Check out the new design

വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ * - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക


പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: ഖലം   ആയത്ത്:
إِنَّا بَلَوۡنَٰهُمۡ كَمَا بَلَوۡنَآ أَصۡحَٰبَ ٱلۡجَنَّةِ إِذۡ أَقۡسَمُواْ لَيَصۡرِمُنَّهَا مُصۡبِحِينَ
Nosedranay izy ireo tahaka ny nosedranay ireo Tompon'ny saha, izay niozona fa hanao fiotazana ny maraina.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَلَا يَسۡتَثۡنُونَ
Saingy tsy niteny hoe : raha sitrapon'I Allah izany.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَطَافَ عَلَيۡهَا طَآئِفٞ مِّن رَّبِّكَ وَهُمۡ نَآئِمُونَ
Ka nisy loza avy any amin'i Tomponao ary nilatsaka nandritra ny natorian'izy ireo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَأَصۡبَحَتۡ كَٱلصَّرِيمِ
Ary ny marina dia tahaka ny nokakasana avokoa ny zavatra rehetra.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَتَنَادَوۡاْ مُصۡبِحِينَ
Nifampiantso izy ireo ny maraina.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
أَنِ ٱغۡدُواْ عَلَىٰ حَرۡثِكُمۡ إِن كُنتُمۡ صَٰرِمِينَ
Mandehana vao maraina any an-tsaha ianareo, raha te-hioty ny vokatra.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَٱنطَلَقُواْ وَهُمۡ يَتَخَٰفَتُونَ
Dia nandeha ary izy ireo no sady niresaka moramora hoe :
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
أَن لَّا يَدۡخُلَنَّهَا ٱلۡيَوۡمَ عَلَيۡكُم مِّسۡكِينٞ
Aza avelanareo hidiran'ireo mahantra mihitsy ao androany.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَغَدَوۡاْ عَلَىٰ حَرۡدٖ قَٰدِرِينَ
Nandeha vao maraina izy ireo, tapa-kevitra ny hahihitra sady natoky fa fahefan'izy ireo izany.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَلَمَّا رَأَوۡهَا قَالُوٓاْ إِنَّا لَضَآلُّونَ
Ka rehefa hitan'izy ireo izany dia hoy izy ireo : Very lalana tokoa isika.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
بَلۡ نَحۡنُ مَحۡرُومُونَ
Na tena niala maina isika.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قَالَ أَوۡسَطُهُمۡ أَلَمۡ أَقُل لَّكُمۡ لَوۡلَا تُسَبِّحُونَ
Hoy ny olo-marina indrindra tamin'izy ireo : "Tsy efa nolazaiko taminareo va raha mba nanome voninahitra an'I Allah mantsy ianareo"
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قَالُواْ سُبۡحَٰنَ رَبِّنَآ إِنَّا كُنَّا ظَٰلِمِينَ
Dia hoy izy ireo : "Voninahitra ho an'i Tomponay ! Eny nanao ny tsy rariny tokoa izahay."
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَأَقۡبَلَ بَعۡضُهُمۡ عَلَىٰ بَعۡضٖ يَتَلَٰوَمُونَ
Avy eo dia nifampitodika izy ireo nifanome tsiny.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قَالُواْ يَٰوَيۡلَنَآ إِنَّا كُنَّا طَٰغِينَ
Ka hoy izy ireo : "loza ho anay ! Nikomy tokoa izahay !"
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
عَسَىٰ رَبُّنَآ أَن يُبۡدِلَنَا خَيۡرٗا مِّنۡهَآ إِنَّآ إِلَىٰ رَبِّنَا رَٰغِبُونَ
Maniry izahay ny mba hanoloan'i Tomponay izany amin'ny zavatra tsaratsara kokoa, ny hanantona ny Tomponay no fanirianay.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
كَذَٰلِكَ ٱلۡعَذَابُۖ وَلَعَذَابُ ٱلۡأٓخِرَةِ أَكۡبَرُۚ لَوۡ كَانُواْ يَعۡلَمُونَ
Toy izany ny famaizana, fa lehibe noho izany ny famaizana any ankoatra, raha mba fantatr'izy ireo mantsy !
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
إِنَّ لِلۡمُتَّقِينَ عِندَ رَبِّهِمۡ جَنَّٰتِ ٱلنَّعِيمِ
Fa mahazo ireo zaridainam-pahasambarana eo akaikin'i Tompony kosa ireo vontom-pinoana.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
أَفَنَجۡعَلُ ٱلۡمُسۡلِمِينَ كَٱلۡمُجۡرِمِينَ
Moa va ataonay tahaka ireo mpanao ratsy ireo mpankato?
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
مَا لَكُمۡ كَيۡفَ تَحۡكُمُونَ
Inona no mahazo anareo ? Fa ahoana ny fomba fitsaranareo ?
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
أَمۡ لَكُمۡ كِتَٰبٞ فِيهِ تَدۡرُسُونَ
Sa manana Boky hianarana kosa va ianareo ?
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
إِنَّ لَكُمۡ فِيهِ لَمَا تَخَيَّرُونَ
Ka ho azonareo amin'izany izay irinareo ?
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
أَمۡ لَكُمۡ أَيۡمَٰنٌ عَلَيۡنَا بَٰلِغَةٌ إِلَىٰ يَوۡمِ ٱلۡقِيَٰمَةِ إِنَّ لَكُمۡ لَمَا تَحۡكُمُونَ
Sa nahazo fanomezan-toky marina avy Aminay va ianareo hatramin'ny andro fitsanganana, ka hanomezanay araka izay fanapahan-kevitrareo ?
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
سَلۡهُمۡ أَيُّهُم بِذَٰلِكَ زَعِيمٌ
Anontanio azy ireo izay hiantoka izany aminy.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
أَمۡ لَهُمۡ شُرَكَآءُ فَلۡيَأۡتُواْ بِشُرَكَآئِهِمۡ إِن كَانُواْ صَٰدِقِينَ
Na koa manana mpiray antoka va izy ireo ? Aoka ary ho entin'izy ireo izany, raha tena mpilaza ny marina izy ireo !
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
يَوۡمَ يُكۡشَفُ عَن سَاقٖ وَيُدۡعَوۡنَ إِلَى ٱلسُّجُودِ فَلَا يَسۡتَطِيعُونَ
Amin'ny andro hiatrehan'izy ireo ny zavatra mampihorohoro, ka hiantsoana azy ireo amin'ny fiankohofana, kanefa tsy afaka hanao izany intsony izy ireo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
 
പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: ഖലം
സൂറത്തുകളുടെ സൂചിക പേജ് നമ്പർ
 
വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക

റബ്‌വ ഇസ്‌ലാമിക് ദഅ്വാ ആൻഡ് ഗൈഡൻസ് സെൻററിൻ്റെയും കോൺടെന്റ് ഇൻ ലാംഗ്വേജസ് സർവീസ് അസോസിയേഷൻ്റെയും സഹകരണത്തോടെ മർകസ് റുവാദ് തർജമ വിഭാഗം വിവർത്തനം ചെയ്തത്.

അടക്കുക