Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: جاثیه   آیت:
قُل لِّلَّذِينَ ءَامَنُواْ يَغۡفِرُواْ لِلَّذِينَ لَا يَرۡجُونَ أَيَّامَ ٱللَّهِ لِيَجۡزِيَ قَوۡمَۢا بِمَا كَانُواْ يَكۡسِبُونَ
Lazao ireo mpino, mba hamela ny hadisoan’ireo izay tsy manantena ireo andron’I Allah, ka hamaliany amin’ireo vahoaka araka izay nataony.
عربي تفسیرونه:
مَنۡ عَمِلَ صَٰلِحٗا فَلِنَفۡسِهِۦۖ وَمَنۡ أَسَآءَ فَعَلَيۡهَاۖ ثُمَّ إِلَىٰ رَبِّكُمۡ تُرۡجَعُونَ
Na iza na iza manao ny tsara, dia manao izany ho an’ny tenany ihany, ary na iza na iza manao ny ratsy, dia manao izany ho an’ny tenany ihany koa. Avy eo, dia any amin’ny Tomponareo no hamerenana anareo.
عربي تفسیرونه:
وَلَقَدۡ ءَاتَيۡنَا بَنِيٓ إِسۡرَٰٓءِيلَ ٱلۡكِتَٰبَ وَٱلۡحُكۡمَ وَٱلنُّبُوَّةَ وَرَزَقۡنَٰهُم مِّنَ ٱلطَّيِّبَٰتِ وَفَضَّلۡنَٰهُمۡ عَلَى ٱلۡعَٰلَمِينَ
Nomenay ireo zanak’israely ny Boky, ny fahendrena, ny faminaniana, ary nomenay tamin’ireo anjaram-pahasoavana tsara ihany koa izy ireo, sady nofidinay tamin’ny olombelona rehetra.
عربي تفسیرونه:
وَءَاتَيۡنَٰهُم بَيِّنَٰتٖ مِّنَ ٱلۡأَمۡرِۖ فَمَا ٱخۡتَلَفُوٓاْ إِلَّا مِنۢ بَعۡدِ مَا جَآءَهُمُ ٱلۡعِلۡمُ بَغۡيَۢا بَيۡنَهُمۡۚ إِنَّ رَبَّكَ يَقۡضِي بَيۡنَهُمۡ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ فِيمَا كَانُواْ فِيهِ يَخۡتَلِفُونَ
Ary nomenay porofo mazava izy ireo mikasika ny Didy. Efa tonga tamin’izy ireo ny fahalalana, vao tsy nitovy hevitra izy ireo, noho ny fifandirana teo amin’izy ireo. Hamafisina, fa hitsara azy ireo ny Tomponao, amin’ny andro fitsanganana, tamin’izay tsy nampitovy hevitra azy.
عربي تفسیرونه:
ثُمَّ جَعَلۡنَٰكَ عَلَىٰ شَرِيعَةٖ مِّنَ ٱلۡأَمۡرِ فَٱتَّبِعۡهَا وَلَا تَتَّبِعۡ أَهۡوَآءَ ٱلَّذِينَ لَا يَعۡلَمُونَ
Avy eo, dia napetrakay amin’ny lalana mahitsin’ny didy (finoana) ianao. Koa araho àry izany, fa aza manaraka ny sitrapon’ireo tsy mahafantatra.
عربي تفسیرونه:
إِنَّهُمۡ لَن يُغۡنُواْ عَنكَ مِنَ ٱللَّهِ شَيۡـٔٗاۚ وَإِنَّ ٱلظَّٰلِمِينَ بَعۡضُهُمۡ أَوۡلِيَآءُ بَعۡضٖۖ وَٱللَّهُ وَلِيُّ ٱلۡمُتَّقِينَ
Tsy misy ilanao azy ireo eo anatrehan'I Allah. Ary mpinamana ireo olona samy mpanao ny tsy rariny, fa Allah kosa no Mpiahy ireo vontom-pinoana.
عربي تفسیرونه:
هَٰذَا بَصَٰٓئِرُ لِلنَّاسِ وَهُدٗى وَرَحۡمَةٞ لِّقَوۡمٖ يُوقِنُونَ
Loharanom-pahazavana ho an’ny olombelona izy ity (Koroany), tari-dalana sy famindram-po ho an’ireo olona mino tanteraka.
عربي تفسیرونه:
أَمۡ حَسِبَ ٱلَّذِينَ ٱجۡتَرَحُواْ ٱلسَّيِّـَٔاتِ أَن نَّجۡعَلَهُمۡ كَٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ سَوَآءٗ مَّحۡيَاهُمۡ وَمَمَاتُهُمۡۚ سَآءَ مَا يَحۡكُمُونَ
Mihevitra va ireo mpanao asa ratsy, fa hataonay mitovy amin’izay mino sy manao asa soa izy ireo, amin’ny fahavelomany sy ny fahafatesany? Tena ratsy tokoa ny fitsaran’izy ireo!
عربي تفسیرونه:
وَخَلَقَ ٱللَّهُ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضَ بِٱلۡحَقِّ وَلِتُجۡزَىٰ كُلُّ نَفۡسِۭ بِمَا كَسَبَتۡ وَهُمۡ لَا يُظۡلَمُونَ
Fa tamim-pahamarinana no naharian’I Allah ny lanitra sy ny tany, ka ho valiana araka izay nataony ny olona tsirairay, ary tsy ho voambaka izy ireo.
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: جاثیه
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول