Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: توبه   آیت:
ٱنفِرُواْ خِفَافٗا وَثِقَالٗا وَجَٰهِدُواْ بِأَمۡوَٰلِكُمۡ وَأَنفُسِكُمۡ فِي سَبِيلِ ٱللَّهِۚ ذَٰلِكُمۡ خَيۡرٞ لَّكُمۡ إِن كُنتُمۡ تَعۡلَمُونَ
Mivoaha Ianareo miady, na mora na sarotra Aminareo izany. Ary miadiva mafy amin’ny fampiasana ny fanananareo sy ny tenanareo amin’ny làlan’i Allah. Izany dia tsara ho Anareo raha fantatrareo.
عربي تفسیرونه:
لَوۡ كَانَ عَرَضٗا قَرِيبٗا وَسَفَرٗا قَاصِدٗا لَّٱتَّبَعُوكَ وَلَٰكِنۢ بَعُدَتۡ عَلَيۡهِمُ ٱلشُّقَّةُۚ وَسَيَحۡلِفُونَ بِٱللَّهِ لَوِ ٱسۡتَطَعۡنَا لَخَرَجۡنَا مَعَكُمۡ يُهۡلِكُونَ أَنفُسَهُمۡ وَٱللَّهُ يَعۡلَمُ إِنَّهُمۡ لَكَٰذِبُونَ
Raha toa ka tombontsoa mora azo na fandehanana akaiky dia nanaraka Anao izy ireo, nefa làlan-davitra sy sarotra tamin’izy ireo ilay toerana. Ary nianiana tamin’i Allah izy ireo nanao hoe : " Raha afaka izahay dia niaraka taminareo ”. Nanary ny tenany ihany izy ireo. Ary i Allah dia mahafantatra fa tena mandainga izy ireo.
عربي تفسیرونه:
عَفَا ٱللَّهُ عَنكَ لِمَ أَذِنتَ لَهُمۡ حَتَّىٰ يَتَبَيَّنَ لَكَ ٱلَّذِينَ صَدَقُواْ وَتَعۡلَمَ ٱلۡكَٰذِبِينَ
Hamela heloka Anao anie i Allah ! Nahoana Ianao no nanome alàlana azy ireo mandra-pahafahanao nanavaka ireo izay nilaza ny marina sy nahafantaranao ireo mpandainga.
عربي تفسیرونه:
لَا يَسۡتَـٔۡذِنُكَ ٱلَّذِينَ يُؤۡمِنُونَ بِٱللَّهِ وَٱلۡيَوۡمِ ٱلۡأٓخِرِ أَن يُجَٰهِدُواْ بِأَمۡوَٰلِهِمۡ وَأَنفُسِهِمۡۗ وَٱللَّهُ عَلِيمُۢ بِٱلۡمُتَّقِينَ
Tsy hangataka alàlana Aminao ireo izay mino an’i Allah sy ny Andro farany amin’ny fivoahana miady amin’ny làlan’i Allah miaraka amin’ny fananany sy ny tenan'izy ireo. Ary i Allah dia mahalala tokoa izay tena manam-patahorana.
عربي تفسیرونه:
إِنَّمَا يَسۡتَـٔۡذِنُكَ ٱلَّذِينَ لَا يُؤۡمِنُونَ بِٱللَّهِ وَٱلۡيَوۡمِ ٱلۡأٓخِرِ وَٱرۡتَابَتۡ قُلُوبُهُمۡ فَهُمۡ فِي رَيۡبِهِمۡ يَتَرَدَّدُونَ
Fa hangataka alàlana Aminao kosa ireo tsy mino an’i Allah sy ny andro farany, sady feno fisalasalana ny fon’izy ireo, ka mihambahamba noho izany, ao anaty fisalasalana izy ireo.
عربي تفسیرونه:
۞ وَلَوۡ أَرَادُواْ ٱلۡخُرُوجَ لَأَعَدُّواْ لَهُۥ عُدَّةٗ وَلَٰكِن كَرِهَ ٱللَّهُ ٱنۢبِعَاثَهُمۡ فَثَبَّطَهُمۡ وَقِيلَ ٱقۡعُدُواْ مَعَ ٱلۡقَٰعِدِينَ
Ary raha tian’izy ireo marina ny mivoaka miady dia efa niomana tokoa izy ireo, nefa tsy nankasitrahan’i Allah ny fandehanan’izy ireo, ka nataony kamo izy ireo, ary nisy niteny tamin’izy ireo nanao hoe : " Mijanonà àry Ianareo miaraka amin’ireo mpijanona."
عربي تفسیرونه:
لَوۡ خَرَجُواْ فِيكُم مَّا زَادُوكُمۡ إِلَّا خَبَالٗا وَلَأَوۡضَعُواْ خِلَٰلَكُمۡ يَبۡغُونَكُمُ ٱلۡفِتۡنَةَ وَفِيكُمۡ سَمَّٰعُونَ لَهُمۡۗ وَٱللَّهُ عَلِيمُۢ بِٱلظَّٰلِمِينَ
Raha niaraka nivoaka taminareo izy ireo, dia tsy ho nanao afa-tsy ny nampitombo tebiteby taminareo sy nandrava ny laharanareo, nikatsaka fisaraham-bazana teo Aminareo. Ary nisy taminareo no nihaino azy ireo. Ary i Allah dia mahalala ireo izay mpanao ny tsy rariny.
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: توبه
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول