Check out the new design

വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ * - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക


പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: ഗാഫിർ   ആയത്ത്:
وَلَقَدۡ أَرۡسَلۡنَا رُسُلٗا مِّن قَبۡلِكَ مِنۡهُم مَّن قَصَصۡنَا عَلَيۡكَ وَمِنۡهُم مَّن لَّمۡ نَقۡصُصۡ عَلَيۡكَۗ وَمَا كَانَ لِرَسُولٍ أَن يَأۡتِيَ بِـَٔايَةٍ إِلَّا بِإِذۡنِ ٱللَّهِۚ فَإِذَا جَآءَ أَمۡرُ ٱللَّهِ قُضِيَ بِٱلۡحَقِّ وَخَسِرَ هُنَالِكَ ٱلۡمُبۡطِلُونَ
Nandefa ireo Iraka tokoa talohanao Izahay. Misy tamin’izy ireny no efa notantarainay taminao ny momba azy, fa misy kosa no mbola tsy notantarainay taminao. Ary tsy anjaran’ny Iraka ny mitondra porofo famantarana, raha tsy amin’ny alalana avy amin’I Allah. Rehefa tonga ny didin’I Allah, dia ho tsaraina ampahamarinana avokoa ny rehetra, ary dia ho matiantoka tokoa ireo milaza lainga.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
ٱللَّهُ ٱلَّذِي جَعَلَ لَكُمُ ٱلۡأَنۡعَٰمَ لِتَرۡكَبُواْ مِنۡهَا وَمِنۡهَا تَأۡكُلُونَ
Fa I Allah no nanao ireo biby, mba ho fitainginareo sy ho fihinanareo,
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَلَكُمۡ فِيهَا مَنَٰفِعُ وَلِتَبۡلُغُواْ عَلَيۡهَا حَاجَةٗ فِي صُدُورِكُمۡ وَعَلَيۡهَا وَعَلَى ٱلۡفُلۡكِ تُحۡمَلُونَ
Ary misy tombotsoa ho anareo amin’izany, mba hahazoanareo avy amin’izany ny zavatra izay irin’ny fonareo. Eo ambonin’izy ireo sy eo ambon'ny sambo no hitondrana anareo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَيُرِيكُمۡ ءَايَٰتِهِۦ فَأَيَّ ءَايَٰتِ ٱللَّهِ تُنكِرُونَ
Dia hasehony anareo ny famantarana avy any Aminy. Koa inona ary no famatarana avy amin’I Allah ho lavinareo ?
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
أَفَلَمۡ يَسِيرُواْ فِي ٱلۡأَرۡضِ فَيَنظُرُواْ كَيۡفَ كَانَ عَٰقِبَةُ ٱلَّذِينَ مِن قَبۡلِهِمۡۚ كَانُوٓاْ أَكۡثَرَ مِنۡهُمۡ وَأَشَدَّ قُوَّةٗ وَءَاثَارٗا فِي ٱلۡأَرۡضِ فَمَآ أَغۡنَىٰ عَنۡهُم مَّا كَانُواْ يَكۡسِبُونَ
Moa tsy mitety ny tany ve izy ireo, mba hahitany ny niafaran’ireo izay niaina talohany ? Fa maro sady matanjaka kokoa izy ireo, ary nametraka zavatra maro teto an-tany. Nefa tsy nisy nilan’izy ireo izay azony akory.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَلَمَّا جَآءَتۡهُمۡ رُسُلُهُم بِٱلۡبَيِّنَٰتِ فَرِحُواْ بِمَا عِندَهُم مِّنَ ٱلۡعِلۡمِ وَحَاقَ بِهِم مَّا كَانُواْ بِهِۦ يَسۡتَهۡزِءُونَ
Rehefa nitondra porofo mazava taminy ireo Iraka, dia nifaly tamin’ny fahalalana nananany izy ireo, ka dia voasaron’izay noesony izy ireo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَلَمَّا رَأَوۡاْ بَأۡسَنَا قَالُوٓاْ ءَامَنَّا بِٱللَّهِ وَحۡدَهُۥ وَكَفَرۡنَا بِمَا كُنَّا بِهِۦ مُشۡرِكِينَ
Ary rehefa nahita ny loza avy taty aminay izy ireo, dia niteny hoe : “ Mino an’I Allah tokana izahay, ary mandà izay natambatray taminy ”.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَلَمۡ يَكُ يَنفَعُهُمۡ إِيمَٰنُهُمۡ لَمَّا رَأَوۡاْ بَأۡسَنَاۖ سُنَّتَ ٱللَّهِ ٱلَّتِي قَدۡ خَلَتۡ فِي عِبَادِهِۦۖ وَخَسِرَ هُنَالِكَ ٱلۡكَٰفِرُونَ
Nefa tsy nitera-boka-tsoa ho azy ireo intsony ny finoany, rehefa nahita ny loza avy taty Aminay izy ireo, ka izany no didin’I Allah momba ireo mpanompony tany aloha. Ary amin’izany indrindra no maha fatiantoka ireo tsy mpino.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
 
പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: ഗാഫിർ
സൂറത്തുകളുടെ സൂചിക പേജ് നമ്പർ
 
വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക

റബ്‌വ ഇസ്‌ലാമിക് ദഅ്വാ ആൻഡ് ഗൈഡൻസ് സെൻററിൻ്റെയും കോൺടെന്റ് ഇൻ ലാംഗ്വേജസ് സർവീസ് അസോസിയേഷൻ്റെയും സഹകരണത്തോടെ മർകസ് റുവാദ് തർജമ വിഭാഗം വിവർത്തനം ചെയ്തത്.

അടക്കുക