Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: نازعات   آیت:

An-nàzi'àt

وَٱلنَّٰزِعَٰتِ غَرۡقٗا
Mianiana Aho amin'ireo anjely izay manongotra amin-kery ny aina,
عربي تفسیرونه:
وَٱلنَّٰشِطَٰتِ نَشۡطٗا
sy amin'ireo anjely izay manala malefaka ny aina;
عربي تفسیرونه:
وَٱلسَّٰبِحَٰتِ سَبۡحٗا
amin'ireo anjely mpivezivezy mpamita iraka,
عربي تفسیرونه:
فَٱلسَّٰبِقَٰتِ سَبۡقٗا
amin'ireo anjely izay mitari-dalana ireo fanahin'ireo mpino,
عربي تفسیرونه:
فَٱلۡمُدَبِّرَٰتِ أَمۡرٗا
ary mandrindra ny zava-drehetra,
عربي تفسیرونه:
يَوۡمَ تَرۡجُفُ ٱلرَّاجِفَةُ
amin'ny andro izay hisian'ny horohoro nohon'ny fidoboky ny anjomara voalohany,
عربي تفسیرونه:
تَتۡبَعُهَا ٱلرَّادِفَةُ
hanaraka izany koa ny fidoboky ny anjomara faharoa,
عربي تفسیرونه:
قُلُوبٞ يَوۡمَئِذٖ وَاجِفَةٌ
amin'izay andro izay dia ho feno tebiteby ny fo,
عربي تفسیرونه:
أَبۡصَٰرُهَا خَٰشِعَةٞ
ary ny fijerin'izy ireo dia hitanondrika,
عربي تفسیرونه:
يَقُولُونَ أَءِنَّا لَمَرۡدُودُونَ فِي ٱلۡحَافِرَةِ
Hiteny izy ireo hoe: "Ahoana no hiverenantsika ho toy ny teo aloha indray?";
عربي تفسیرونه:
أَءِذَا كُنَّا عِظَٰمٗا نَّخِرَةٗ
" Raha toa isika ka ho taolana sy ho vovoka feno fahalovana? "
عربي تفسیرونه:
قَالُواْ تِلۡكَ إِذٗا كَرَّةٌ خَاسِرَةٞ
hilaza izy ireo hoe: " Dia ho fiverenana hamono antoka izany "
عربي تفسیرونه:
فَإِنَّمَا هِيَ زَجۡرَةٞ وَٰحِدَةٞ
Aza mangataka ny hanalavitra fa tsy hisy afa-tsy antso tokana ihany izany.
عربي تفسیرونه:
فَإِذَا هُم بِٱلسَّاهِرَةِ
Ary dia indro izy ireo ho eo ambonin'ny tanim-pitsarana
عربي تفسیرونه:
هَلۡ أَتَىٰكَ حَدِيثُ مُوسَىٰٓ
Moa ve tonga taminao ny tantaran'i Moosa?
عربي تفسیرونه:
إِذۡ نَادَىٰهُ رَبُّهُۥ بِٱلۡوَادِ ٱلۡمُقَدَّسِ طُوًى
Tamin'ny niantsoan'ny Tompony azy tao an-dohasaha masin'i To'a?
عربي تفسیرونه:
ٱذۡهَبۡ إِلَىٰ فِرۡعَوۡنَ إِنَّهُۥ طَغَىٰ
Mandehana ianao any amin'ny Farao, fa raha ny tena marina dia efa mpikomy izy.
عربي تفسیرونه:
فَقُلۡ هَل لَّكَ إِلَىٰٓ أَن تَزَكَّىٰ
Ary lazao azy hoe: " Manana faniriana hanadio tena ve ianao?
عربي تفسیرونه:
وَأَهۡدِيَكَ إِلَىٰ رَبِّكَ فَتَخۡشَىٰ
Ka hotarihiko ho amin'ny fanompoana ny tomponao mba hanampahatahorana Azy ?
عربي تفسیرونه:
فَأَرَىٰهُ ٱلۡأٓيَةَ ٱلۡكُبۡرَىٰ
Ary dia nasehony azy ny famantarana lehibe.
عربي تفسیرونه:
فَكَذَّبَ وَعَصَىٰ
Nihevitra izany ho lainga anefa izy ka dia tsy nankato,
عربي تفسیرونه:
ثُمَّ أَدۡبَرَ يَسۡعَىٰ
Fa nihodina nanda ny finoana izy ireo ary lasa faingana nanao ny faharatsiana
عربي تفسیرونه:
فَحَشَرَ فَنَادَىٰ
Dia namory ireo olony izy ary nanao fanambarana.
عربي تفسیرونه:
فَقَالَ أَنَا۠ رَبُّكُمُ ٱلۡأَعۡلَىٰ
ka nilaza hoe: " Izaho no tomponareo, ilay avo indrindra."
عربي تفسیرونه:
فَأَخَذَهُ ٱللَّهُ نَكَالَ ٱلۡأٓخِرَةِ وَٱلۡأُولَىٰٓ
Nohon'izany dia nampiharin'I Allah taminy ny sazy teto an-tany ary homeny koa ny any an-koatra,
عربي تفسیرونه:
إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَعِبۡرَةٗ لِّمَن يَخۡشَىٰٓ
Izany toe-javatra izany dia fampieritreretana lehibe tokoa ho an'izay manana fahatahorana an'I Allah.
عربي تفسیرونه:
ءَأَنتُمۡ أَشَدُّ خَلۡقًا أَمِ ٱلسَّمَآءُۚ بَنَىٰهَا
Moa ve ny fahariana anareo dia nanao sarotra tokoa nohon'ny nahariana ny lanitra izay naoriny.
عربي تفسیرونه:
رَفَعَ سَمۡكَهَا فَسَوَّىٰهَا
Nataony ho ambony toerana ary vita mitovy tantana,
عربي تفسیرونه:
وَأَغۡطَشَ لَيۡلَهَا وَأَخۡرَجَ ضُحَىٰهَا
Nataony ho maizina ny alina ary nohazavany ny androny,
عربي تفسیرونه:
وَٱلۡأَرۡضَ بَعۡدَ ذَٰلِكَ دَحَىٰهَآ
Ary ny tany kosa taorian'izany dia nataony midadasika,
عربي تفسیرونه:
أَخۡرَجَ مِنۡهَا مَآءَهَا وَمَرۡعَىٰهَا
ka avy taminy no namoahany ny rano sy ny kijana firaofanan'ny biby.
عربي تفسیرونه:
وَٱلۡجِبَالَ أَرۡسَىٰهَا
Ary ireo tendrombohitra dia nataony andry iankinany;
عربي تفسیرونه:
مَتَٰعٗا لَّكُمۡ وَلِأَنۡعَٰمِكُمۡ
Mba hahasoa anareo sy ireo biby fiompinareo,
عربي تفسیرونه:
فَإِذَا جَآءَتِ ٱلطَّآمَّةُ ٱلۡكُبۡرَىٰ
rehefa ho tonga ny fikorontanana lehibe,
عربي تفسیرونه:
يَوۡمَ يَتَذَكَّرُ ٱلۡإِنسَٰنُ مَا سَعَىٰ
amin'ny andro izay hahatsiarovan'ny olombelona ny asa rehetra nataony,
عربي تفسیرونه:
وَبُرِّزَتِ ٱلۡجَحِيمُ لِمَن يَرَىٰ
dia hibaribary amin'izay mijery ny Afo be,
عربي تفسیرونه:
فَأَمَّا مَن طَغَىٰ
Fa izay nikomy tsy nankato an'I Allah kosa
عربي تفسیرونه:
وَءَاثَرَ ٱلۡحَيَوٰةَ ٱلدُّنۡيَا
sy nifidy ny fiainana eto ambonin'ny tany,
عربي تفسیرونه:
فَإِنَّ ٱلۡجَحِيمَ هِيَ ٱلۡمَأۡوَىٰ
dia ny Afo be no hitoeran'izy ireo,
عربي تفسیرونه:
وَأَمَّا مَنۡ خَافَ مَقَامَ رَبِّهِۦ وَنَهَى ٱلنَّفۡسَ عَنِ ٱلۡهَوَىٰ
Ary ho an'izay natahotra ny fihaonan'izy ireo eo anoloan'ny Tompony sy nitandrina ny tenany tamin'ny filan-dratsin'ny nofo kosa;
عربي تفسیرونه:
فَإِنَّ ٱلۡجَنَّةَ هِيَ ٱلۡمَأۡوَىٰ
dia ny paradisa no ho fonenan'izy ireo,
عربي تفسیرونه:
يَسۡـَٔلُونَكَ عَنِ ٱلسَّاعَةِ أَيَّانَ مُرۡسَىٰهَا
Hanontany anao ny amin'ny andro farany izy ireo hoe: "Rahoviana anga no ahatongavan'izany? "
عربي تفسیرونه:
فِيمَ أَنتَ مِن ذِكۡرَىٰهَآ
Amin'ny fomba ahoana no hilazanao izany amin'izy ireo?
عربي تفسیرونه:
إِلَىٰ رَبِّكَ مُنتَهَىٰهَآ
any amin'ny Tomponao ny fahalalana izany.
عربي تفسیرونه:
إِنَّمَآ أَنتَ مُنذِرُ مَن يَخۡشَىٰهَا
Satria ianao dia mpampitandrina ihany an'izay manana fahatahorana an'izany,
عربي تفسیرونه:
كَأَنَّهُمۡ يَوۡمَ يَرَوۡنَهَا لَمۡ يَلۡبَثُوٓاْ إِلَّا عَشِيَّةً أَوۡ ضُحَىٰهَا
Amin'ny andro izay hahitan'izy ireo ny andro farany dia tahaka ny tsy nonina tety an-tany afa-tsy indray maraina na indray hariva fotsiny izy ireo,
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: نازعات
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول