Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: نحل   آیت:
وَمَآ أَرۡسَلۡنَا مِن قَبۡلِكَ إِلَّا رِجَالٗا نُّوحِيٓ إِلَيۡهِمۡۖ فَسۡـَٔلُوٓاْ أَهۡلَ ٱلذِّكۡرِ إِن كُنتُمۡ لَا تَعۡلَمُونَ
Ary tsy nandefa Iraka teo alohanao Izahay raha tsy Olombelona, izay nandefasanay ny fanambarana. Koa anontanio ireo manam-pahalalana, raha toa ka tsy mahafantatra Ianareo.
عربي تفسیرونه:
بِٱلۡبَيِّنَٰتِ وَٱلزُّبُرِۗ وَأَنزَلۡنَآ إِلَيۡكَ ٱلذِّكۡرَ لِتُبَيِّنَ لِلنَّاسِ مَا نُزِّلَ إِلَيۡهِمۡ وَلَعَلَّهُمۡ يَتَفَكَّرُونَ
(Nalefanay izy ireo) niaraka tamin’ny porofo mazava sy ireo Boky masina. Ary Izahay dia nampidina Taminao ny fampahatsiahivana (Koroany), mba hanazavanao amin’ireo Olona izay nampidinana izany Taminy. Ary angamba handinika izy ireo.
عربي تفسیرونه:
أَفَأَمِنَ ٱلَّذِينَ مَكَرُواْ ٱلسَّيِّـَٔاتِ أَن يَخۡسِفَ ٱللَّهُ بِهِمُ ٱلۡأَرۡضَ أَوۡ يَأۡتِيَهُمُ ٱلۡعَذَابُ مِنۡ حَيۡثُ لَا يَشۡعُرُونَ
Moa ve voaharo ireo izay nanao ny teti-dratsy, ka ho afaka hiala amin’ny fandetehan’i Allah azy ireo any anaty tany,na koa tsy hianjady amin’izy ireo ve ny famaizana, izay tsy ampoizin’izy ireo akory ny fahatongavany ?
عربي تفسیرونه:
أَوۡ يَأۡخُذَهُمۡ فِي تَقَلُّبِهِمۡ فَمَا هُم بِمُعۡجِزِينَ
Na ho tratran’izany izy ireo eo am-perin’asa, ka tsy afaka handositra akory (amin’ny sazin’i Allah).
عربي تفسیرونه:
أَوۡ يَأۡخُذَهُمۡ عَلَىٰ تَخَوُّفٖ فَإِنَّ رَبَّكُمۡ لَرَءُوفٞ رَّحِيمٌ
Na koa ho tratran’izany izy ireo ao anaty tahotra ? Saingy tena be Fangorahana sy be Indrafò tokoa ny Tomponareo.
عربي تفسیرونه:
أَوَلَمۡ يَرَوۡاْ إِلَىٰ مَا خَلَقَ ٱللَّهُ مِن شَيۡءٖ يَتَفَيَّؤُاْ ظِلَٰلُهُۥ عَنِ ٱلۡيَمِينِ وَٱلشَّمَآئِلِ سُجَّدٗا لِّلَّهِ وَهُمۡ دَٰخِرُونَ
Tsy hitan’izy ireo ve izay zavatra noharian’i Allah, fa ny alok’izy ireny dia mirona miankavanana sy miankavia, amim-piankohofana eo anatrehan’i Allah, amim-panetre-tena ?
عربي تفسیرونه:
وَلِلَّهِۤ يَسۡجُدُۤ مَا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَمَا فِي ٱلۡأَرۡضِ مِن دَآبَّةٖ وَٱلۡمَلَٰٓئِكَةُ وَهُمۡ لَا يَسۡتَكۡبِرُونَ
Ary eo anatrehan’i Allah no miankohoka izay rehetra eny amin’ireo lanitra sy ny ety an-tany,amin’ireo zava-manan’aina, ary koa ireo Anjely, ka tsy manambony tena izy ireo.
عربي تفسیرونه:
يَخَافُونَ رَبَّهُم مِّن فَوۡقِهِمۡ وَيَفۡعَلُونَ مَا يُؤۡمَرُونَ۩
Matahotra ny Tompony izy ireo, izay ambonin’izy ireo, ary manao izay andidiana azy (izy ireo).
عربي تفسیرونه:
۞ وَقَالَ ٱللَّهُ لَا تَتَّخِذُوٓاْ إِلَٰهَيۡنِ ٱثۡنَيۡنِۖ إِنَّمَا هُوَ إِلَٰهٞ وَٰحِدٞ فَإِيَّٰيَ فَٱرۡهَبُونِ
Ary niteny i Allah KA nanao hoe : “ Aza manao zanahary Roa Ianareo. Tena marina fa Izy dia Zanahary Tokana, ary Izaho no atahory ”.
عربي تفسیرونه:
وَلَهُۥ مَا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ وَلَهُ ٱلدِّينُ وَاصِبًاۚ أَفَغَيۡرَ ٱللَّهِ تَتَّقُونَ
Ary Azy izay rehetra any amin’ireo lanitra sy ny ety an-tany, ary ho Azy ny fankatoavana mandrakizay. Moa hatahotra ankoatr’i Allah ve Ianareo ?
عربي تفسیرونه:
وَمَا بِكُم مِّن نِّعۡمَةٖ فَمِنَ ٱللَّهِۖ ثُمَّ إِذَا مَسَّكُمُ ٱلضُّرُّ فَإِلَيۡهِ تَجۡـَٔرُونَ
Ary izay zava-tsoa rehetra Anananareo dia avy amin’i Allah, ary rehefa tra-pahoriana Ianareo dia Izy no hitalahoanareo amin’ny feo avo.
عربي تفسیرونه:
ثُمَّ إِذَا كَشَفَ ٱلضُّرَّ عَنكُمۡ إِذَا فَرِيقٞ مِّنكُم بِرَبِّهِمۡ يُشۡرِكُونَ
Avy eo, rehefa nesoriny teo Aminareo ny fahoriana, dia indro misy andiany avy Aminareo, mampikambana ny Tompon’izy ireo amin’ny hafa.
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: نحل
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول