Check out the new design

വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ * - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക


പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: ത്തഗാബുൻ   ആയത്ത്:
وَٱلَّذِينَ كَفَرُواْ وَكَذَّبُواْ بِـَٔايَٰتِنَآ أُوْلَٰٓئِكَ أَصۡحَٰبُ ٱلنَّارِ خَٰلِدِينَ فِيهَاۖ وَبِئۡسَ ٱلۡمَصِيرُ
Fa izay tsy mino kosa, ka niampanga ireo andininy avy Aminay ho lainga, dia izy ireo no olon’ny afo, izay onenany mandrakizay;ary tena fiafarana ratsy tokoa izany !
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
مَآ أَصَابَ مِن مُّصِيبَةٍ إِلَّا بِإِذۡنِ ٱللَّهِۗ وَمَن يُؤۡمِنۢ بِٱللَّهِ يَهۡدِ قَلۡبَهُۥۚ وَٱللَّهُ بِكُلِّ شَيۡءٍ عَلِيمٞ
Tsy misy loza mahazo ny olona, raha tsy alalana avy amin’Allah fa izay mino an’Andriamanitra dia hitari-dalana ny fony Izy. Mahalala ny zava-drehetra Allah.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَأَطِيعُواْ ٱللَّهَ وَأَطِيعُواْ ٱلرَّسُولَۚ فَإِن تَوَلَّيۡتُمۡ فَإِنَّمَا عَلَىٰ رَسُولِنَا ٱلۡبَلَٰغُ ٱلۡمُبِينُ
Aoka ianareo hankato an’Allah sy ny Irany, fa raha mivily lalana ianareo dia ny fampitana mazava ihany no andraikitry ny Irakay.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
ٱللَّهُ لَآ إِلَٰهَ إِلَّا هُوَۚ وَعَلَى ٱللَّهِ فَلۡيَتَوَكَّلِ ٱلۡمُؤۡمِنُونَ
Allah, tsy misy tompo hafa, afa-tsy Izy ! Ary amin’I Allah no aoka ianteheran’ireo mpino.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُوٓاْ إِنَّ مِنۡ أَزۡوَٰجِكُمۡ وَأَوۡلَٰدِكُمۡ عَدُوّٗا لَّكُمۡ فَٱحۡذَرُوهُمۡۚ وَإِن تَعۡفُواْ وَتَصۡفَحُواْ وَتَغۡفِرُواْ فَإِنَّ ٱللَّهَ غَفُورٞ رَّحِيمٌ
O anareo mpino ! Misy amin’ireo vadinareo sy ny zanakareo no fahavalonareo. Koa mitandrema ianareo amin’izy ireo, fa raha leferinareo ny tsinin’izy ireo, adinonareo ny hadisoany, ary avelanareo ny helony, dia hamafisina, fa mpamela heloka sy be Indrafo Allah.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
إِنَّمَآ أَمۡوَٰلُكُمۡ وَأَوۡلَٰدُكُمۡ فِتۡنَةٞۚ وَٱللَّهُ عِندَهُۥٓ أَجۡرٌ عَظِيمٞ
Fitsapana fotsiny ihany ny fanananareo sy ny zanakareo, fa any amin’Allah no misy ny valisoa lehibe.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَٱتَّقُواْ ٱللَّهَ مَا ٱسۡتَطَعۡتُمۡ وَٱسۡمَعُواْ وَأَطِيعُواْ وَأَنفِقُواْ خَيۡرٗا لِّأَنفُسِكُمۡۗ وَمَن يُوقَ شُحَّ نَفۡسِهِۦ فَأُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡمُفۡلِحُونَ
Matahora an'Allah arak'izay vitanareo, henoy Izy, ankatoavy, ary manaova fanomezana an-kahalalana, fa soa ho anareo izany, ary na iza na iza voaaro amin'ny fahihirana tafahoatra dia izy ireo no mahita fahombiazana.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
إِن تُقۡرِضُواْ ٱللَّهَ قَرۡضًا حَسَنٗا يُضَٰعِفۡهُ لَكُمۡ وَيَغۡفِرۡ لَكُمۡۚ وَٱللَّهُ شَكُورٌ حَلِيمٌ
Raha manao fampindramana an-tsitram-po amin'Allah ianareo dia hampitomboiny ho anareo izany, ary avelany ny helokareo, fa mpankasitraka sy be fangorahana tokoa Allah.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
عَٰلِمُ ٱلۡغَيۡبِ وَٱلشَّهَٰدَةِ ٱلۡعَزِيزُ ٱلۡحَكِيمُ
Izy no ilay mahafantatra ny zava-miafina sy ny miharihary, ary Izy no Ilay Tsitoha, Ilay be Fahendrena.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
 
പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: ത്തഗാബുൻ
സൂറത്തുകളുടെ സൂചിക പേജ് നമ്പർ
 
വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക

റബ്‌വ ഇസ്‌ലാമിക് ദഅ്വാ ആൻഡ് ഗൈഡൻസ് സെൻററിൻ്റെയും കോൺടെന്റ് ഇൻ ലാംഗ്വേജസ് സർവീസ് അസോസിയേഷൻ്റെയും സഹകരണത്തോടെ മർകസ് റുവാദ് തർജമ വിഭാഗം വിവർത്തനം ചെയ്തത്.

അടക്കുക