia tena mahafantatra tokoa izay henoin’izy ireo rehefa mihaino anao izy ireo, ary rehefa mifampibitsibitsika izy ireo, ka miteny ireo mpanao ny tsy rariny manao hoe : “Ianareo dia tsy manaraka afa-tsy ny olona azon’ny famosaviana ihany”.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
ٱنظُرۡ كَيۡفَ ضَرَبُواْ لَكَ ٱلۡأَمۡثَالَ فَضَلُّواْ فَلَا يَسۡتَطِيعُونَ سَبِيلٗا
Jereo, ahoana ny fanoharana ataon’izy ireo Anao ! Very lalana tokoa izy ireo, ka tsy afaka mahita lalana intsony (mankany amin’ny fahamarinana).
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَقَالُوٓاْ أَءِذَا كُنَّا عِظَٰمٗا وَرُفَٰتًا أَءِنَّا لَمَبۡعُوثُونَ خَلۡقٗا جَدِيدٗا
Ary niteny izy ireo nanao hoe : “Rehefa lasa taolana sy vovoka izahay, dia mbola hatsangana marina ka haverina ho olombelona vaovao indray ve ?”
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
 
مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: ئىسرا
سۈرە مۇندەرىجىسى بەت نومۇرى
 
قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى

رۇۋاد تەرجىمە مەركىزىدىكى بىر گۇرۇپ ئالىملار رىبۋە دەۋەت جەمئىيىتى ۋە ئىسلامىي مەزمۇنلارنى تەمىنلەش جەمئىيىتى بىلەن ھەمكارلىشىپ تەرجىمە قىلغان.

تاقاش