Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: لقمان   آیت:
أَلَمۡ تَرَ أَنَّ ٱللَّهَ يُولِجُ ٱلَّيۡلَ فِي ٱلنَّهَارِ وَيُولِجُ ٱلنَّهَارَ فِي ٱلَّيۡلِ وَسَخَّرَ ٱلشَّمۡسَ وَٱلۡقَمَرَۖ كُلّٞ يَجۡرِيٓ إِلَىٰٓ أَجَلٖ مُّسَمّٗى وَأَنَّ ٱللَّهَ بِمَا تَعۡمَلُونَ خَبِيرٞ
Moa ve tsy hitanao fa Allah dia mamadika ny alina ho amin’ny andro, ary mamadika ny andro ho amin’ny alina, ary nandrindra ny masoandro sy ny volana Ary i Allah no mahalala tanteraka izay rehetra ataonareo.
عربي تفسیرونه:
ذَٰلِكَ بِأَنَّ ٱللَّهَ هُوَ ٱلۡحَقُّ وَأَنَّ مَا يَدۡعُونَ مِن دُونِهِ ٱلۡبَٰطِلُ وَأَنَّ ٱللَّهَ هُوَ ٱلۡعَلِيُّ ٱلۡكَبِيرُ
Izany dia satria, Allah, Izy Ilay Marina, ary izay angatahan’izy ireo ankoatrany dia ilay diso. Ary Allah tokoa, Ilay Avo tena Avo, Ilay Lehibe indrindra.
عربي تفسیرونه:
أَلَمۡ تَرَ أَنَّ ٱلۡفُلۡكَ تَجۡرِي فِي ٱلۡبَحۡرِ بِنِعۡمَتِ ٱللَّهِ لِيُرِيَكُم مِّنۡ ءَايَٰتِهِۦٓۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَٰتٖ لِّكُلِّ صَبَّارٖ شَكُورٖ
Moa ve tsy hitanao fa ny sambo dia misosa eny an-dranomasina nohon'ny fahasoavan’i Allah, mba hampisehoany aminareo ny sasany amin’ireo famantarany ? Tena marina fa amin’izany dia misy famantarana maro tokoa ho an’izay rehetra be faharetana sy mankasitraka.
عربي تفسیرونه:
وَإِذَا غَشِيَهُم مَّوۡجٞ كَٱلظُّلَلِ دَعَوُاْ ٱللَّهَ مُخۡلِصِينَ لَهُ ٱلدِّينَ فَلَمَّا نَجَّىٰهُمۡ إِلَى ٱلۡبَرِّ فَمِنۡهُم مُّقۡتَصِدٞۚ وَمَا يَجۡحَدُ بِـَٔايَٰتِنَآ إِلَّا كُلُّ خَتَّارٖ كَفُورٖ
Ary rehefa misy onja tahaka ny aloka mandrakotra azy ireo, dia nangataka tamin’i Allah am-panokanana tanteraka ny fivavahana madio ho Azy izy ireo. Koa rehefa navotany izy ireo, ka tody soa aman-tsara teny an-tanety, dia mbola misy amin’izy ireo no tsy feno fankasitrahana. Ary tsy misy mitsipaka ireo famantaranay, afa-tsy izay rehetra be famadihana sy be fikomiana.
عربي تفسیرونه:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلنَّاسُ ٱتَّقُواْ رَبَّكُمۡ وَٱخۡشَوۡاْ يَوۡمٗا لَّا يَجۡزِي وَالِدٌ عَن وَلَدِهِۦ وَلَا مَوۡلُودٌ هُوَ جَازٍ عَن وَالِدِهِۦ شَيۡـًٔاۚ إِنَّ وَعۡدَ ٱللَّهِ حَقّٞۖ فَلَا تَغُرَّنَّكُمُ ٱلۡحَيَوٰةُ ٱلدُّنۡيَا وَلَا يَغُرَّنَّكُم بِٱللَّهِ ٱلۡغَرُورُ
Ô ry olombelona ! Aoka hatahotra ny Tomponareo ianareo, ary matahora ny andro iray izay tsy hamalian’ny ray na inona na inona ho an’ny zanany, na koa ny zanaka tsy hamaly na inona na inona ho an’ny rainy. Ny fampanantenan’i Allah dia marina tokoa. Aoka tsy hamitaka anareo àry ny fiainana eto an-tany, ka tsy hamitaka anareo eo anatrehan’i Allah ilay mpamitaka (satana) !
عربي تفسیرونه:
إِنَّ ٱللَّهَ عِندَهُۥ عِلۡمُ ٱلسَّاعَةِ وَيُنَزِّلُ ٱلۡغَيۡثَ وَيَعۡلَمُ مَا فِي ٱلۡأَرۡحَامِۖ وَمَا تَدۡرِي نَفۡسٞ مَّاذَا تَكۡسِبُ غَدٗاۖ وَمَا تَدۡرِي نَفۡسُۢ بِأَيِّ أَرۡضٖ تَمُوتُۚ إِنَّ ٱللَّهَ عَلِيمٌ خَبِيرُۢ
Marina fa Allah, Izy no manam-pahalalana momba ilay Ora, ary Izy no mampidina ny ranon’orana ary mahalala ihany koa izay ao am-bohoka Izy.Tsy misy mahafantatra izay hanjo azy rahampitso, ary tsy misy mahafantatra aiza ny tany ahafatesany. Marina fa Allah Ilay Mahalala, Ilay Mahafantatra tanteraka ny zava-drehetra.
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: لقمان
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول