Check out the new design

قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى * - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى


مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: يۇنۇس   ئايەت:
وَقَالَ فِرۡعَوۡنُ ٱئۡتُونِي بِكُلِّ سَٰحِرٍ عَلِيمٖ
Ary niteny I Faraona ka nanao hoe : " Ento aty Amiko ireo mpanao majika mahay indrindra ”.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
فَلَمَّا جَآءَ ٱلسَّحَرَةُ قَالَ لَهُم مُّوسَىٰٓ أَلۡقُواْ مَآ أَنتُم مُّلۡقُونَ
Ary rehefa tonga ireo mpanao majika dia niteny i Moussa tamin’izy ireo ka nanao hoe : " Atsipazo izay efa nomaninareo ho atsipy ”.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
فَلَمَّآ أَلۡقَوۡاْ قَالَ مُوسَىٰ مَا جِئۡتُم بِهِ ٱلسِّحۡرُۖ إِنَّ ٱللَّهَ سَيُبۡطِلُهُۥٓ إِنَّ ٱللَّهَ لَا يُصۡلِحُ عَمَلَ ٱلۡمُفۡسِدِينَ
Ary rehefa nanipy izy ireo dia niteny i Moussa (A.s) ka nanao hoe : " izay rehetra nentinareo dia majika tokoa ! " Marina fa i Allah dia hanafoana izany. Ary i Allah dia tsy hampahomby ny asan’ireo mpanao ny ratsy.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَيُحِقُّ ٱللَّهُ ٱلۡحَقَّ بِكَلِمَٰتِهِۦ وَلَوۡ كَرِهَ ٱلۡمُجۡرِمُونَ
Ary i Allah dia hampandresy ny fahamarinana amin’ny alalan’ny Teniny na dia mankahala izany aza ireo mpanao heloka bevava ”.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
فَمَآ ءَامَنَ لِمُوسَىٰٓ إِلَّا ذُرِّيَّةٞ مِّن قَوۡمِهِۦ عَلَىٰ خَوۡفٖ مِّن فِرۡعَوۡنَ وَمَلَإِيْهِمۡ أَن يَفۡتِنَهُمۡۚ وَإِنَّ فِرۡعَوۡنَ لَعَالٖ فِي ٱلۡأَرۡضِ وَإِنَّهُۥ لَمِنَ ٱلۡمُسۡرِفِينَ
Tsy nisy nino an’i Mosa anefa afa-tsy ny taranaka (andiana tanora vitsivitsy) avy amin’ny vahoakany nohon’ny fatahorana an’i Faraona sy ireo loholony sao hamaly faty izy ireo. Marina fa i Faraona dia mpanefohefo teto an-tany sy anisan’ireo mpihoa-pefy.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَقَالَ مُوسَىٰ يَٰقَوۡمِ إِن كُنتُمۡ ءَامَنتُم بِٱللَّهِ فَعَلَيۡهِ تَوَكَّلُوٓاْ إِن كُنتُم مُّسۡلِمِينَ
Ary niteny i Moussa ka nanao hoe : “ Oh ry vahoakako, raha nino Allah marina Ianareo, dia apetraho Aminy tanteraka ny fitokisanareo raha mpankato Azy marina Ianareo ”.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
فَقَالُواْ عَلَى ٱللَّهِ تَوَكَّلۡنَا رَبَّنَا لَا تَجۡعَلۡنَا فِتۡنَةٗ لِّلۡقَوۡمِ ٱلظَّٰلِمِينَ
Ka niteny izy ireo ka nanao hoe : “Amin’i Allah no hametrahanay ny fitokisanay.Tomponay oh ! Aza atao ho lasibatry ny hetraketrakin'ny vahoaka mpanao ny tsy rariny Izahay ”.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَنَجِّنَا بِرَحۡمَتِكَ مِنَ ٱلۡقَوۡمِ ٱلۡكَٰفِرِينَ
Ary avoty Izahay amin’ny alalan’ny famindram-ponao amin’ny vahoaka tsy mpino.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَأَوۡحَيۡنَآ إِلَىٰ مُوسَىٰ وَأَخِيهِ أَن تَبَوَّءَا لِقَوۡمِكُمَا بِمِصۡرَ بُيُوتٗا وَٱجۡعَلُواْ بُيُوتَكُمۡ قِبۡلَةٗ وَأَقِيمُواْ ٱلصَّلَوٰةَۗ وَبَشِّرِ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ
Ary nandefasanay fanambarana tamin’i Moussa sy ny Rahalahiny ka nanao hoe : " Makà trano ao Ejypta ho an’ny vahoakanareo ary ataovy mitodika amin’ny toeram-pitodihana amin’ny fivavahana ireo tranonareo. Ary tanterahanareo ny Soalat, ka lazao vaovao mahafaly ireo mpino ”.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَقَالَ مُوسَىٰ رَبَّنَآ إِنَّكَ ءَاتَيۡتَ فِرۡعَوۡنَ وَمَلَأَهُۥ زِينَةٗ وَأَمۡوَٰلٗا فِي ٱلۡحَيَوٰةِ ٱلدُّنۡيَا رَبَّنَا لِيُضِلُّواْ عَن سَبِيلِكَۖ رَبَّنَا ٱطۡمِسۡ عَلَىٰٓ أَمۡوَٰلِهِمۡ وَٱشۡدُدۡ عَلَىٰ قُلُوبِهِمۡ فَلَا يُؤۡمِنُواْ حَتَّىٰ يَرَوُاْ ٱلۡعَذَابَ ٱلۡأَلِيمَ
Ary niteny i Moussa ka nanao hoe : " Tomponay oh ! Ianao dia nanome an' i Faraona sy ny loholony haingo sy fananana maro eto amin’ny fiainana an-tany. Tomponay Oh ! mba hiatahan’izy ireo amin’ny làlanao ihany izany. Tomponay Oh ! ravao ny fananan’izy ireo ary hamafiso ny fon’izy ireo mba tsy ho mpino izy ireo mandra-pahitany ny sazy mamirifiry”.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
 
مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: يۇنۇس
سۈرە مۇندەرىجىسى بەت نومۇرى
 
قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى

رۇۋاد تەرجىمە مەركىزىدىكى بىر گۇرۇپ ئالىملار رىبۋە دەۋەت جەمئىيىتى ۋە ئىسلامىي مەزمۇنلارنى تەمىنلەش جەمئىيىتى بىلەن ھەمكارلىشىپ تەرجىمە قىلغان.

تاقاش