Check out the new design

വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ * - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക


പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: അഅ്റാഫ്   ആയത്ത്:
قَالُوٓاْ ءَامَنَّا بِرَبِّ ٱلۡعَٰلَمِينَ
Niteny izy ireo nanao hoe : “Mino an’ny Tompon’izao Tontolo izao izahay".
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
رَبِّ مُوسَىٰ وَهَٰرُونَ
Tompon’i Mosesy sy Harona .
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قَالَ فِرۡعَوۡنُ ءَامَنتُم بِهِۦ قَبۡلَ أَنۡ ءَاذَنَ لَكُمۡۖ إِنَّ هَٰذَا لَمَكۡرٞ مَّكَرۡتُمُوهُ فِي ٱلۡمَدِينَةِ لِتُخۡرِجُواْ مِنۡهَآ أَهۡلَهَاۖ فَسَوۡفَ تَعۡلَمُونَ
Niteny i Faraona nanao hoe : “Mino Azy ve ianareo alohan’ny hanomezako alàlana anareo ? Marina fa izany dia tena tetika efa nomaninareo tany amin’ny tanàna mba hamoahanareo ny mponina ao aminy, ka ho fantatrareo tsara izany.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
لَأُقَطِّعَنَّ أَيۡدِيَكُمۡ وَأَرۡجُلَكُم مِّنۡ خِلَٰفٖ ثُمَّ لَأُصَلِّبَنَّكُمۡ أَجۡمَعِينَ
Tena ho tapahako ny tananareo sy ny tongotrareo mifanohitra amin’ny andaniny, avy eo tena ho fantsihiko tokoa amin’ny hazo ianareo rehetra.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قَالُوٓاْ إِنَّآ إِلَىٰ رَبِّنَا مُنقَلِبُونَ
Niteny izy ireo nanao hoe : “Tena marina fa any amin’ny tomponay no hiverenanay.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَمَا تَنقِمُ مِنَّآ إِلَّآ أَنۡ ءَامَنَّا بِـَٔايَٰتِ رَبِّنَا لَمَّا جَآءَتۡنَاۚ رَبَّنَآ أَفۡرِغۡ عَلَيۡنَا صَبۡرٗا وَتَوَفَّنَا مُسۡلِمِينَ
Ary tsy hamaly faty anay ianao afa-tsy noho izahay nino ireo famantarana avy amin’ny Tomponay rehefa tonga teo aminay izany.Tomponay o ! Arotsahy aminay ny faharetana ary ataovy ho maty am-panekena Anao tanteraka izahay”.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَقَالَ ٱلۡمَلَأُ مِن قَوۡمِ فِرۡعَوۡنَ أَتَذَرُ مُوسَىٰ وَقَوۡمَهُۥ لِيُفۡسِدُواْ فِي ٱلۡأَرۡضِ وَيَذَرَكَ وَءَالِهَتَكَۚ قَالَ سَنُقَتِّلُ أَبۡنَآءَهُمۡ وَنَسۡتَحۡيِۦ نِسَآءَهُمۡ وَإِنَّا فَوۡقَهُمۡ قَٰهِرُونَ
Ary niteny ireo loholona avy amin’ny vahoakan’i Faraona nanao hoe : “Moa ve avelanao i Mosesy sy ny vahoakany hanao asa fanimbana eto an-tany, ary handao anao sy ireo zanaharinao izy ?”. Niteny izy nanao hoe : “Ho vonointsika ny zanaka lahin’izy ireo ary avelantsika ho velona ny vehivavin’izy ireo, ary marina fa isika dia ambonin’izy ireo sy manjaka.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قَالَ مُوسَىٰ لِقَوۡمِهِ ٱسۡتَعِينُواْ بِٱللَّهِ وَٱصۡبِرُوٓاْۖ إِنَّ ٱلۡأَرۡضَ لِلَّهِ يُورِثُهَا مَن يَشَآءُ مِنۡ عِبَادِهِۦۖ وَٱلۡعَٰقِبَةُ لِلۡمُتَّقِينَ
Niteny i Mosesy tamin’ny vahoakany nanao hoe : “Mangataha vonjy amin’I Allah ianareo, ary mahareta, marina fa ny tany dia an’I Allah. Ampandovàny izay sitrany amin’ireo mpanompony. Ny fiafarana tsara dia ho an’ireo manam-patahorana”.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قَالُوٓاْ أُوذِينَا مِن قَبۡلِ أَن تَأۡتِيَنَا وَمِنۢ بَعۡدِ مَا جِئۡتَنَاۚ قَالَ عَسَىٰ رَبُّكُمۡ أَن يُهۡلِكَ عَدُوَّكُمۡ وَيَسۡتَخۡلِفَكُمۡ فِي ٱلۡأَرۡضِ فَيَنظُرَ كَيۡفَ تَعۡمَلُونَ
Niteny izy ireo nanao hoe : “Nampijaliana izahay talohan’ny nahatongavanao taminay, ary taorian’ny nahatongavanao koa”. Niteny Izy nanao hoe : “Angamba ny Tomponareo handringana ny fahavalonareo ary hanome anareo fitantanana eto an-tany, ary hijery manao ahoana ny ho fiasanareo”.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَلَقَدۡ أَخَذۡنَآ ءَالَ فِرۡعَوۡنَ بِٱلسِّنِينَ وَنَقۡصٖ مِّنَ ٱلثَّمَرَٰتِ لَعَلَّهُمۡ يَذَّكَّرُونَ
Ary efa notsapainay mandritry ny taona maro tamin’ny alalan’ny hain-tany sy ny fihenan’ny vokatra ireo vahoakan’i Faraona. Angamba hahatsiaro tena izy ireo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
 
പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: അഅ്റാഫ്
സൂറത്തുകളുടെ സൂചിക പേജ് നമ്പർ
 
വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക

റബ്‌വ ഇസ്‌ലാമിക് ദഅ്വാ ആൻഡ് ഗൈഡൻസ് സെൻററിൻ്റെയും കോൺടെന്റ് ഇൻ ലാംഗ്വേജസ് സർവീസ് അസോസിയേഷൻ്റെയും സഹകരണത്തോടെ മർകസ് റുവാദ് തർജമ വിഭാഗം വിവർത്തനം ചെയ്തത്.

അടക്കുക