Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: تغابن   آیت:

At-taghàbon

يُسَبِّحُ لِلَّهِ مَا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَمَا فِي ٱلۡأَرۡضِۖ لَهُ ٱلۡمُلۡكُ وَلَهُ ٱلۡحَمۡدُۖ وَهُوَ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٖ قَدِيرٌ
Manome voninahitra an’Allah izay any an-danitra sy ety an-tany. Azy ny fanjakana, ary Azy ny fiderana, fa mahefa ny zava-drehetra Izy.
عربي تفسیرونه:
هُوَ ٱلَّذِي خَلَقَكُمۡ فَمِنكُمۡ كَافِرٞ وَمِنكُم مُّؤۡمِنٞۚ وَٱللَّهُ بِمَا تَعۡمَلُونَ بَصِيرٌ
Izy no nahary anareo, misy aminareo ny tsy mpino ary misy aminareo ny mpino, fa hitan’Allah izay ataonareo.
عربي تفسیرونه:
خَلَقَ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضَ بِٱلۡحَقِّ وَصَوَّرَكُمۡ فَأَحۡسَنَ صُوَرَكُمۡۖ وَإِلَيۡهِ ٱلۡمَصِيرُ
Nahary ny lanitra sy ny tany tamim-pahamarinana tokoa Izy ka nanome endrika anareo, ary endrika tsara tokoa no nomeny anareo ! Ary any Aminy no fiafarana.
عربي تفسیرونه:
يَعۡلَمُ مَا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ وَيَعۡلَمُ مَا تُسِرُّونَ وَمَا تُعۡلِنُونَۚ وَٱللَّهُ عَلِيمُۢ بِذَاتِ ٱلصُّدُورِ
Fantany izay any an-danitra sy ety an-tany, ary fantany ihany koa izay afeninareo sy izay abaribarinareo, ary fantatr’ Allah tsara izay raketin’ny fo.
عربي تفسیرونه:
أَلَمۡ يَأۡتِكُمۡ نَبَؤُاْ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ مِن قَبۡلُ فَذَاقُواْ وَبَالَ أَمۡرِهِمۡ وَلَهُمۡ عَذَابٌ أَلِيمٞ
Tsy tonga taminareo va, ny vaovao mikasika ireo tsy nino taloha, ka nanandrana ny voka-dratsin’izay nataony ; ary mbola hahazo famaizana mamirifiry izy ireo.
عربي تفسیرونه:
ذَٰلِكَ بِأَنَّهُۥ كَانَت تَّأۡتِيهِمۡ رُسُلُهُم بِٱلۡبَيِّنَٰتِ فَقَالُوٓاْ أَبَشَرٞ يَهۡدُونَنَا فَكَفَرُواْ وَتَوَلَّواْۖ وَّٱسۡتَغۡنَى ٱللَّهُۚ وَٱللَّهُ غَنِيٌّ حَمِيدٞ
Toy izany no niseho satria tonga niaraka tamin’ny porofo mazava ireo Iraka, ka hoy izy ireo : Olombelona va no hitari-dalana anay ? Tsy nino izy ireo, ka nivily lalana. Tsy nila azy ireo anefa Allah, fa Tompon’ny harena sy mendri-piderana Izy.
عربي تفسیرونه:
زَعَمَ ٱلَّذِينَ كَفَرُوٓاْ أَن لَّن يُبۡعَثُواْۚ قُلۡ بَلَىٰ وَرَبِّي لَتُبۡعَثُنَّ ثُمَّ لَتُنَبَّؤُنَّ بِمَا عَمِلۡتُمۡۚ وَذَٰلِكَ عَلَى ٱللَّهِ يَسِيرٞ
Nilaza ireo tsy mpino fa tsy hitsangana amin’ny maty izy ireo. Koa valio hoe : Eny amin’ny anaran’ny Tompoko ! Tsy maintsy hatsangana amin’ny maty tokoa ianareo, ka hilazana izay nataonareo fa mora amin’Allah izany.
عربي تفسیرونه:
فَـَٔامِنُواْ بِٱللَّهِ وَرَسُولِهِۦ وَٱلنُّورِ ٱلَّذِيٓ أَنزَلۡنَاۚ وَٱللَّهُ بِمَا تَعۡمَلُونَ خَبِيرٞ
Minoa an’I Allah sy ny Irany àry ianareo, ary ny fahazavana izay nampidininay fa mahafantatra tanteraka izay ataonareo Allah.
عربي تفسیرونه:
يَوۡمَ يَجۡمَعُكُمۡ لِيَوۡمِ ٱلۡجَمۡعِۖ ذَٰلِكَ يَوۡمُ ٱلتَّغَابُنِۗ وَمَن يُؤۡمِنۢ بِٱللَّهِ وَيَعۡمَلۡ صَٰلِحٗا يُكَفِّرۡ عَنۡهُ سَيِّـَٔاتِهِۦ وَيُدۡخِلۡهُ جَنَّٰتٖ تَجۡرِي مِن تَحۡتِهَا ٱلۡأَنۡهَٰرُ خَٰلِدِينَ فِيهَآ أَبَدٗاۚ ذَٰلِكَ ٱلۡفَوۡزُ ٱلۡعَظِيمُ
Ny andro hamoriany anareo amin’ilay andro fivoriana dia izany no andron’ny fatiantoka lehibe fa izay mino an’Allah sy manao asa soa, dia ho foana ireo asa ratsiny, ka hampidiriny ao amin’ireo zaridaina misy renirano mikoriana eo ambaniny izy ireo, izay honenany mandrakizay doria. Izany no fahombiazana lehibe indrindra !
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: تغابن
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول