Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: عنکبوت   آیت:
فَأَنجَيۡنَٰهُ وَأَصۡحَٰبَ ٱلسَّفِينَةِ وَجَعَلۡنَٰهَآ ءَايَةٗ لِّلۡعَٰلَمِينَ
Avy eo dia navotanay izy sy ireo olon’ny sambofiara, ka nataonay izany ho lesona fampitandremana ho an’izao tontolo izao.
عربي تفسیرونه:
وَإِبۡرَٰهِيمَ إِذۡ قَالَ لِقَوۡمِهِ ٱعۡبُدُواْ ٱللَّهَ وَٱتَّقُوهُۖ ذَٰلِكُمۡ خَيۡرٞ لَّكُمۡ إِن كُنتُمۡ تَعۡلَمُونَ
Ary i Abrahama, raha niteny tamin’ny vahoakany izy hoe : “Tompoinareo Allah ary atahorinareo Izy, izany no tena mendrika ho anareo raha fantatrareo”.
عربي تفسیرونه:
إِنَّمَا تَعۡبُدُونَ مِن دُونِ ٱللَّهِ أَوۡثَٰنٗا وَتَخۡلُقُونَ إِفۡكًاۚ إِنَّ ٱلَّذِينَ تَعۡبُدُونَ مِن دُونِ ٱللَّهِ لَا يَمۡلِكُونَ لَكُمۡ رِزۡقٗا فَٱبۡتَغُواْ عِندَ ٱللَّهِ ٱلرِّزۡقَ وَٱعۡبُدُوهُ وَٱشۡكُرُواْ لَهُۥٓۖ إِلَيۡهِ تُرۡجَعُونَ
Tsy manompo afa-tsy ireo sampy ankoatr’I Allah ianareo, ary mamoron-dainga ianareo. Marina fa ireo izay tompoinareo ankoatr’I Allah dia tsy manana fahefana hanome anareo anjara fivelomana; ka mitadiava ianareo ny anjara fivelomana eo anatrehan’I Allah, ary manompoa Azy sy mankasitraha Azy ianareo. Fa any Aminy no hamerenana anareo.
عربي تفسیرونه:
وَإِن تُكَذِّبُواْ فَقَدۡ كَذَّبَ أُمَمٞ مِّن قَبۡلِكُمۡۖ وَمَا عَلَى ٱلرَّسُولِ إِلَّا ٱلۡبَلَٰغُ ٱلۡمُبِينُ
Ary raha mampandainga (ny mpaminany) ianareo, dia efa nampandainga (ireo mpaminaniny) koa ny vahoaka maro talohanareo. Ary tsy manana adidy ny Iraka afa-tsy ny fampitana mazava.
عربي تفسیرونه:
أَوَلَمۡ يَرَوۡاْ كَيۡفَ يُبۡدِئُ ٱللَّهُ ٱلۡخَلۡقَ ثُمَّ يُعِيدُهُۥٓۚ إِنَّ ذَٰلِكَ عَلَى ٱللَّهِ يَسِيرٞ
Moa ve tsy hitan’izy ireo ahoana no nanombohan’I Allah ny fahariana, avy eo dia mamerina izany indray Izy ? Tena marina fa mora amin’I Allah izany.
عربي تفسیرونه:
قُلۡ سِيرُواْ فِي ٱلۡأَرۡضِ فَٱنظُرُواْ كَيۡفَ بَدَأَ ٱلۡخَلۡقَۚ ثُمَّ ٱللَّهُ يُنشِئُ ٱلنَّشۡأَةَ ٱلۡأٓخِرَةَۚ إِنَّ ٱللَّهَ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٖ قَدِيرٞ
Lazao hoe : “Mandehana mitety ny tany ianareo, ka jereo, ahoana no nanombohan’I Allah ny fahariana. Avy eo, ny fomba naharian’I Allah ny taranaka farany. Marina fa Allah dia Mahefa ny zava-drehetra”.
عربي تفسیرونه:
يُعَذِّبُ مَن يَشَآءُ وَيَرۡحَمُ مَن يَشَآءُۖ وَإِلَيۡهِ تُقۡلَبُونَ
Manafay izay sitrany izy, ary mamindra-fo amin’izay sitrany, ary any Aminy no hamerenana anareo.
عربي تفسیرونه:
وَمَآ أَنتُم بِمُعۡجِزِينَ فِي ٱلۡأَرۡضِ وَلَا فِي ٱلسَّمَآءِۖ وَمَا لَكُم مِّن دُونِ ٱللَّهِ مِن وَلِيّٖ وَلَا نَصِيرٖ
Ary tsy afaka hanohitra ny heriny ianareo, na eto an-tany na any an-danitra, ary ianareo dia tsy hanana ankoatr’I Allah, na mpiahy na mpanavotra.
عربي تفسیرونه:
وَٱلَّذِينَ كَفَرُواْ بِـَٔايَٰتِ ٱللَّهِ وَلِقَآئِهِۦٓ أُوْلَٰٓئِكَ يَئِسُواْ مِن رَّحۡمَتِي وَأُوْلَٰٓئِكَ لَهُمۡ عَذَابٌ أَلِيمٞ
Ary ireo izay tsy mino ireo fanambaran’I Allah sy ny fihaonana Aminy, izy ireny no diso fanantenana amin’ny famindram-poko. Ary izy ireny dia ahazo ny famaizana mamirifiry.
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: عنکبوت
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول