Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: ابراهیم   آیت:

Ibrahim

الٓرۚ كِتَٰبٌ أَنزَلۡنَٰهُ إِلَيۡكَ لِتُخۡرِجَ ٱلنَّاسَ مِنَ ٱلظُّلُمَٰتِ إِلَى ٱلنُّورِ بِإِذۡنِ رَبِّهِمۡ إِلَىٰ صِرَٰطِ ٱلۡعَزِيزِ ٱلۡحَمِيدِ
ALIF, LAM, RA. Ity ilay Boky izay nampidininay Aminao mba hamoahanao ireo Olona ao anaty haizina hankany amin’ny hazavana, amin’ny alàlan’ny Tompon’izy ireo, ho amin’ny làlan’ilay Mahery, ilay Mendri-piderana.
عربي تفسیرونه:
ٱللَّهِ ٱلَّذِي لَهُۥ مَا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَمَا فِي ٱلۡأَرۡضِۗ وَوَيۡلٞ لِّلۡكَٰفِرِينَ مِنۡ عَذَابٖ شَدِيدٍ
Allah, izay Azy ny zavatra rehetra, any andanitra sy ety ambonin’ny tany. Ary loza ho an’ireo tsy mpino, amin’ny famaizana mafy (izay ho azon’izy ireo).
عربي تفسیرونه:
ٱلَّذِينَ يَسۡتَحِبُّونَ ٱلۡحَيَوٰةَ ٱلدُّنۡيَا عَلَى ٱلۡأٓخِرَةِ وَيَصُدُّونَ عَن سَبِيلِ ٱللَّهِ وَيَبۡغُونَهَا عِوَجًاۚ أُوْلَٰٓئِكَ فِي ضَلَٰلِۭ بَعِيدٖ
Ireo izay tia ny fiainana eto an-tany nohon'ny fiainana any an-koatra, misakana ny làlan’i Allah sy mitady hampiolaka izany : Izy ireny dia ho very tanteraka tokoa.
عربي تفسیرونه:
وَمَآ أَرۡسَلۡنَا مِن رَّسُولٍ إِلَّا بِلِسَانِ قَوۡمِهِۦ لِيُبَيِّنَ لَهُمۡۖ فَيُضِلُّ ٱللَّهُ مَن يَشَآءُ وَيَهۡدِي مَن يَشَآءُۚ وَهُوَ ٱلۡعَزِيزُ ٱلۡحَكِيمُ
Ary tsy nandefa Iraka Izahay raha tsy tamin’ny fitenin’ny vahoakany, mba hanazava amin’izy Ireo. Mamery izay sitrany i Allah;ary mitari-dàlana ihany koa izay sitrany, Izy ilay Mahery, ilay be Fahendrena.
عربي تفسیرونه:
وَلَقَدۡ أَرۡسَلۡنَا مُوسَىٰ بِـَٔايَٰتِنَآ أَنۡ أَخۡرِجۡ قَوۡمَكَ مِنَ ٱلظُّلُمَٰتِ إِلَى ٱلنُّورِ وَذَكِّرۡهُم بِأَيَّىٰمِ ٱللَّهِۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَٰتٖ لِّكُلِّ صَبَّارٖ شَكُورٖ
Tena marina fa, nandefa an’i Mosa (A,s) (Mosesy) Izahay niaraka tamin’ny fahagagana avy Aminay (sady niteny taminy hoe) : ” Avoahy ao amin’ny haizina ny vahoakanao ho any amin’ny fahazavana ary ampahatsiahivo azy Ireo ny andron’i Allah ” (Ireo fahasoavany) ”. Tena marina fa amin’izany rehetra izany, dia misy Famantarana ho an’izay be faharetana sy feno fankasitrahana.
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: ابراهیم
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول