Check out the new design

വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ * - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക


പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: അൻആം   ആയത്ത്:
ذَٰلِكُمُ ٱللَّهُ رَبُّكُمۡۖ لَآ إِلَٰهَ إِلَّا هُوَۖ خَٰلِقُ كُلِّ شَيۡءٖ فَٱعۡبُدُوهُۚ وَهُوَ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٖ وَكِيلٞ
Izany no Allah Tomponareo ! Tsy misy Zanahary hafa afa-tsy Izy ihany. Mpahary ny zava-drehetra, ka tompoinareo àry Izy. Ary Izy no misahana ny zava-drehetra
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
لَّا تُدۡرِكُهُ ٱلۡأَبۡصَٰرُ وَهُوَ يُدۡرِكُ ٱلۡأَبۡصَٰرَۖ وَهُوَ ٱللَّطِيفُ ٱلۡخَبِيرُ
Tsy takatry ny fahitan’ny maso Izy ary Izy kosa dia mahatakatra izay hitan’ny maso. Ary Izy Ilay be Fangorahana sy Mahafantatra ny zava-drehetra.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قَدۡ جَآءَكُم بَصَآئِرُ مِن رَّبِّكُمۡۖ فَمَنۡ أَبۡصَرَ فَلِنَفۡسِهِۦۖ وَمَنۡ عَمِيَ فَعَلَيۡهَاۚ وَمَآ أَنَا۠ عَلَيۡكُم بِحَفِيظٖ
Efa Tonga aminareo ireo porofo mazava avy amin’ny Tomponareo, ka izay mahita mazava dia ho an’ny tenany izany ary izay mijanona ho jamba kosa dia fahavoazana ho azy izany ary Izaho dia tsy ho Mpiambina anareo velively.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَكَذَٰلِكَ نُصَرِّفُ ٱلۡأٓيَٰتِ وَلِيَقُولُواْ دَرَسۡتَ وَلِنُبَيِّنَهُۥ لِقَوۡمٖ يَعۡلَمُونَ
Ary tahaka izany no hamakafakanay ireo fanambarana mba hitenenan’izy ireo manao hoe : “nianatra Ianao”. Ary mba hanazavanay izany amin’ny vahoaka mahalala.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
ٱتَّبِعۡ مَآ أُوحِيَ إِلَيۡكَ مِن رَّبِّكَۖ لَآ إِلَٰهَ إِلَّا هُوَۖ وَأَعۡرِضۡ عَنِ ٱلۡمُشۡرِكِينَ
Araho ny fanambarana izay nalefa Aminao avy amin’ny Tomponao. Tsy misy Zanahary hafa afa-tsy Izy ihany. Atodiho ny lamosinao amin’ireo mpanompo sampy.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَلَوۡ شَآءَ ٱللَّهُ مَآ أَشۡرَكُواْۗ وَمَا جَعَلۡنَٰكَ عَلَيۡهِمۡ حَفِيظٗاۖ وَمَآ أَنتَ عَلَيۡهِم بِوَكِيلٖ
Ary raha sitrak’I Allah dia tsy nanakambana Azy amin’ny zavatra hafa izy ireo. Tsy nataonay ho Mpiambina Ianao amin’izy ireo, ary Ianao dia tsy Mpiantoka azy ireo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَلَا تَسُبُّواْ ٱلَّذِينَ يَدۡعُونَ مِن دُونِ ٱللَّهِ فَيَسُبُّواْ ٱللَّهَ عَدۡوَۢا بِغَيۡرِ عِلۡمٖۗ كَذَٰلِكَ زَيَّنَّا لِكُلِّ أُمَّةٍ عَمَلَهُمۡ ثُمَّ إِلَىٰ رَبِّهِم مَّرۡجِعُهُمۡ فَيُنَبِّئُهُم بِمَا كَانُواْ يَعۡمَلُونَ
Ary aoka ianareo tsy hanompa ireo izay antsoin’izy ireo ankoatr’i Allah, ka hanompa Allah amim-pankahalana (amim-pietraketrahana) ao anaty tsy fahalalana izy ireo. Tahaka izany koa, nohatsarainay tamin’ny vahoaka tsirairay ny asany ary any amin’ny Tompon’izy ireo no fiverenan’izy ireo, ka ho lazainy azy ireo ny asa rehetra izay nataony.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَأَقۡسَمُواْ بِٱللَّهِ جَهۡدَ أَيۡمَٰنِهِمۡ لَئِن جَآءَتۡهُمۡ ءَايَةٞ لَّيُؤۡمِنُنَّ بِهَاۚ قُلۡ إِنَّمَا ٱلۡأٓيَٰتُ عِندَ ٱللَّهِۖ وَمَا يُشۡعِرُكُمۡ أَنَّهَآ إِذَا جَآءَتۡ لَا يُؤۡمِنُونَ
Ary mianiana amin’I Allah izy ireo eram-po tamin’ireo finianany, raha misy fahagagana tonga amin’izy ireo dia tena hino izany izy ireo. Teneno hoe : “Tena marina fa ireo fahagagana dia miankina amin’I Allah”. Ary inona àry no ahatsapanareo (ry mpino) raha tonga tokoa izany, dia tsy hino ihany izy ireo ?
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَنُقَلِّبُ أَفۡـِٔدَتَهُمۡ وَأَبۡصَٰرَهُمۡ كَمَا لَمۡ يُؤۡمِنُواْ بِهِۦٓ أَوَّلَ مَرَّةٖ وَنَذَرُهُمۡ فِي طُغۡيَٰنِهِمۡ يَعۡمَهُونَ
Avadikay ny fon’izy ireo sy ny mason’izy ireo noho izy ireo tsy nino izany tamin’ny voalohany ary avelanay handeha amin’ny hajambana izy ireo nohon'ny fihoaram-pefiny.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
 
പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: അൻആം
സൂറത്തുകളുടെ സൂചിക പേജ് നമ്പർ
 
വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക

റബ്‌വ ഇസ്‌ലാമിക് ദഅ്വാ ആൻഡ് ഗൈഡൻസ് സെൻററിൻ്റെയും കോൺടെന്റ് ഇൻ ലാംഗ്വേജസ് സർവീസ് അസോസിയേഷൻ്റെയും സഹകരണത്തോടെ മർകസ് റുവാദ് തർജമ വിഭാഗം വിവർത്തനം ചെയ്തത്.

അടക്കുക