Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: نجم   آیت:

An-najm

وَٱلنَّجۡمِ إِذَا هَوَىٰ
Mianiana amin’ny kintana izay efa hilentika Aho !
عربي تفسیرونه:
مَا ضَلَّ صَاحِبُكُمۡ وَمَا غَوَىٰ
Fa tsy diso lalana ny namanareo, ary tsy tafiditra anatin'ny fahadisoana.
عربي تفسیرونه:
وَمَا يَنطِقُ عَنِ ٱلۡهَوَىٰٓ
Ary tsy miteny araka ny sitrapony izy.
عربي تفسیرونه:
إِنۡ هُوَ إِلَّا وَحۡيٞ يُوحَىٰ
Fa izany dia faminaniana tonga taminy.
عربي تفسیرونه:
عَلَّمَهُۥ شَدِيدُ ٱلۡقُوَىٰ
Izay nampianarin’ilay hery lehibe taminy.
عربي تفسیرونه:
ذُو مِرَّةٖ فَٱسۡتَوَىٰ
Manan-tsaina ; ary niseho tamin’ny endrika maha izy azy.
عربي تفسیرونه:
وَهُوَ بِٱلۡأُفُقِ ٱلۡأَعۡلَىٰ
Raha teo amin’ny fara-vodilanitra ambony izy.
عربي تفسیرونه:
ثُمَّ دَنَا فَتَدَلَّىٰ
Avy eo dia nanatona sy nidina ambanimbany kokoa izy.
عربي تفسیرونه:
فَكَانَ قَابَ قَوۡسَيۡنِ أَوۡ أَدۡنَىٰ
Hatreo amin’izay tratran’ny zana-tsipika indroa, na akaiky kokoa noho izany.
عربي تفسیرونه:
فَأَوۡحَىٰٓ إِلَىٰ عَبۡدِهِۦ مَآ أَوۡحَىٰ
Nambarany tamin’ny mpanompony izay nambarany.
عربي تفسیرونه:
مَا كَذَبَ ٱلۡفُؤَادُ مَا رَأَىٰٓ
Tsy nandainga tamin’izay hitany ny fo.
عربي تفسیرونه:
أَفَتُمَٰرُونَهُۥ عَلَىٰ مَا يَرَىٰ
Moa toherinareo amin’izay hitany va izy ?
عربي تفسیرونه:
وَلَقَدۡ رَءَاهُ نَزۡلَةً أُخۡرَىٰ
Efa hitany tamin’ny fidinana hafa koa anefa izy.
عربي تفسیرونه:
عِندَ سِدۡرَةِ ٱلۡمُنتَهَىٰ
Teo akaikin'ny Sidratoul-mountaha.
عربي تفسیرونه:
عِندَهَا جَنَّةُ ٱلۡمَأۡوَىٰٓ
Eo akaikiny no misy ny zaridainan’ny fialofana (mandrakizay).
عربي تفسیرونه:
إِذۡ يَغۡشَى ٱلسِّدۡرَةَ مَا يَغۡشَىٰ
Tamin’ny fotoana izay nahasarona ny hazo na mokonazy, tamin’izay nandrakotra azy.
عربي تفسیرونه:
مَا زَاغَ ٱلۡبَصَرُ وَمَا طَغَىٰ
Tsy nivily ny fahitany na nihoatra ny tokony ho izy.
عربي تفسیرونه:
لَقَدۡ رَأَىٰ مِنۡ ءَايَٰتِ رَبِّهِ ٱلۡكُبۡرَىٰٓ
Hitany tokoa ny sasany tamin’ireo fahagagana lehibe avy amin’ny Tompony.
عربي تفسیرونه:
أَفَرَءَيۡتُمُ ٱللَّٰتَ وَٱلۡعُزَّىٰ
Ka ahoana àry ny fahitanareo ny sampy Làt sy Ozzà?
عربي تفسیرونه:
وَمَنَوٰةَ ٱلثَّالِثَةَ ٱلۡأُخۡرَىٰٓ
Ary koa i Manat, ilay sampy fahatelo hafa ?
عربي تفسیرونه:
أَلَكُمُ ٱلذَّكَرُ وَلَهُ ٱلۡأُنثَىٰ
Ho anareo va ny zazalahy, fa ho Azy kosa ny zazavavy ?
عربي تفسیرونه:
تِلۡكَ إِذٗا قِسۡمَةٞ ضِيزَىٰٓ
Tena fizarana vilana kosa izany !
عربي تفسیرونه:
إِنۡ هِيَ إِلَّآ أَسۡمَآءٞ سَمَّيۡتُمُوهَآ أَنتُمۡ وَءَابَآؤُكُم مَّآ أَنزَلَ ٱللَّهُ بِهَا مِن سُلۡطَٰنٍۚ إِن يَتَّبِعُونَ إِلَّا ٱلظَّنَّ وَمَا تَهۡوَى ٱلۡأَنفُسُۖ وَلَقَدۡ جَآءَهُم مِّن رَّبِّهِمُ ٱلۡهُدَىٰٓ
Anarana noforoninareo ihany izany, ianareo sy ny razam-benareo, fa tsy nampidina porofo mikasika izany I Allah. Tsy manaraka afa-tsy ny fiheverany sy ny sitrapony ihany izy ireo, nefa efa tonga tamin’izy ireo ny tari-dalana avy amin’ny Tompony .
عربي تفسیرونه:
أَمۡ لِلۡإِنسَٰنِ مَا تَمَنَّىٰ
Sa efa nahazo izay rehetra niriny kosa ny olombelona.
عربي تفسیرونه:
فَلِلَّهِ ٱلۡأٓخِرَةُ وَٱلۡأُولَىٰ
An’I Allah ny fiainana any ankoatra, sy ny fiainana eto an-tany.
عربي تفسیرونه:
۞ وَكَم مِّن مَّلَكٖ فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ لَا تُغۡنِي شَفَٰعَتُهُمۡ شَيۡـًٔا إِلَّا مِنۢ بَعۡدِ أَن يَأۡذَنَ ٱللَّهُ لِمَن يَشَآءُ وَيَرۡضَىٰٓ
Ary firifiry ireo anjely any an-danitra, no tsy hahazoana tombotsoa mihitsy ny fanelanelanan’izy ireo, raha tsy aorian’ny alalana avy amin’I Allah, ho an’izay tiany sy ankasitrahany.
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: نجم
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول