Check out the new design

Salin ng mga Kahulugan ng Marangal na Qur'an - Salin sa Wikang Malagasi ng Sentro ng Rowad sa Pagsasalin * - Indise ng mga Salin


Salin ng mga Kahulugan Surah: An-Noor   Ayah:
وَإِذَا بَلَغَ ٱلۡأَطۡفَٰلُ مِنكُمُ ٱلۡحُلُمَ فَلۡيَسۡتَـٔۡذِنُواْ كَمَا ٱسۡتَـٔۡذَنَ ٱلَّذِينَ مِن قَبۡلِهِمۡۚ كَذَٰلِكَ يُبَيِّنُ ٱللَّهُ لَكُمۡ ءَايَٰتِهِۦۗ وَٱللَّهُ عَلِيمٌ حَكِيمٞ
Ary raha ampy taona ireo ankizy aminareo, dia aoka izy ireo hangataka alalana mialohan’ny hidirany, tahaka ny nangatahan’ireo izay teo alohany alalana. Toy izany no amelabelaran’I Allah mazava tsara aminareo ireo fanambarany. Fa I Allah dia mahalala ny zava-drehetra sy be fahendrena.
Ang mga Tafsir na Arabe:
وَٱلۡقَوَٰعِدُ مِنَ ٱلنِّسَآءِ ٱلَّٰتِي لَا يَرۡجُونَ نِكَاحٗا فَلَيۡسَ عَلَيۡهِنَّ جُنَاحٌ أَن يَضَعۡنَ ثِيَابَهُنَّ غَيۡرَ مُتَبَرِّجَٰتِۭ بِزِينَةٖۖ وَأَن يَسۡتَعۡفِفۡنَ خَيۡرٞ لَّهُنَّۗ وَٱللَّهُ سَمِيعٌ عَلِيمٞ
Ho an’ireo vehivavy izay tsy afaka miteraka intsony, ka tsy manantena fanambadiana dia tsy misy tsiny ho azy ireo ny mametraka ireo fitafiny (fitondra ivelany), nefa tsy mampiseho kosa ny haingony, raha mitady fahamaontinana izy ireo dia tsara kokoa ho azy ireo izany. Ary Allah dia maheno sy mahalala ny zava-drehetra.
Ang mga Tafsir na Arabe:
لَّيۡسَ عَلَى ٱلۡأَعۡمَىٰ حَرَجٞ وَلَا عَلَى ٱلۡأَعۡرَجِ حَرَجٞ وَلَا عَلَى ٱلۡمَرِيضِ حَرَجٞ وَلَا عَلَىٰٓ أَنفُسِكُمۡ أَن تَأۡكُلُواْ مِنۢ بُيُوتِكُمۡ أَوۡ بُيُوتِ ءَابَآئِكُمۡ أَوۡ بُيُوتِ أُمَّهَٰتِكُمۡ أَوۡ بُيُوتِ إِخۡوَٰنِكُمۡ أَوۡ بُيُوتِ أَخَوَٰتِكُمۡ أَوۡ بُيُوتِ أَعۡمَٰمِكُمۡ أَوۡ بُيُوتِ عَمَّٰتِكُمۡ أَوۡ بُيُوتِ أَخۡوَٰلِكُمۡ أَوۡ بُيُوتِ خَٰلَٰتِكُمۡ أَوۡ مَا مَلَكۡتُم مَّفَاتِحَهُۥٓ أَوۡ صَدِيقِكُمۡۚ لَيۡسَ عَلَيۡكُمۡ جُنَاحٌ أَن تَأۡكُلُواْ جَمِيعًا أَوۡ أَشۡتَاتٗاۚ فَإِذَا دَخَلۡتُم بُيُوتٗا فَسَلِّمُواْ عَلَىٰٓ أَنفُسِكُمۡ تَحِيَّةٗ مِّنۡ عِندِ ٱللَّهِ مُبَٰرَكَةٗ طَيِّبَةٗۚ كَذَٰلِكَ يُبَيِّنُ ٱللَّهُ لَكُمُ ٱلۡأٓيَٰتِ لَعَلَّكُمۡ تَعۡقِلُونَ
Tsy misy tsiny ho an’ny jamba, na ho an’ny kilemaina, ho an’ny marary, ary koa ho an’ny tenanareo ny mihinana ao an-tranonareo, na ao an-tranon’ireo rainareo na ao an-tranon’ireo reninareo, na ao an-tranon’ireo rahalahinareo, na ao an-tranon’ny anabavinareo, na ao an-tranon’ireo rahalahin-drainareo na ao an-tranon’ireo anabavin-drainareo, na ao an-tranon’ny anadahin-dreninareo, na ao an-tranon’ny rahavavin-dreninareo, na amin’izay anananareo fanalahidy, na amin’ireo sakaizanareo. Tsy misy tsiny ho anareo ihany koa ny miara-mihinana na misaratsaraka. Koa raha miditra an-trano ianareo, dia aoka hifampiarahaba amin’ny fiarahabana avy amin’I Allah feno hasoavana sy tsara, toy izany no amelabelaran’I Allah mazava tsara aminareo ireo fanambarany, angamba hisaina ianareo.
Ang mga Tafsir na Arabe:
 
Salin ng mga Kahulugan Surah: An-Noor
Indise ng mga Surah Numero ng Pahina
 
Salin ng mga Kahulugan ng Marangal na Qur'an - Salin sa Wikang Malagasi ng Sentro ng Rowad sa Pagsasalin - Indise ng mga Salin

Isinalin ito ng isang pangkat ng Sentro ng Rowad sa Pagsasalin sa pakikipagtulungan ng Samahan ng Da‘wah sa Rabwah at Samahan ng Paglilingkod sa Nilalamang Islāmiko sa mga Wika.

Isara