Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: اسراء   آیت:
وَمَن يَهۡدِ ٱللَّهُ فَهُوَ ٱلۡمُهۡتَدِۖ وَمَن يُضۡلِلۡ فَلَن تَجِدَ لَهُمۡ أَوۡلِيَآءَ مِن دُونِهِۦۖ وَنَحۡشُرُهُمۡ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ عَلَىٰ وُجُوهِهِمۡ عُمۡيٗا وَبُكۡمٗا وَصُمّٗاۖ مَّأۡوَىٰهُمۡ جَهَنَّمُۖ كُلَّمَا خَبَتۡ زِدۡنَٰهُمۡ سَعِيرٗا
Ary izay tarihin’I Allah lalana, dia izy no voatari-dalana tsara. Fa izay vereziny kosa, dia tsy hahita mpiahy ho azy ireo ianao ankoatr'Azy (Allah). Ary havorinay izy ireo amin’ny Andro Fitsanganana no sady ho tarihina amin’ny tavany izy ireo, ho jamba, ho moana, ho marenina. Ary ny afobe no hialofan’izy ireo, ka isaky ny mihena ny afo dia haredaredanay mivaivay ho azy ireo ny lelan’afo.
عربي تفسیرونه:
ذَٰلِكَ جَزَآؤُهُم بِأَنَّهُمۡ كَفَرُواْ بِـَٔايَٰتِنَا وَقَالُوٓاْ أَءِذَا كُنَّا عِظَٰمٗا وَرُفَٰتًا أَءِنَّا لَمَبۡعُوثُونَ خَلۡقٗا جَدِيدًا
Toy izany no ho sazin’izy ireo, nohon'ny tsy finoan’izy ireo ny fanambarana avy aty Aminay, ary miteny koa izy ireo manao hoe : “Raha lasa taolana sy vovoka izahay, moa ve hatsangana amin’ny fahariana vaovao indray ?”
عربي تفسیرونه:
۞ أَوَلَمۡ يَرَوۡاْ أَنَّ ٱللَّهَ ٱلَّذِي خَلَقَ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضَ قَادِرٌ عَلَىٰٓ أَن يَخۡلُقَ مِثۡلَهُمۡ وَجَعَلَ لَهُمۡ أَجَلٗا لَّا رَيۡبَ فِيهِ فَأَبَى ٱلظَّٰلِمُونَ إِلَّا كُفُورٗا
Tsy hitan’izy ireo ve, fa Allah izay Nahary ireo lanitra sy ny tany dia afaka hamorona ny mitovy amin’izy ireo ?Ary nametraka fe-potoana ho azy ireo Izy, izay tsy hisalasalana ny amin’izany, nefa mandà ireo mpanao ny tsy rariny, afa-tsy ny tsy finoana.
عربي تفسیرونه:
قُل لَّوۡ أَنتُمۡ تَمۡلِكُونَ خَزَآئِنَ رَحۡمَةِ رَبِّيٓ إِذٗا لَّأَمۡسَكۡتُمۡ خَشۡيَةَ ٱلۡإِنفَاقِۚ وَكَانَ ٱلۡإِنسَٰنُ قَتُورٗا
Teneno hoe : “Raha ianareo no nanana ny haren’ny famindram-pon’I Tompoko, dia ho nofihininareo mafy tokoa, nohon'ny tahotra amin’ny fandaniana. Ary ny olombelona dia tena mahihitra.”
عربي تفسیرونه:
وَلَقَدۡ ءَاتَيۡنَا مُوسَىٰ تِسۡعَ ءَايَٰتِۭ بَيِّنَٰتٖۖ فَسۡـَٔلۡ بَنِيٓ إِسۡرَٰٓءِيلَ إِذۡ جَآءَهُمۡ فَقَالَ لَهُۥ فِرۡعَوۡنُ إِنِّي لَأَظُنُّكَ يَٰمُوسَىٰ مَسۡحُورٗا
Ary efa nomenay an’i Mosesy tokoa ny fahagagana sivy miharihary, koa anontanio àry ireo zanak’Israely nony tonga tamin’izy ireo izy ! Ka niteny taminy i Faraona nanao hoe : “Ry Mosesy ! Tena mihevitra aho, fa voan’ny famosaviana ianao”.
عربي تفسیرونه:
قَالَ لَقَدۡ عَلِمۡتَ مَآ أَنزَلَ هَٰٓؤُلَآءِ إِلَّا رَبُّ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ بَصَآئِرَ وَإِنِّي لَأَظُنُّكَ يَٰفِرۡعَوۡنُ مَثۡبُورٗا
Niteny izy (Mosa) : “Efa fantatrao tsara, fa tsy nisy nampidina ireny (fahagagana) ireny afa-tsy ny Tompon’ireo lanitra sy ny tany ihany, mba ho porofo miharihary, ary tena mihevitra tokoa aho fa very ianao ry Faraona !”
عربي تفسیرونه:
فَأَرَادَ أَن يَسۡتَفِزَّهُم مِّنَ ٱلۡأَرۡضِ فَأَغۡرَقۡنَٰهُ وَمَن مَّعَهُۥ جَمِيعٗا
Notadiavin’i Faraona ho roahina hiala tamin’ny tany izy ireo. Ka dia narendrikay (ho maty an-drano) izy sy izay rehetra niaraka taminy.
عربي تفسیرونه:
وَقُلۡنَا مِنۢ بَعۡدِهِۦ لِبَنِيٓ إِسۡرَٰٓءِيلَ ٱسۡكُنُواْ ٱلۡأَرۡضَ فَإِذَا جَآءَ وَعۡدُ ٱلۡأٓخِرَةِ جِئۡنَا بِكُمۡ لَفِيفٗا
Ary niteny Izahay, taorian’izany, tamin’ireo zanak’Israely nanao hoe : “Honenanareo ny tany !”. Ary raha tonga ny fampanantenana ny (fiainana) any ankoatra, dia hataonay tonga maro ianareo.
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: اسراء
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول