Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: هود   آیت:
يَقۡدُمُ قَوۡمَهُۥ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ فَأَوۡرَدَهُمُ ٱلنَّارَۖ وَبِئۡسَ ٱلۡوِرۡدُ ٱلۡمَوۡرُودُ
Hialoha ny vahoakany Izy amin’ny Andro farany, Andro ny fitsanganana. Ho entiny hiditra ao amin’ny Afobe izy ireo. Ary tena ratsy tokoa izany fidirana izany !
عربي تفسیرونه:
وَأُتۡبِعُواْ فِي هَٰذِهِۦ لَعۡنَةٗ وَيَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِۚ بِئۡسَ ٱلرِّفۡدُ ٱلۡمَرۡفُودُ
Ary arahana ozona eto an-tany izy ireo sy amin’ny Andro farany Andro ny fitsanganana. Ary tena ratsy tokoa izany fanomezana izany.
عربي تفسیرونه:
ذَٰلِكَ مِنۡ أَنۢبَآءِ ٱلۡقُرَىٰ نَقُصُّهُۥ عَلَيۡكَۖ مِنۡهَا قَآئِمٞ وَحَصِيدٞ
Izany dia anisan’ny vaovaon’ireo tanàna, izay tantarainay aminao ny momba azy ireo. Ny sasany amin’izy ireo dia mbola mitsangana, fa ireo sasany kosa dia efa rava.
عربي تفسیرونه:
وَمَا ظَلَمۡنَٰهُمۡ وَلَٰكِن ظَلَمُوٓاْ أَنفُسَهُمۡۖ فَمَآ أَغۡنَتۡ عَنۡهُمۡ ءَالِهَتُهُمُ ٱلَّتِي يَدۡعُونَ مِن دُونِ ٱللَّهِ مِن شَيۡءٖ لَّمَّا جَآءَ أَمۡرُ رَبِّكَۖ وَمَا زَادُوهُمۡ غَيۡرَ تَتۡبِيبٖ
Ary tsy nanao ny tsy rariny tamin’izy ireo Izahay fa izy ireo ihany no nanao ny tsy rariny tamin’ny tenany. Ny sampin’izy ireo izay nitalahoany ankoatr’i Allah dia tsy nahavita na inona na inona tamin’izy ireo na dia kely aza. Rehefa tonga ny baikon’ny Tomponao (famaizana) dia tsy nanao afa-tsy izay nampitombo ny faty antoka ho azy ireo ihany.
عربي تفسیرونه:
وَكَذَٰلِكَ أَخۡذُ رَبِّكَ إِذَآ أَخَذَ ٱلۡقُرَىٰ وَهِيَ ظَٰلِمَةٌۚ إِنَّ أَخۡذَهُۥٓ أَلِيمٞ شَدِيدٌ
Tahaka izany ny hamafin’ny sazin’ny Tomponao raha mikapoka ireo tanàna mpanao ny tsy rariny Izy. Ny saziny dia tena mamirifiry sy henjana tokoa.
عربي تفسیرونه:
إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَةٗ لِّمَنۡ خَافَ عَذَابَ ٱلۡأٓخِرَةِۚ ذَٰلِكَ يَوۡمٞ مَّجۡمُوعٞ لَّهُ ٱلنَّاسُ وَذَٰلِكَ يَوۡمٞ مَّشۡهُودٞ
Tena marina fa izany dia famantarana ho an’izay matahotra ny famaizana any an-koatra. Izany no Andro hamoriana ireo olona, ary andro manetriketrika hijoroan’ny rehetra ho vavolombelona.
عربي تفسیرونه:
وَمَا نُؤَخِّرُهُۥٓ إِلَّا لِأَجَلٖ مَّعۡدُودٖ
Ary Izahay dia tsy hanemotra izany raha tsy amin’ny fotoana tena voafetra.
عربي تفسیرونه:
يَوۡمَ يَأۡتِ لَا تَكَلَّمُ نَفۡسٌ إِلَّا بِإِذۡنِهِۦۚ فَمِنۡهُمۡ شَقِيّٞ وَسَعِيدٞ
Ary amin’ny Andro ahatongavan’izany dia tsy misy na dia iray aza afaka hiteny raha tsy amin’ny alalany (Allah), ka hisy amin’izy ireo no ho ory, sy ho sambatra.
عربي تفسیرونه:
فَأَمَّا ٱلَّذِينَ شَقُواْ فَفِي ٱلنَّارِ لَهُمۡ فِيهَا زَفِيرٞ وَشَهِيقٌ
Ka ireo izay ory dia ho ao amin’ny afobe, hisento sy hidradradradra an-dranomaso ao izy ireo.
عربي تفسیرونه:
خَٰلِدِينَ فِيهَا مَا دَامَتِ ٱلسَّمَٰوَٰتُ وَٱلۡأَرۡضُ إِلَّا مَا شَآءَ رَبُّكَۚ إِنَّ رَبَّكَ فَعَّالٞ لِّمَا يُرِيدُ
Ka hipetraka ao mandrakizay izy ireo, raha mbola maharitra ihany koa ireo lanitra sy ny tany, raha tsy manana fanapahan-kevitra hafa ny Tomponao. Tena marina fa ny Tomponao dia manantanteraka izay Tiany Atao.
عربي تفسیرونه:
۞ وَأَمَّا ٱلَّذِينَ سُعِدُواْ فَفِي ٱلۡجَنَّةِ خَٰلِدِينَ فِيهَا مَا دَامَتِ ٱلسَّمَٰوَٰتُ وَٱلۡأَرۡضُ إِلَّا مَا شَآءَ رَبُّكَۖ عَطَآءً غَيۡرَ مَجۡذُوذٖ
Fa ireo izay sambatra kosa dia ho ao amin’ny paradisa, ka hipetraka ao mandrakizay izy ireo, raha mbola maharitra koa ireo lanitra sy ny tany, raha tsy manana fanapahan-kevitra hafa ny Tomponao. Izany no fanomezana tsy manam-pahataperana.
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: هود
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول