Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: ذاریات   آیت:

Az-zariyaat

وَٱلذَّٰرِيَٰتِ ذَرۡوٗا
Mianiana amin’ny rivotra izay miparitaka Aho,
عربي تفسیرونه:
فَٱلۡحَٰمِلَٰتِ وِقۡرٗا
Amin’ny rahona mpitondra havesarana,
عربي تفسیرونه:
فَٱلۡجَٰرِيَٰتِ يُسۡرٗا
Amin’ny sambo mikorisa amim-pahamorana,
عربي تفسیرونه:
فَٱلۡمُقَسِّمَٰتِ أَمۡرًا
Amin’ireo anjely mpizara araka ny baiko,
عربي تفسیرونه:
إِنَّمَا تُوعَدُونَ لَصَادِقٞ
Fa marina avokoa izay ampanantenana anareo.
عربي تفسیرونه:
وَإِنَّ ٱلدِّينَ لَوَٰقِعٞ
Ary ho tonga tsy azo ifandirana ny andro fitsarana.
عربي تفسیرونه:
وَٱلسَّمَآءِ ذَاتِ ٱلۡحُبُكِ
Mianiana amin’ny lanitra izay misy lalana voafaritra tsara Aho,
عربي تفسیرونه:
إِنَّكُمۡ لَفِي قَوۡلٖ مُّخۡتَلِفٖ
Fa mifanohitra ny zavatra lazainareo.
عربي تفسیرونه:
يُؤۡفَكُ عَنۡهُ مَنۡ أُفِكَ
Ary mihataka aminy (kor’any) izay mihataka amin’ny finoana.
عربي تفسیرونه:
قُتِلَ ٱلۡخَرَّٰصُونَ
Novonoina ireo mpandainga,
عربي تفسیرونه:
ٱلَّذِينَ هُمۡ فِي غَمۡرَةٖ سَاهُونَ
Izay nilatsaka tao anatin’ny tsy firaharahiana.
عربي تفسیرونه:
يَسۡـَٔلُونَ أَيَّانَ يَوۡمُ ٱلدِّينِ
Manontany izy ireo hoe : “Rahoviana ny andro fitsarana? ”
عربي تفسیرونه:
يَوۡمَ هُمۡ عَلَى ٱلنَّارِ يُفۡتَنُونَ
Ny andro hisedrana azy ireo amin’ny afo :
عربي تفسیرونه:
ذُوقُواْ فِتۡنَتَكُمۡ هَٰذَا ٱلَّذِي كُنتُم بِهِۦ تَسۡتَعۡجِلُونَ
“Ampandramo ny fisedrana, fa indro ilay notadiavinareo ho hafainganina”.
عربي تفسیرونه:
إِنَّ ٱلۡمُتَّقِينَ فِي جَنَّٰتٖ وَعُيُونٍ
Ho ao amin’ireo zaridaina sy loharano ireo vonto-pinoana,
عربي تفسیرونه:
ءَاخِذِينَ مَآ ءَاتَىٰهُمۡ رَبُّهُمۡۚ إِنَّهُمۡ كَانُواْ قَبۡلَ ذَٰلِكَ مُحۡسِنِينَ
Handray izay nomen’nyTompony izy ireo. Mifanao ny tsara izy ireo teo aloha,
عربي تفسیرونه:
كَانُواْ قَلِيلٗا مِّنَ ٱلَّيۡلِ مَا يَهۡجَعُونَ
Fotoana kely no mba natorian’izy ireo nandritry ny alina,
عربي تفسیرونه:
وَبِٱلۡأَسۡحَارِ هُمۡ يَسۡتَغۡفِرُونَ
Ary amin’ny fotoana farany amin’ny alina, dia mangataka famelan-keloka amin’I Allah izy ireo.
عربي تفسیرونه:
وَفِيٓ أَمۡوَٰلِهِمۡ حَقّٞ لِّلسَّآئِلِ وَٱلۡمَحۡرُومِ
Ary nisy anjaran’ny mpangataka sy ny tsy manana tamin’ny fananan’izy ireo.
عربي تفسیرونه:
وَفِي ٱلۡأَرۡضِ ءَايَٰتٞ لِّلۡمُوقِنِينَ
Misy famantarana maro ho an’ireo izay tena mino eto an-tany.
عربي تفسیرونه:
وَفِيٓ أَنفُسِكُمۡۚ أَفَلَا تُبۡصِرُونَ
Toy izany koa ny eo amin’ny tenanareo.Tsy mba mandinika va ianareo ?
عربي تفسیرونه:
وَفِي ٱلسَّمَآءِ رِزۡقُكُمۡ وَمَا تُوعَدُونَ
Ary any an-danitra no misy ny fivelomanareo, sy izay nampanantenana anareo.
عربي تفسیرونه:
فَوَرَبِّ ٱلسَّمَآءِ وَٱلۡأَرۡضِ إِنَّهُۥ لَحَقّٞ مِّثۡلَ مَآ أَنَّكُمۡ تَنطِقُونَ
Eo anatrehan’ny Tompon’ny lanitra sy ny tany ! Izany dia marina tahaka izay teneninareo.
عربي تفسیرونه:
هَلۡ أَتَىٰكَ حَدِيثُ ضَيۡفِ إِبۡرَٰهِيمَ ٱلۡمُكۡرَمِينَ
Tonga taminao va ny tantaran’ireo vahiny manan-kaja tao amin’i Abrahama ?
عربي تفسیرونه:
إِذۡ دَخَلُواْ عَلَيۡهِ فَقَالُواْ سَلَٰمٗاۖ قَالَ سَلَٰمٞ قَوۡمٞ مُّنكَرُونَ
Rehefa niditra tao an-tranony izy ireo dia niteny hoe : “Fiadanana ! ary hoy izy namaly azy ireo : “Fiadanana ry vahiny tsy fantatra ”.
عربي تفسیرونه:
فَرَاغَ إِلَىٰٓ أَهۡلِهِۦ فَجَآءَ بِعِجۡلٖ سَمِينٖ
Avy eo, dia nandeha nangingina tany amin’ny fianakaviany izy, ka nitondra zanak’omby matavy.
عربي تفسیرونه:
فَقَرَّبَهُۥٓ إِلَيۡهِمۡ قَالَ أَلَا تَأۡكُلُونَ
Dia noentiny teo akaikin’izy ireo izany, ka hoy izy : “ Moa tsy hihinana va ianareo ? ”.
عربي تفسیرونه:
فَأَوۡجَسَ مِنۡهُمۡ خِيفَةٗۖ قَالُواْ لَا تَخَفۡۖ وَبَشَّرُوهُ بِغُلَٰمٍ عَلِيمٖ
Natahotra teo anatrehan’izy ireo izy. Ka hoy izy ireo : “Aza matahotra ianao”. Dia nambaran’izy ireo taminy ny fahaterahan’ilay zaza lahy feno fahalalana.
عربي تفسیرونه:
فَأَقۡبَلَتِ ٱمۡرَأَتُهُۥ فِي صَرَّةٖ فَصَكَّتۡ وَجۡهَهَا وَقَالَتۡ عَجُوزٌ عَقِيمٞ
Tamin’izany dia nandroso ny vadiny sady nihiaka, nikapoka ny tarehiny, ary niteny hoe : “ Vavy antitra, momba”.
عربي تفسیرونه:
قَالُواْ كَذَٰلِكِ قَالَ رَبُّكِۖ إِنَّهُۥ هُوَ ٱلۡحَكِيمُ ٱلۡعَلِيمُ
Hoy izy ireo : “Izany no tenin’ny Tomponao, Izy tokoa no ilay be fahendrena ilay mahalala ny zava-drehetra ”.
عربي تفسیرونه:
۞ قَالَ فَمَا خَطۡبُكُمۡ أَيُّهَا ٱلۡمُرۡسَلُونَ
Dia hoy Abrahama: “ Inona àry no nampanaovina anareo, ry iraka? ”.
عربي تفسیرونه:
قَالُوٓاْ إِنَّآ أُرۡسِلۡنَآ إِلَىٰ قَوۡمٖ مُّجۡرِمِينَ
Namaly izy ireo hoe: “ Nalefa ho an’ny olona mpanao ratsy izahay"
عربي تفسیرونه:
لِنُرۡسِلَ عَلَيۡهِمۡ حِجَارَةٗ مِّن طِينٖ
Mba hitoraka vato tanimanga azy ireo.
عربي تفسیرونه:
مُّسَوَّمَةً عِندَ رَبِّكَ لِلۡمُسۡرِفِينَ
Voa marika any amin’ny Tomponao, ho an’ireo mpanao ny tafahoatra.
عربي تفسیرونه:
فَأَخۡرَجۡنَا مَن كَانَ فِيهَا مِنَ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ
Dia navoakanay izay mpino tao.
عربي تفسیرونه:
فَمَا وَجَدۡنَا فِيهَا غَيۡرَ بَيۡتٖ مِّنَ ٱلۡمُسۡلِمِينَ
Saingy tsy nahita afa-tsy trano iray an’ireo olona mpankato izahay.
عربي تفسیرونه:
وَتَرَكۡنَا فِيهَآ ءَايَةٗ لِّلَّذِينَ يَخَافُونَ ٱلۡعَذَابَ ٱلۡأَلِيمَ
Ka namela famantarana tao izahay, ho an’ireo izay matahotra ny famaizana mamirifiry.
عربي تفسیرونه:
وَفِي مُوسَىٰٓ إِذۡ أَرۡسَلۡنَٰهُ إِلَىٰ فِرۡعَوۡنَ بِسُلۡطَٰنٖ مُّبِينٖ
Ary ( toy izany koa) tamin’i Mosesy, rehefa nandefa azy Izahay, ho any amin’i Faraona niaraka tamin’ny porofo mazava.
عربي تفسیرونه:
فَتَوَلَّىٰ بِرُكۡنِهِۦ وَقَالَ سَٰحِرٌ أَوۡ مَجۡنُونٞ
Saingy nanome lamosina izy, fa nahatoky ny heriny, ka niteny hoe: “ Mpanao majika na olona adala ! ”.
عربي تفسیرونه:
فَأَخَذۡنَٰهُ وَجُنُودَهُۥ فَنَبَذۡنَٰهُمۡ فِي ٱلۡيَمِّ وَهُوَ مُلِيمٞ
Nosazianay izy sy ireo miaramilany, ka natsipinay anaty onja, nohon'ny haratsian-toetrany.
عربي تفسیرونه:
وَفِي عَادٍ إِذۡ أَرۡسَلۡنَا عَلَيۡهِمُ ٱلرِّيحَ ٱلۡعَقِيمَ
Toy izany ihany koa tamin’ireo Aad, rehefa nalefanay tamin’izy ireo ny rivotra mpandrava.
عربي تفسیرونه:
مَا تَذَرُ مِن شَيۡءٍ أَتَتۡ عَلَيۡهِ إِلَّا جَعَلَتۡهُ كَٱلرَّمِيمِ
Tsy mamela na inona na inona amin’izay andalovany,raha tsy lasa vovoka.
عربي تفسیرونه:
وَفِي ثَمُودَ إِذۡ قِيلَ لَهُمۡ تَمَتَّعُواْ حَتَّىٰ حِينٖ
Toy izany ihany koa tamin’ireo Thamod, rehefa nolazaina izy ireo hoe: “ Mifalia mandritra ny fotoana fohy ianareo ”.
عربي تفسیرونه:
فَعَتَوۡاْ عَنۡ أَمۡرِ رَبِّهِمۡ فَأَخَذَتۡهُمُ ٱلصَّٰعِقَةُ وَهُمۡ يَنظُرُونَ
Sahy nanohitra ny didin’nyTompony izy ireo, ka nasian’ny varatra teo am-pitazanana.
عربي تفسیرونه:
فَمَا ٱسۡتَطَٰعُواْ مِن قِيَامٖ وَمَا كَانُواْ مُنتَصِرِينَ
Ka tsy afaka nitsangana izy ireo no sady tsy afaka novonjena.
عربي تفسیرونه:
وَقَوۡمَ نُوحٖ مِّن قَبۡلُۖ إِنَّهُمۡ كَانُواْ قَوۡمٗا فَٰسِقِينَ
Toy izany koa ireo vahoakan’i Noa taloha. Tena olona ratsy fitondran-tena tokoa izy ireo.
عربي تفسیرونه:
وَٱلسَّمَآءَ بَنَيۡنَٰهَا بِأَيۡيْدٖ وَإِنَّا لَمُوسِعُونَ
Ny lanitra, dia namboarinay avy amin’ny herinay, ary novelarinay amin'ny avelarana tsy hita fiafarana.
عربي تفسیرونه:
وَٱلۡأَرۡضَ فَرَشۡنَٰهَا فَنِعۡمَ ٱلۡمَٰهِدُونَ
Ary ny tany dia novelarinay izy. Ary toy inona ny fomba tsara nampitovianay lanja azy !
عربي تفسیرونه:
وَمِن كُلِّ شَيۡءٍ خَلَقۡنَا زَوۡجَيۡنِ لَعَلَّكُمۡ تَذَكَّرُونَ
Ary noharianay tsiroa roa avokoa ny zavatra rehetra,mba ho tsaroanareo.
عربي تفسیرونه:
فَفِرُّوٓاْ إِلَى ٱللَّهِۖ إِنِّي لَكُم مِّنۡهُ نَذِيرٞ مُّبِينٞ
Aoka ary ianareo hirodorodo ho any amin’I Allah, fa izaho dia avy Aminy ho aminareo, ho mpampitandrina mazava.
عربي تفسیرونه:
وَلَا تَجۡعَلُواْ مَعَ ٱللَّهِ إِلَٰهًا ءَاخَرَۖ إِنِّي لَكُم مِّنۡهُ نَذِيرٞ مُّبِينٞ
Aza manana andriamanitra hafa miaraka amin’I Allah ianareo, fa izaho dia avy Aminy ho aminareo, ho mpampitandrina mazava.
عربي تفسیرونه:
كَذَٰلِكَ مَآ أَتَى ٱلَّذِينَ مِن قَبۡلِهِم مِّن رَّسُولٍ إِلَّا قَالُواْ سَاحِرٌ أَوۡ مَجۡنُونٌ
Toy izany, tsy nisy Iraka tonga tamin’ireo talohan’izy ireo, ka tsy nolazainy hoe : ‘’ Mpanao majika, naolona adala ‘’.
عربي تفسیرونه:
أَتَوَاصَوۡاْ بِهِۦۚ بَلۡ هُمۡ قَوۡمٞ طَاغُونَ
Nifampitan’izy ireo va izany teny izany ? Fa mpandika lalana tokoa izy ireo.
عربي تفسیرونه:
فَتَوَلَّ عَنۡهُمۡ فَمَآ أَنتَ بِمَلُومٖ
Mihataha amin’izy ireo ianao, fa tsy homena tsiny.
عربي تفسیرونه:
وَذَكِّرۡ فَإِنَّ ٱلذِّكۡرَىٰ تَنفَعُ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ
Ary aoka ianao hifampahatsiaro , fa ahazoan’ireo mpino tombontsoa ny fampahatsiarovana.
عربي تفسیرونه:
وَمَا خَلَقۡتُ ٱلۡجِنَّ وَٱلۡإِنسَ إِلَّا لِيَعۡبُدُونِ
Tsy nohariako ny djiny sy ny olombelona, raha tsy ny hanompoan’izy ireo Ahy.
عربي تفسیرونه:
مَآ أُرِيدُ مِنۡهُم مِّن رِّزۡقٖ وَمَآ أُرِيدُ أَن يُطۡعِمُونِ
Tsy mila foto-pivelomana avy amin’izy ireo Aho, ary tsy tiako ny hampisakafoan’izy ireo Ahy.
عربي تفسیرونه:
إِنَّ ٱللَّهَ هُوَ ٱلرَّزَّاقُ ذُو ٱلۡقُوَّةِ ٱلۡمَتِينُ
Hamafisina, fa Allah no ilay mpanome fahasoavana sesehena, ilay manana ny hery, tsy hay hozongozonina.
عربي تفسیرونه:
فَإِنَّ لِلَّذِينَ ظَلَمُواْ ذَنُوبٗا مِّثۡلَ ذَنُوبِ أَصۡحَٰبِهِمۡ فَلَا يَسۡتَعۡجِلُونِ
Izay nanao ny tsy rariny dia hahazo anjara (sazy) mitovy amin’ny an’ireo namany. Aoka izy ireo tsy ho maika loatra.
عربي تفسیرونه:
فَوَيۡلٞ لِّلَّذِينَ كَفَرُواْ مِن يَوۡمِهِمُ ٱلَّذِي يُوعَدُونَ
Loza ho an’izay tsy mino, noho ilay andro efa nampitandremana azy ireo !
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: ذاریات
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول