Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: واقعه   آیت:

Al-waqi'ah

إِذَا وَقَعَتِ ٱلۡوَاقِعَةُ
Rehefa ho avy tokoa ny fisehoan-javatra.
عربي تفسیرونه:
لَيۡسَ لِوَقۡعَتِهَا كَاذِبَةٌ
Dia tsy hisy hiampanga ny fiaviany ho lainga.
عربي تفسیرونه:
خَافِضَةٞ رَّافِعَةٌ
Hampidina ny sasany izy fa hampiakatra ny hafa.
عربي تفسیرونه:
إِذَا رُجَّتِ ٱلۡأَرۡضُ رَجّٗا
Rehefa hihorohoro mafy ny tany.
عربي تفسیرونه:
وَبُسَّتِ ٱلۡجِبَالُ بَسّٗا
Ary hiforotra ireo tendrombohitra.
عربي تفسیرونه:
فَكَانَتۡ هَبَآءٗ مُّنۢبَثّٗا
Ka ho lasa vovoka miparitaka.
عربي تفسیرونه:
وَكُنتُمۡ أَزۡوَٰجٗا ثَلَٰثَةٗ
Ary amin’izany dia ho sokajy telo ianareo :
عربي تفسیرونه:
فَأَصۡحَٰبُ ٱلۡمَيۡمَنَةِ مَآ أَصۡحَٰبُ ٱلۡمَيۡمَنَةِ
Ireo olon’ny an-kavanana. Iza moa ireo olon’ny an-kavanana ?
عربي تفسیرونه:
وَأَصۡحَٰبُ ٱلۡمَشۡـَٔمَةِ مَآ أَصۡحَٰبُ ٱلۡمَشۡـَٔمَةِ
Ary ireo olon’ny an-kavia. Iza moa ireo olon’ny an-kavia ?
عربي تفسیرونه:
وَٱلسَّٰبِقُونَ ٱلسَّٰبِقُونَ
Ireo voalohany dia izy ireo no ho voalohany.
عربي تفسیرونه:
أُوْلَٰٓئِكَ ٱلۡمُقَرَّبُونَ
Izy ireny no akaiky indrindra an’I Allah
عربي تفسیرونه:
فِي جَنَّٰتِ ٱلنَّعِيمِ
Ao amin’ny zaridainam-pahasambarana.
عربي تفسیرونه:
ثُلَّةٞ مِّنَ ٱلۡأَوَّلِينَ
Maro ireo voafidy amin’ny taranaka voalohany.
عربي تفسیرونه:
وَقَلِيلٞ مِّنَ ٱلۡأٓخِرِينَ
Fa vitsy kosa amin’ireo taranaka farany.
عربي تفسیرونه:
عَلَىٰ سُرُرٖ مَّوۡضُونَةٖ
Eo ambon'ny farafara voaravaka.
عربي تفسیرونه:
مُّتَّكِـِٔينَ عَلَيۡهَا مُتَقَٰبِلِينَ
Mitehin-kiho izy ireo eo amin’izany, sady mifanatrika.
عربي تفسیرونه:
يَطُوفُ عَلَيۡهِمۡ وِلۡدَٰنٞ مُّخَلَّدُونَ
Hivezivezy eo amin’izy ireo, ireo zaza lahy tanora mandrakizay.
عربي تفسیرونه:
بِأَكۡوَابٖ وَأَبَارِيقَ وَكَأۡسٖ مِّن مَّعِينٖ
Miaraka amin’ireo kapoaka sy tavoara ary vera feno zava-pisotron-doharano.
عربي تفسیرونه:
لَّا يُصَدَّعُونَ عَنۡهَا وَلَا يُنزِفُونَ
Izay tsy hamparary an-doha na hahafanina azy ireo .
عربي تفسیرونه:
وَفَٰكِهَةٖ مِّمَّا يَتَخَيَّرُونَ
Ary voankazo araka izay safidin’izy ireo.
عربي تفسیرونه:
وَلَحۡمِ طَيۡرٖ مِّمَّا يَشۡتَهُونَ
Sy henam-borona izay ankafizin’izy ireo.
عربي تفسیرونه:
وَحُورٌ عِينٞ
Ary hahazo tovovavin’ny Paradisa baribarimaso, sady tsara izy ireo.
عربي تفسیرونه:
كَأَمۡثَٰلِ ٱللُّؤۡلُوِٕ ٱلۡمَكۡنُونِ
Toy ireny vatosoa tsara tahiry.
عربي تفسیرونه:
جَزَآءَۢ بِمَا كَانُواْ يَعۡمَلُونَ
Ho valisoa amin’izay nataon’izy ireo.
عربي تفسیرونه:
لَا يَسۡمَعُونَ فِيهَا لَغۡوٗا وَلَا تَأۡثِيمًا
Tsy hare teniteny foana na teny ratsy izy ireo ao .
عربي تفسیرونه:
إِلَّا قِيلٗا سَلَٰمٗا سَلَٰمٗا
Afa-tsy ny teny hoe : “ Fiadanana ! Fiadanana ! ” (Salam !Salam !).
عربي تفسیرونه:
وَأَصۡحَٰبُ ٱلۡيَمِينِ مَآ أَصۡحَٰبُ ٱلۡيَمِينِ
Ary ireo olon’ny an-kavanana. Iza moa ireo olon’ny an-kavanana ?
عربي تفسیرونه:
فِي سِدۡرٖ مَّخۡضُودٖ
Ho eo amin’ny hazona mokonazy tsy misy tsilo izy ireo.
عربي تفسیرونه:
وَطَلۡحٖ مَّنضُودٖ
Ary ho eo amin’ireo fototr’akondro misy lafiny vaventy.
عربي تفسیرونه:
وَظِلّٖ مَّمۡدُودٖ
Ao anaty aloka midadasika.
عربي تفسیرونه:
وَمَآءٖ مَّسۡكُوبٖ
Eo amin’ny rano mikoriana lalandava.
عربي تفسیرونه:
وَفَٰكِهَةٖ كَثِيرَةٖ
Sy voankazo sesehena.
عربي تفسیرونه:
لَّا مَقۡطُوعَةٖ وَلَا مَمۡنُوعَةٖ
Izay tsy misy fitsaharany na koa fandrarana.
عربي تفسیرونه:
وَفُرُشٖ مَّرۡفُوعَةٍ
Eo ambon'ny farafara avo.
عربي تفسیرونه:
إِنَّآ أَنشَأۡنَٰهُنَّ إِنشَآءٗ
Izahay no Nahary ireo tovovavin’ny Paradisa ho tonga lafatra.
عربي تفسیرونه:
فَجَعَلۡنَٰهُنَّ أَبۡكَارًا
Ka nataonay ho virijiny izy ireo.
عربي تفسیرونه:
عُرُبًا أَتۡرَابٗا
Mahatehotia, mitovy taona avokoa.
عربي تفسیرونه:
لِّأَصۡحَٰبِ ٱلۡيَمِينِ
Ho an’ireo olon’ny an-kavanana.
عربي تفسیرونه:
ثُلَّةٞ مِّنَ ٱلۡأَوَّلِينَ
Maro no voafidy tamin’ireo taranaka voalohany.
عربي تفسیرونه:
وَثُلَّةٞ مِّنَ ٱلۡأٓخِرِينَ
Ary maro ihany koa no voafidy tamin’ireo taranaka farany.
عربي تفسیرونه:
وَأَصۡحَٰبُ ٱلشِّمَالِ مَآ أَصۡحَٰبُ ٱلشِّمَالِ
Ary ireo olon’ny an-kavia. Iza moa ireo olon’ny an-kavia ?
عربي تفسیرونه:
فِي سَمُومٖ وَحَمِيمٖ
Ho ao afovoan’ny rivotra mamay sy rano mangotraka izy ireo.
عربي تفسیرونه:
وَظِلّٖ مِّن يَحۡمُومٖ
Eo amin’ny alokin'ny setroka mainty.
عربي تفسیرونه:
لَّا بَارِدٖ وَلَا كَرِيمٍ
Sady tsy mangatsiatsiaka no tsy malefaka.
عربي تفسیرونه:
إِنَّهُمۡ كَانُواْ قَبۡلَ ذَٰلِكَ مُتۡرَفِينَ
Niaina tao anatin’ny adalana izy ireo taloha.
عربي تفسیرونه:
وَكَانُواْ يُصِرُّونَ عَلَى ٱلۡحِنثِ ٱلۡعَظِيمِ
Ary nilomamo tao anatin’ny fahotana lehibe (izy ireo).
عربي تفسیرونه:
وَكَانُواْ يَقُولُونَ أَئِذَا مِتۡنَا وَكُنَّا تُرَابٗا وَعِظَٰمًا أَءِنَّا لَمَبۡعُوثُونَ
Ka niteny hoe : “ Rehefa maty ka ho vovoka sy taolana izahay dia mbola ho hatsangana va ?"
عربي تفسیرونه:
أَوَءَابَآؤُنَا ٱلۡأَوَّلُونَ
Na koa ireo razambenay taloha ?
عربي تفسیرونه:
قُلۡ إِنَّ ٱلۡأَوَّلِينَ وَٱلۡأٓخِرِينَ
Dia lazao hoe : “ Marina fa ireo voalohany sy ireo farany"
عربي تفسیرونه:
لَمَجۡمُوعُونَ إِلَىٰ مِيقَٰتِ يَوۡمٖ مَّعۡلُومٖ
Dia havory avokoa amin’ny fotoan’ilay andro efa fantatra.
عربي تفسیرونه:
ثُمَّ إِنَّكُمۡ أَيُّهَا ٱلضَّآلُّونَ ٱلۡمُكَذِّبُونَ
Ary ianareo diso lalana, izay niampanga izany ho lainga.
عربي تفسیرونه:
لَأٓكِلُونَ مِن شَجَرٖ مِّن زَقُّومٖ
Dia tsy maintsy hihinana amin’ny hazon’ny zaqqoum (hazo mangidin’ny afobe) ianareo.
عربي تفسیرونه:
فَمَالِـُٔونَ مِنۡهَا ٱلۡبُطُونَ
Ka hameno kibo amin’izany.
عربي تفسیرونه:
فَشَٰرِبُونَ عَلَيۡهِ مِنَ ٱلۡحَمِيمِ
Sady hisotro rano mangotraka(maimbo) ianareo ankoatr’izany.
عربي تفسیرونه:
فَشَٰرِبُونَ شُرۡبَ ٱلۡهِيمِ
Hisotro amin’izany tahaka ny fisotroan’ny rameva mangetaheta ianareo.
عربي تفسیرونه:
هَٰذَا نُزُلُهُمۡ يَوۡمَ ٱلدِّينِ
Izany no anjara haroso azy ireo amin’ny andro famaliana.
عربي تفسیرونه:
نَحۡنُ خَلَقۡنَٰكُمۡ فَلَوۡلَا تُصَدِّقُونَ
Izahay no Nahary anareo. Koa nahoana àry no tsy hino ianareo ?
عربي تفسیرونه:
أَفَرَءَيۡتُم مَّا تُمۡنُونَ
Hitanareo va ny tsirin'aina avoakanareo.
عربي تفسیرونه:
ءَأَنتُمۡ تَخۡلُقُونَهُۥٓ أَمۡ نَحۡنُ ٱلۡخَٰلِقُونَ
Ianareo va no nanamboatra azy, sa Izahay no Mpahary ?
عربي تفسیرونه:
نَحۡنُ قَدَّرۡنَا بَيۡنَكُمُ ٱلۡمَوۡتَ وَمَا نَحۡنُ بِمَسۡبُوقِينَ
Efa noferanay ny fahafatesana eo aminareo ka tsy ho voasakana mihitsy izahay.
عربي تفسیرونه:
عَلَىٰٓ أَن نُّبَدِّلَ أَمۡثَٰلَكُمۡ وَنُنشِئَكُمۡ فِي مَا لَا تَعۡلَمُونَ
Hanolo anareo amin’izay mitovy aminareo ary hamelona anareo indray amin’izay tsy fantatrareo.
عربي تفسیرونه:
وَلَقَدۡ عَلِمۡتُمُ ٱلنَّشۡأَةَ ٱلۡأُولَىٰ فَلَوۡلَا تَذَكَّرُونَ
Nahafantatra ny famoronana voalohany ianareo. Ka moa tsy tsaroanareo va izany ?
عربي تفسیرونه:
أَفَرَءَيۡتُم مَّا تَحۡرُثُونَ
Mba hitanareo va ny asa-tany izay ataonareo ?
عربي تفسیرونه:
ءَأَنتُمۡ تَزۡرَعُونَهُۥٓ أَمۡ نَحۡنُ ٱلزَّٰرِعُونَ
Ianareo va no mamboly izany ? Sa Izahay no Mpamboly ?
عربي تفسیرونه:
لَوۡ نَشَآءُ لَجَعَلۡنَٰهُ حُطَٰمٗا فَظَلۡتُمۡ تَفَكَّهُونَ
Raha tianay dia ho potehinay izany. Ary dia tsy hitsahatra ny fahagaganareo:
عربي تفسیرونه:
إِنَّا لَمُغۡرَمُونَ
Indro izahay fa vesaran-trosa !
عربي تفسیرونه:
بَلۡ نَحۡنُ مَحۡرُومُونَ
Fa izahay dia nisakanana sy noraraina.
عربي تفسیرونه:
أَفَرَءَيۡتُمُ ٱلۡمَآءَ ٱلَّذِي تَشۡرَبُونَ
Hitanareo va ny rano izay sotroinareo ?
عربي تفسیرونه:
ءَأَنتُمۡ أَنزَلۡتُمُوهُ مِنَ ٱلۡمُزۡنِ أَمۡ نَحۡنُ ٱلۡمُنزِلُونَ
Ianareo va no nampidina azy avy eny amin’ny rahona ? Sa Izahay no Mpampidina izany?
عربي تفسیرونه:
لَوۡ نَشَآءُ جَعَلۡنَٰهُ أُجَاجٗا فَلَوۡلَا تَشۡكُرُونَ
Raha tianay dia nataonay masira izany. Koa nahoana àry ianareo no tsy mahay mankasitraka ?
عربي تفسیرونه:
أَفَرَءَيۡتُمُ ٱلنَّارَ ٱلَّتِي تُورُونَ
Mba hitanareo va ny afo izay arehitrareo ?
عربي تفسیرونه:
ءَأَنتُمۡ أَنشَأۡتُمۡ شَجَرَتَهَآ أَمۡ نَحۡنُ ٱلۡمُنشِـُٔونَ
Ianareo va no nahary ny hazo sa Izahay no Mpahary ?
عربي تفسیرونه:
نَحۡنُ جَعَلۡنَٰهَا تَذۡكِرَةٗ وَمَتَٰعٗا لِّلۡمُقۡوِينَ
Nataonay ho fampahatsiarovana izany, sy ho fitaovana ilain’izay mila azy.
عربي تفسیرونه:
فَسَبِّحۡ بِٱسۡمِ رَبِّكَ ٱلۡعَظِيمِ
Koa ankalazao àry ny Anaran’ny Tomponao, ilay Lehibe indrindra !
عربي تفسیرونه:
۞ فَلَآ أُقۡسِمُ بِمَوَٰقِعِ ٱلنُّجُومِ
Tsia ! Mianiana amin’ny alalan’ny toeran’ireo kintana eny amin’ny habakabaka Aho.
عربي تفسیرونه:
وَإِنَّهُۥ لَقَسَمٞ لَّوۡ تَعۡلَمُونَ عَظِيمٌ
Fa tena fianianana lehibe izany, raha mba fantatrareo mantsy.
عربي تفسیرونه:
إِنَّهُۥ لَقُرۡءَانٞ كَرِيمٞ
Ary tena Koroany mendrika.
عربي تفسیرونه:
فِي كِتَٰبٖ مَّكۡنُونٖ
Ao anaty Boky voaaro tsara.
عربي تفسیرونه:
لَّا يَمَسُّهُۥٓ إِلَّا ٱلۡمُطَهَّرُونَ
Ka izay voadio ihany no mikasika azy .
عربي تفسیرونه:
تَنزِيلٞ مِّن رَّبِّ ٱلۡعَٰلَمِينَ
Fanambarana avy amin’ny Tompon’izao tontolo izao.
عربي تفسیرونه:
أَفَبِهَٰذَا ٱلۡحَدِيثِ أَنتُم مُّدۡهِنُونَ
Moa izany lahateny izany va no lazainareo ho lainga ?
عربي تفسیرونه:
وَتَجۡعَلُونَ رِزۡقَكُمۡ أَنَّكُمۡ تُكَذِّبُونَ
Fomba hankasitrahanareo ny anjaram-pahasoavanareo ny filazanareo ny Koroany ho lainga ?
عربي تفسیرونه:
فَلَوۡلَآ إِذَا بَلَغَتِ ٱلۡحُلۡقُومَ
Rehefa miakatra eo an-tenda ny aina.
عربي تفسیرونه:
وَأَنتُمۡ حِينَئِذٖ تَنظُرُونَ
Ary mijery ianareo amin’izany fotoana izany.
عربي تفسیرونه:
وَنَحۡنُ أَقۡرَبُ إِلَيۡهِ مِنكُمۡ وَلَٰكِن لَّا تُبۡصِرُونَ
Dia izahay no akaiky azy kokoa noho ianareo, saingy tsy hitanareo mihitsy.
عربي تفسیرونه:
فَلَوۡلَآ إِن كُنتُمۡ غَيۡرَ مَدِينِينَ
Ahoana àry, raha mino ianareo fa tsy ho tsaraina.
عربي تفسیرونه:
تَرۡجِعُونَهَآ إِن كُنتُمۡ صَٰدِقِينَ
No tsy averinareo izy, raha mpilaza ny marina tokoa ianareo ?
عربي تفسیرونه:
فَأَمَّآ إِن كَانَ مِنَ ٱلۡمُقَرَّبِينَ
Fa raha isan’ireo manakaiky an’I Allah izy.
عربي تفسیرونه:
فَرَوۡحٞ وَرَيۡحَانٞ وَجَنَّتُ نَعِيمٖ
Dia hahazo fialan-tsasatra, sy hanitra, ary zaridainam-pahasambarana.
عربي تفسیرونه:
وَأَمَّآ إِن كَانَ مِنۡ أَصۡحَٰبِ ٱلۡيَمِينِ
Ary raha isan’ireo olon’ny an-kavanana izy.
عربي تفسیرونه:
فَسَلَٰمٞ لَّكَ مِنۡ أَصۡحَٰبِ ٱلۡيَمِينِ
(Dia hilaza hoe) : “ Fiadanana ho anao ! ”, avy amin’ireo olon’ny an-kavanana.
عربي تفسیرونه:
وَأَمَّآ إِن كَانَ مِنَ ٱلۡمُكَذِّبِينَ ٱلضَّآلِّينَ
Fa raha isan’ireo nilaza lainga kosa izy, sady very làlana.
عربي تفسیرونه:
فَنُزُلٞ مِّنۡ حَمِيمٖ
Dia hapetraka ao anaty rano mangotraka.
عربي تفسیرونه:
وَتَصۡلِيَةُ جَحِيمٍ
Ka ho dioavina ao anatin'ny afo mamaivay.
عربي تفسیرونه:
إِنَّ هَٰذَا لَهُوَ حَقُّ ٱلۡيَقِينِ
Izany no marina tena azo antoka tanteraka.
عربي تفسیرونه:
فَسَبِّحۡ بِٱسۡمِ رَبِّكَ ٱلۡعَظِيمِ
Ka ankalazao àry ny anaran’ny Tomponao, ilay Lehibe indrindra !
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: واقعه
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول