Check out the new design

قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى * - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى


مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: نەھل   ئايەت:
ثُمَّ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ يُخۡزِيهِمۡ وَيَقُولُ أَيۡنَ شُرَكَآءِيَ ٱلَّذِينَ كُنتُمۡ تُشَٰٓقُّونَ فِيهِمۡۚ قَالَ ٱلَّذِينَ أُوتُواْ ٱلۡعِلۡمَ إِنَّ ٱلۡخِزۡيَ ٱلۡيَوۡمَ وَٱلسُّوٓءَ عَلَى ٱلۡكَٰفِرِينَ
Ary amin’ny Andro Fitsanganana (amin’ny maty) dia ho alainy baraka izy ireo, ka hilaza Izy (amin’izy ireo) hanao hoe: “ Aiza Ireo mpiara-miombon’antoka Amiko izay nampisaraka Anareo ? ”.Hiteny ireo izay nahazo fahalalana ka hanao hoe : “ Ny fahafam-baraka sy ny loza dia mianjady amin’ireo tsy mpino androany ”
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
ٱلَّذِينَ تَتَوَفَّىٰهُمُ ٱلۡمَلَٰٓئِكَةُ ظَالِمِيٓ أَنفُسِهِمۡۖ فَأَلۡقَوُاْ ٱلسَّلَمَ مَا كُنَّا نَعۡمَلُ مِن سُوٓءِۭۚ بَلَىٰٓۚ إِنَّ ٱللَّهَ عَلِيمُۢ بِمَا كُنتُمۡ تَعۡمَلُونَ
Ireo izay alain’ny Anjely ny fofon'ainy, ka nanao ny tsy rariny tamin’ny tenany ihany, ary niaiky amim-pahamenarana izy ireo (ka hiteny hoe) : “ Izahay dia tsy nanao ratsy mihitsy ”.Tsia ! Tena marina fa i Allah dia mahalala tsara izay nataonareo.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
فَٱدۡخُلُوٓاْ أَبۡوَٰبَ جَهَنَّمَ خَٰلِدِينَ فِيهَاۖ فَلَبِئۡسَ مَثۡوَى ٱلۡمُتَكَبِّرِينَ
Koa midira àry Ianareo amin’ny varavaran’ny Afobe, izay hitoeranareo mandrakizay ao Aminy. Tena ratsy tokoa ny toeran’ireo mpanambony tena !
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
۞ وَقِيلَ لِلَّذِينَ ٱتَّقَوۡاْ مَاذَآ أَنزَلَ رَبُّكُمۡۚ قَالُواْ خَيۡرٗاۗ لِّلَّذِينَ أَحۡسَنُواْ فِي هَٰذِهِ ٱلدُّنۡيَا حَسَنَةٞۚ وَلَدَارُ ٱلۡأٓخِرَةِ خَيۡرٞۚ وَلَنِعۡمَ دَارُ ٱلۡمُتَّقِينَ
Ary hotenenina amin’ireo izay manam-patahorana ny hoe : “ Inona no nampidinin’ny Tomponareo ? ”. Hamaly izy ireo ka hanao hoe : “ Ny tsara ”. Ho an’ireo izay manao soa dia ahazo ny tsara eto ambonin’ny tany, fa ny fiainana any an-koatra no mendrika kokoa. Ary feno fahasambarana ny fonenan’ireo manam-patahorana !
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
جَنَّٰتُ عَدۡنٖ يَدۡخُلُونَهَا تَجۡرِي مِن تَحۡتِهَا ٱلۡأَنۡهَٰرُۖ لَهُمۡ فِيهَا مَا يَشَآءُونَۚ كَذَٰلِكَ يَجۡزِي ٱللَّهُ ٱلۡمُتَّقِينَ
Ireo zaridain’i Edena izay misy renirano mikoriana ao ambaminy no hidiran’izy ireo. Ho azon’izy ireo ao izay zavatra rehetra tadiaviny. Tahaka izany no hamalian’i Allah soa ireo manam-patahorana.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
ٱلَّذِينَ تَتَوَفَّىٰهُمُ ٱلۡمَلَٰٓئِكَةُ طَيِّبِينَ يَقُولُونَ سَلَٰمٌ عَلَيۡكُمُ ٱدۡخُلُواْ ٱلۡجَنَّةَ بِمَا كُنتُمۡ تَعۡمَلُونَ
Ireo izay nalain’ny Anjely ny fofon'ainy, ka nanao ny tsara izy ireo dia hiteny izy ireo (Anjely) ka hanao hoe : “ Fiadanana anie ho Anareo ! ”. Midira ao amin’ny Paradisa Ianareo nohon'ny asa izay Nataonareo ”.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
هَلۡ يَنظُرُونَ إِلَّآ أَن تَأۡتِيَهُمُ ٱلۡمَلَٰٓئِكَةُ أَوۡ يَأۡتِيَ أَمۡرُ رَبِّكَۚ كَذَٰلِكَ فَعَلَ ٱلَّذِينَ مِن قَبۡلِهِمۡۚ وَمَا ظَلَمَهُمُ ٱللَّهُ وَلَٰكِن كَانُوٓاْ أَنفُسَهُمۡ يَظۡلِمُونَ
Moa ve hiandry izy ireo (tsy mpino) ny ahatongavan’ireo Anjely eo Aminy, na koa ny ahatongavan’ny didin’ny Tomponao ? Toy izany no nataon’ireo teo alohan’izy ireo.Tsy nanao ny tsy rariny tamin’izy ireo i Allah, fa izy ireo kosa no nanao ny tsy rariny tamin’ny tenany ihany.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
فَأَصَابَهُمۡ سَيِّـَٔاتُ مَا عَمِلُواْ وَحَاقَ بِهِم مَّا كَانُواْ بِهِۦ يَسۡتَهۡزِءُونَ
Ka nihatra tamin’izy ireo ny haratsian’ny asa nataon’izy ireo, ary nanarona azy ireo tanteraka izay nohesohesoiny.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
 
مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: نەھل
سۈرە مۇندەرىجىسى بەت نومۇرى
 
قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى

رۇۋاد تەرجىمە مەركىزىدىكى بىر گۇرۇپ ئالىملار رىبۋە دەۋەت جەمئىيىتى ۋە ئىسلامىي مەزمۇنلارنى تەمىنلەش جەمئىيىتى بىلەن ھەمكارلىشىپ تەرجىمە قىلغان.

تاقاش