Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: حجر   آیت:
وَلَقَدۡ جَعَلۡنَا فِي ٱلسَّمَآءِ بُرُوجٗا وَزَيَّنَّٰهَا لِلنَّٰظِرِينَ
Marina fa nametraka ireo kintana maro eny an-danitra Izahay ary nohatsaraina izy (ny lanitra) ho an’ireo izay mijery azy.
عربي تفسیرونه:
وَحَفِظۡنَٰهَا مِن كُلِّ شَيۡطَٰنٖ رَّجِيمٍ
Ary narovanay Izy (ny lanitra) tamin’i Satana tsirairay izay voahozona.
عربي تفسیرونه:
إِلَّا مَنِ ٱسۡتَرَقَ ٱلسَّمۡعَ فَأَتۡبَعَهُۥ شِهَابٞ مُّبِينٞ
Raha tsy mihaino antsokosoko ny anakiray amin’izy ireo, dia lela afo mamirapiratra no manenjika Azy.
عربي تفسیرونه:
وَٱلۡأَرۡضَ مَدَدۡنَٰهَا وَأَلۡقَيۡنَا فِيهَا رَوَٰسِيَ وَأَنۢبَتۡنَا فِيهَا مِن كُلِّ شَيۡءٖ مَّوۡزُونٖ
Fa ny tany kosa, dia novelarinay ka nametrahanay ireo tendrombohitra eo Aminy, ary nampitsirianay ao aminy ny zavatra tsirairay, mirindra no sady mifandanja tsara.
عربي تفسیرونه:
وَجَعَلۡنَا لَكُمۡ فِيهَا مَعَٰيِشَ وَمَن لَّسۡتُمۡ لَهُۥ بِرَٰزِقِينَ
Ary napetrakay ao Aminy ireo zavatra hivelomanareo, sy ireo (zava-manan’aina) izay tsy novelominareo akory.
عربي تفسیرونه:
وَإِن مِّن شَيۡءٍ إِلَّا عِندَنَا خَزَآئِنُهُۥ وَمَا نُنَزِّلُهُۥٓ إِلَّا بِقَدَرٖ مَّعۡلُومٖ
Ary tsy misy zavatra na dia iray aza tsy anananay tahiry; ary tsy mampidina izany Izahay raha tsy amin’ny fatra voafetra.
عربي تفسیرونه:
وَأَرۡسَلۡنَا ٱلرِّيَٰحَ لَوَٰقِحَ فَأَنزَلۡنَا مِنَ ٱلسَّمَآءِ مَآءٗ فَأَسۡقَيۡنَٰكُمُوهُ وَمَآ أَنتُمۡ لَهُۥ بِخَٰزِنِينَ
Ary Nalefanay ny rivotra ho mpamokatra, ary Nampidininay avy eny an-danitra ny rano izay hampisotroinay Anareo, nefa tsy afaka hitahiry izany Ianareo.
عربي تفسیرونه:
وَإِنَّا لَنَحۡنُ نُحۡيِۦ وَنُمِيتُ وَنَحۡنُ ٱلۡوَٰرِثُونَ
Ary marina fa tena manome ny fiainana sy ny fahafatesana Izahay, ary Izahay ihany koa no Mpandova (ny zava-drehetra).
عربي تفسیرونه:
وَلَقَدۡ عَلِمۡنَا ٱلۡمُسۡتَقۡدِمِينَ مِنكُمۡ وَلَقَدۡ عَلِمۡنَا ٱلۡمُسۡتَـٔۡخِرِينَ
Marina fa fantatray tokoa ireo izay efa lasa teo aloha Taminareo, ary efa fantatray koa Ireo izay mbola any aoriana.
عربي تفسیرونه:
وَإِنَّ رَبَّكَ هُوَ يَحۡشُرُهُمۡۚ إِنَّهُۥ حَكِيمٌ عَلِيمٞ
Ary marina tokoa fa ny Tomponao no hamory azy ireo. Marina fa Izy dia be Fahendrena sy mahafantatra ny zava-drehetra.
عربي تفسیرونه:
وَلَقَدۡ خَلَقۡنَا ٱلۡإِنسَٰنَ مِن صَلۡصَٰلٖ مِّنۡ حَمَإٖ مَّسۡنُونٖ
Ary tena nahary ny Olombelona avy amin’ny tany maina sy ny fotaka malemy Izahay.
عربي تفسیرونه:
وَٱلۡجَآنَّ خَلَقۡنَٰهُ مِن قَبۡلُ مِن نَّارِ ٱلسَّمُومِ
Fa ny Djiny kosa dia noharianay taloha avy amin’ny Afo mafana mamaivay.
عربي تفسیرونه:
وَإِذۡ قَالَ رَبُّكَ لِلۡمَلَٰٓئِكَةِ إِنِّي خَٰلِقُۢ بَشَرٗا مِّن صَلۡصَٰلٖ مِّنۡ حَمَإٖ مَّسۡنُونٖ
Ary raha niteny tamin’ireo Anjely ny Tomponao ka nanao hoe : “ Izaho dia hamorona Olona avy amin’ny tany maina alaina avy amin’ny fotaka malemy.
عربي تفسیرونه:
فَإِذَا سَوَّيۡتُهُۥ وَنَفَخۡتُ فِيهِ مِن رُّوحِي فَقَعُواْ لَهُۥ سَٰجِدِينَ
Ary raha vao vitako amin’ny fomba mirindra tsara dia notsofiko Taminy ny fofon’aina avy Amiko, dia miantoraha ka miankohofa eo Aminy Ianareo.
عربي تفسیرونه:
فَسَجَدَ ٱلۡمَلَٰٓئِكَةُ كُلُّهُمۡ أَجۡمَعُونَ
Ary dia niara-niankohoka daholo ireo Anjely rehetra.
عربي تفسیرونه:
إِلَّآ إِبۡلِيسَ أَبَىٰٓ أَن يَكُونَ مَعَ ٱلسَّٰجِدِينَ
Afa-tsy i Iblisy (Satana), nandà tsy ho anisan’ireo mpiankohoka Izy.
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: حجر
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول