Check out the new design

Salin ng mga Kahulugan ng Marangal na Qur'an - Salin sa Wikang Malagasi ng Sentro ng Rowad sa Pagsasalin * - Indise ng mga Salin


Salin ng mga Kahulugan Surah: Al-Baqarah   Ayah:
مَثَلُهُمۡ كَمَثَلِ ٱلَّذِي ٱسۡتَوۡقَدَ نَارٗا فَلَمَّآ أَضَآءَتۡ مَا حَوۡلَهُۥ ذَهَبَ ٱللَّهُ بِنُورِهِمۡ وَتَرَكَهُمۡ فِي ظُلُمَٰتٖ لَّا يُبۡصِرُونَ
Izy ireny dia mitovy tahaka ny olona iray izay nandrehitra afo; ka rehefa nampazava ny manodidina azy izany afo izany dia nesorin'i Tompo Allah ny hazavana teo amin'izy ireo ary navelany tao anaty haizim-pito tsy mahita na inona na inona intsony izy ireo
Ang mga Tafsir na Arabe:
صُمُّۢ بُكۡمٌ عُمۡيٞ فَهُمۡ لَا يَرۡجِعُونَ
Marenina, moana, ary jamba tokoa izy ireo; ka tsy hafaka miverin-dàlana intsony.
Ang mga Tafsir na Arabe:
أَوۡ كَصَيِّبٖ مِّنَ ٱلسَّمَآءِ فِيهِ ظُلُمَٰتٞ وَرَعۡدٞ وَبَرۡقٞ يَجۡعَلُونَ أَصَٰبِعَهُمۡ فِيٓ ءَاذَانِهِم مِّنَ ٱلصَّوَٰعِقِ حَذَرَ ٱلۡمَوۡتِۚ وَٱللَّهُ مُحِيطُۢ بِٱلۡكَٰفِرِينَ
Na tahaka ny ora-mikija avy any an-danitra, izay arahin’ny haizina mikitroka sy kotro-baratra ary tselatra, ka manampin-tsofina amin’ny rantsan-tanany noho ny hamafisany kotro-baratra izy ireo satria matahotra ny fahafatesana, ary i Tompo Allah dia mahafehy tanteraka ireo tsy manam-pinoana
Ang mga Tafsir na Arabe:
يَكَادُ ٱلۡبَرۡقُ يَخۡطَفُ أَبۡصَٰرَهُمۡۖ كُلَّمَآ أَضَآءَ لَهُم مَّشَوۡاْ فِيهِ وَإِذَآ أَظۡلَمَ عَلَيۡهِمۡ قَامُواْۚ وَلَوۡ شَآءَ ٱللَّهُ لَذَهَبَ بِسَمۡعِهِمۡ وَأَبۡصَٰرِهِمۡۚ إِنَّ ٱللَّهَ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٖ قَدِيرٞ
Saika nopahon’ny tselatra ny mason’izy ireo, ka isaka ny manazava azy izy, dia manararaotra mamindra ao anatin’izany izy, ary isaka ny miverina eo aminy indray ny haizina, dia mijanona izy. Ary raha sitrak’Allah, dia azony nofoanana tanteraka teo amin’ny fiainany manontolo ny fandrenesana sy ny fahiratan’izy ireo.
Ang mga Tafsir na Arabe:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلنَّاسُ ٱعۡبُدُواْ رَبَّكُمُ ٱلَّذِي خَلَقَكُمۡ وَٱلَّذِينَ مِن قَبۡلِكُمۡ لَعَلَّكُمۡ تَتَّقُونَ
Ry zanak'olombelona ! aoka Tompoinareo ny Tomponareo izay nahary anareo sy ireo rehetra izay talohanareo ka avy amin'izany no mba hanananareo ny fahatahorana.
Ang mga Tafsir na Arabe:
ٱلَّذِي جَعَلَ لَكُمُ ٱلۡأَرۡضَ فِرَٰشٗا وَٱلسَّمَآءَ بِنَآءٗ وَأَنزَلَ مِنَ ٱلسَّمَآءِ مَآءٗ فَأَخۡرَجَ بِهِۦ مِنَ ٱلثَّمَرَٰتِ رِزۡقٗا لَّكُمۡۖ فَلَا تَجۡعَلُواْ لِلَّهِ أَندَادٗا وَأَنتُمۡ تَعۡلَمُونَ
Izy no Ilay nanao ny tany ho fandriana ho anareo, sy ny lanitra ho tafo; ary nampirotsaka ny ranon’orana avy any an-danitra ka nampamoa ny ampahany amin’ireo voankazo isankarazany mba ho anjara fivelomanareo. Noho izany, dia aza ataonareo ho misy mitovy Aminy i Allah, fa efa fantatrareo rahateo izany.
Ang mga Tafsir na Arabe:
وَإِن كُنتُمۡ فِي رَيۡبٖ مِّمَّا نَزَّلۡنَا عَلَىٰ عَبۡدِنَا فَأۡتُواْ بِسُورَةٖ مِّن مِّثۡلِهِۦ وَٱدۡعُواْ شُهَدَآءَكُم مِّن دُونِ ٱللَّهِ إِن كُنتُمۡ صَٰدِقِينَ
Fa raha misalasala ny amin’izay nampidininay tamin’ny كpanomponay kosa ianareo, dia mba mamorona antokontsoratra (Sourat) mitovy aminy ary antsoy aty ireo vavolombelonareo (ireo sampy) izay tompoinareo ankoatra an’Allah, raha tena mpilaza ny marina tokoa ianareo.
Ang mga Tafsir na Arabe:
فَإِن لَّمۡ تَفۡعَلُواْ وَلَن تَفۡعَلُواْ فَٱتَّقُواْ ٱلنَّارَ ٱلَّتِي وَقُودُهَا ٱلنَّاسُ وَٱلۡحِجَارَةُۖ أُعِدَّتۡ لِلۡكَٰفِرِينَ
Fa raha tsy nataonareo izany, nefa moa ianareo tsy hahatanteraka izany rahateo, dia aoka ianareo hatahotra ilay afobe izay ny olombelona sy ny vato no ho kitay fandrehitra ao aminy, afo izay voahomana sahady ho an’ireo tsy mpino.
Ang mga Tafsir na Arabe:
 
Salin ng mga Kahulugan Surah: Al-Baqarah
Indise ng mga Surah Numero ng Pahina
 
Salin ng mga Kahulugan ng Marangal na Qur'an - Salin sa Wikang Malagasi ng Sentro ng Rowad sa Pagsasalin - Indise ng mga Salin

Isinalin ito ng isang pangkat ng Sentro ng Rowad sa Pagsasalin sa pakikipagtulungan ng Samahan ng Da‘wah sa Rabwah at Samahan ng Paglilingkod sa Nilalamang Islāmiko sa mga Wika.

Isara