Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: احزاب   آیت:
وَمَا كَانَ لِمُؤۡمِنٖ وَلَا مُؤۡمِنَةٍ إِذَا قَضَى ٱللَّهُ وَرَسُولُهُۥٓ أَمۡرًا أَن يَكُونَ لَهُمُ ٱلۡخِيَرَةُ مِنۡ أَمۡرِهِمۡۗ وَمَن يَعۡصِ ٱللَّهَ وَرَسُولَهُۥ فَقَدۡ ضَلَّ ضَلَٰلٗا مُّبِينٗا
Tsy anjaran’ny mpino lahy na mpino vavy, rehefa misy zavatra voatapak’i Allah sy ny Irany, no hisafidy araka izay fomba tiany amin’ny raharahan’izy ireo. Ary na iza na iza no tsy mankatò an’i Allah sy ny Irany, dia tena very amin’ny fahaverezana miharihary.
عربي تفسیرونه:
وَإِذۡ تَقُولُ لِلَّذِيٓ أَنۡعَمَ ٱللَّهُ عَلَيۡهِ وَأَنۡعَمۡتَ عَلَيۡهِ أَمۡسِكۡ عَلَيۡكَ زَوۡجَكَ وَٱتَّقِ ٱللَّهَ وَتُخۡفِي فِي نَفۡسِكَ مَا ٱللَّهُ مُبۡدِيهِ وَتَخۡشَى ٱلنَّاسَ وَٱللَّهُ أَحَقُّ أَن تَخۡشَىٰهُۖ فَلَمَّا قَضَىٰ زَيۡدٞ مِّنۡهَا وَطَرٗا زَوَّجۡنَٰكَهَا لِكَيۡ لَا يَكُونَ عَلَى ٱلۡمُؤۡمِنِينَ حَرَجٞ فِيٓ أَزۡوَٰجِ أَدۡعِيَآئِهِمۡ إِذَا قَضَوۡاْ مِنۡهُنَّ وَطَرٗاۚ وَكَانَ أَمۡرُ ٱللَّهِ مَفۡعُولٗا
Raha niteny tamin’ilay nofenoin’i Allah fahasoavana ianao sy nofenoinao fahasoavana ihany koa, hoe: “Tazòny ho anao ny vadinao ary matahora an’i Allah ianao”. Ka nafeninao tao aminao izay hasehon’i Allah an-karihary. Ary natahotra ireo olona ianao, nefa Allah no mendrika atahoranao indrindra. Ary raha nitsahatra tsy nifandray taminy intsony (nisara-panambadiana) i Zayd, dia nasainay nalainao ho vady izy, mba tsy hisian’ny sakana ho an’ireo mpino amin’ny fanambadiany ireo vehivavy vadin’ireo zaza natsangany, rehefa nitsahatra tanteraka ny fifandraisana nisy tamin’izy ireo. Fa ny baikon’i Allah dia tsy maintsy tanteraka.
عربي تفسیرونه:
مَّا كَانَ عَلَى ٱلنَّبِيِّ مِنۡ حَرَجٖ فِيمَا فَرَضَ ٱللَّهُ لَهُۥۖ سُنَّةَ ٱللَّهِ فِي ٱلَّذِينَ خَلَوۡاْ مِن قَبۡلُۚ وَكَانَ أَمۡرُ ٱللَّهِ قَدَرٗا مَّقۡدُورًا
Tsy misy fanakianana ny Mpaminany, ny amin’izay nandidian’i Allah azy, izany no sori-dàlan’i Allah tamin’ireo izay niaina teo aloha; fa ny didin’i Allah dia lalàna efa voalahatra.
عربي تفسیرونه:
ٱلَّذِينَ يُبَلِّغُونَ رِسَٰلَٰتِ ٱللَّهِ وَيَخۡشَوۡنَهُۥ وَلَا يَخۡشَوۡنَ أَحَدًا إِلَّا ٱللَّهَۗ وَكَفَىٰ بِٱللَّهِ حَسِيبٗا
Ireo izay mampita ireo hafatr’i Allah, sy matahotra Azy ka tsy matahotra na iza na iza afa-tsy Allah. Ary Allah dia ampy hitsara (ny rehetra).
عربي تفسیرونه:
مَّا كَانَ مُحَمَّدٌ أَبَآ أَحَدٖ مِّن رِّجَالِكُمۡ وَلَٰكِن رَّسُولَ ٱللَّهِ وَخَاتَمَ ٱلنَّبِيِّـۧنَۗ وَكَانَ ٱللَّهُ بِكُلِّ شَيۡءٍ عَلِيمٗا
Mohammad dia tsy mba rain’ny iray amin’ireo lehilahinareo velively, fa Irak’i Allah, ary farany amin’ireo Mpaminany izy. Ary Allah dia Mahafantatra ny zava-drehetra.
عربي تفسیرونه:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ ٱذۡكُرُواْ ٱللَّهَ ذِكۡرٗا كَثِيرٗا
Ô ianareo izay mino! Tsarovinareo Allah amin’ny fahatsiarovana mandrakariva.
عربي تفسیرونه:
وَسَبِّحُوهُ بُكۡرَةٗ وَأَصِيلًا
Deraonareo ny Voninahiny maraina sy hariva.
عربي تفسیرونه:
هُوَ ٱلَّذِي يُصَلِّي عَلَيۡكُمۡ وَمَلَٰٓئِكَتُهُۥ لِيُخۡرِجَكُم مِّنَ ٱلظُّلُمَٰتِ إِلَى ٱلنُّورِۚ وَكَانَ بِٱلۡمُؤۡمِنِينَ رَحِيمٗا
Izy izay mitahy[103]anareo, ary ireo Anjeliny ihany koa[104], mba hamoahany anareo avy amin’ireo aizina ho amin’ny hazavana. Ary Izy dia be Indrafo amin’ireo mpino.
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: احزاب
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول