Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: بقره   آیت:
۞ لَّيۡسَ ٱلۡبِرَّ أَن تُوَلُّواْ وُجُوهَكُمۡ قِبَلَ ٱلۡمَشۡرِقِ وَٱلۡمَغۡرِبِ وَلَٰكِنَّ ٱلۡبِرَّ مَنۡ ءَامَنَ بِٱللَّهِ وَٱلۡيَوۡمِ ٱلۡأٓخِرِ وَٱلۡمَلَٰٓئِكَةِ وَٱلۡكِتَٰبِ وَٱلنَّبِيِّـۧنَ وَءَاتَى ٱلۡمَالَ عَلَىٰ حُبِّهِۦ ذَوِي ٱلۡقُرۡبَىٰ وَٱلۡيَتَٰمَىٰ وَٱلۡمَسَٰكِينَ وَٱبۡنَ ٱلسَّبِيلِ وَٱلسَّآئِلِينَ وَفِي ٱلرِّقَابِ وَأَقَامَ ٱلصَّلَوٰةَ وَءَاتَى ٱلزَّكَوٰةَ وَٱلۡمُوفُونَ بِعَهۡدِهِمۡ إِذَا عَٰهَدُواْۖ وَٱلصَّٰبِرِينَ فِي ٱلۡبَأۡسَآءِ وَٱلضَّرَّآءِ وَحِينَ ٱلۡبَأۡسِۗ أُوْلَٰٓئِكَ ٱلَّذِينَ صَدَقُواْۖ وَأُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡمُتَّقُونَ
Tsy midika ny fitodihan’ny tavanareo any atsinanana sy any andrefana akory ny hatsarana. Fa ny tena hatsarana, dia eo amin’izay mino an’Allah, ny andro farany, ireo Anjely, ny boky masina, ireo Mpaminany, sy izay nahafoy ny fananany noho ny fitiavany an’Allah, ho an’ireo akaiky azy, ireo kamboty, ireo mahantra, ireo mpandeha lavitra lany vatsy, ireo mpangataka, sy ho an’ny famotsorana andevo, ary ny fanatanterahana ny vavaka fanompoana (soalat) sy fanomezana ny harena fiantrana (zakat), ary ny fanatontosana izay nampanantenainy raha nampanantena izy ireo, ireo manam-paharetana manoloana ny sarotra sy ny voina, ary rehefa tra-pahasarotana. Izy ireny no tena olomarina, ary izy ireny ihany koa no tena vontom-pinoana.
عربي تفسیرونه:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ كُتِبَ عَلَيۡكُمُ ٱلۡقِصَاصُ فِي ٱلۡقَتۡلَىۖ ٱلۡحُرُّ بِٱلۡحُرِّ وَٱلۡعَبۡدُ بِٱلۡعَبۡدِ وَٱلۡأُنثَىٰ بِٱلۡأُنثَىٰۚ فَمَنۡ عُفِيَ لَهُۥ مِنۡ أَخِيهِ شَيۡءٞ فَٱتِّبَاعُۢ بِٱلۡمَعۡرُوفِ وَأَدَآءٌ إِلَيۡهِ بِإِحۡسَٰنٖۗ ذَٰلِكَ تَخۡفِيفٞ مِّن رَّبِّكُمۡ وَرَحۡمَةٞۗ فَمَنِ ٱعۡتَدَىٰ بَعۡدَ ذَٰلِكَ فَلَهُۥ عَذَابٌ أَلِيمٞ
O ianareo mpino! Voasoratra sy voadidy ho anareo ny valin-keloka momba ny vono olona, ny olon’afaka ho an’ny olon’afaka, ny andevo ho an’ny andevo, ny vehivavy ho an’ny vehivavy. Fa izay nahazo famelana avy tamin’ny rahalahiny, dia tokony hanonitra izany fahasoavana izany, ary manatanteraka izany amim-pahatsarana. Izany, dia fanalefahana sy famindrampo avy amin’ny Tomponareo. Fa izay mbola mitsangam-pahavalo aorian’izany kosa, dia miandry azy ny famaizana feno fanaintainana.
عربي تفسیرونه:
وَلَكُمۡ فِي ٱلۡقِصَاصِ حَيَوٰةٞ يَٰٓأُوْلِي ٱلۡأَلۡبَٰبِ لَعَلَّكُمۡ تَتَّقُونَ
Ary amin’ny valin-keloka dia misy fitandrovana ny aina, ry matsilo saina! Izany dia ny hahatonga anareo ho vontom-pinoana.
عربي تفسیرونه:
كُتِبَ عَلَيۡكُمۡ إِذَا حَضَرَ أَحَدَكُمُ ٱلۡمَوۡتُ إِن تَرَكَ خَيۡرًا ٱلۡوَصِيَّةُ لِلۡوَٰلِدَيۡنِ وَٱلۡأَقۡرَبِينَ بِٱلۡمَعۡرُوفِۖ حَقًّا عَلَى ٱلۡمُتَّقِينَ
Voadidy ianareo, rehefa tojon’ny fahafatesana ny iray aminareo ka namela harena izy, amin’ny fanaovana didim-pananana ho an’ny ray aman-dreny sy ireo havana akaiky, araka izay tokony ho izy. Adidy ho an’ireo manam-pahatahorana izany.
عربي تفسیرونه:
فَمَنۢ بَدَّلَهُۥ بَعۡدَ مَا سَمِعَهُۥ فَإِنَّمَآ إِثۡمُهُۥ عَلَى ٱلَّذِينَ يُبَدِّلُونَهُۥٓۚ إِنَّ ٱللَّهَ سَمِيعٌ عَلِيمٞ
Fa izay mamadika izany aorian’ny nandrenesany azy, dia tsy ho an’iza ny fahotana aterak’izany, raha tsy ho an’izay namadika azy. Eny! Allaha no Mandre sy Mahalala ny zavatra rehetra.
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: بقره
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول