Check out the new design

വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ * - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക


പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: ആലുഇംറാൻ   ആയത്ത്:
وَلِيُمَحِّصَ ٱللَّهُ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَيَمۡحَقَ ٱلۡكَٰفِرِينَ
Ary mba hidioavan’i Allah ireo izay nino, sy ny handringanany ireo izay tsy mpino.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
أَمۡ حَسِبۡتُمۡ أَن تَدۡخُلُواْ ٱلۡجَنَّةَ وَلَمَّا يَعۡلَمِ ٱللَّهُ ٱلَّذِينَ جَٰهَدُواْ مِنكُمۡ وَيَعۡلَمَ ٱلصَّٰبِرِينَ
Moa ve mihevitra hiditra ao am-Paradisa Ianareo, ka tsy fantatr’i Allah akory izay niezaka tamin’ny ady sy izay nanam-paharetana Taminareo ?
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَلَقَدۡ كُنتُمۡ تَمَنَّوۡنَ ٱلۡمَوۡتَ مِن قَبۡلِ أَن تَلۡقَوۡهُ فَقَدۡ رَأَيۡتُمُوهُ وَأَنتُمۡ تَنظُرُونَ
Ary naniry fahafatesana tokoa Ianareo, talohan’ny niatrehanareo izany. Ka tena hitanareo izany, sady Ianareo mbola eo am-pijerena Azy.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَمَا مُحَمَّدٌ إِلَّا رَسُولٞ قَدۡ خَلَتۡ مِن قَبۡلِهِ ٱلرُّسُلُۚ أَفَإِيْن مَّاتَ أَوۡ قُتِلَ ٱنقَلَبۡتُمۡ عَلَىٰٓ أَعۡقَٰبِكُمۡۚ وَمَن يَنقَلِبۡ عَلَىٰ عَقِبَيۡهِ فَلَن يَضُرَّ ٱللَّهَ شَيۡـٔٗاۚ وَسَيَجۡزِي ٱللَّهُ ٱلشَّٰكِرِينَ
Tsy iza i Mohammadi fa Iraka ihany, efa nandalo teo alohany ireo Iraka maro, raha toa ka maty Izy, na novonoina dia hiverina amin’ny vody tongotrareo (1) ve ianareo? Ary n'iza n'iza miverina amin’ny vodi-tongony, dia tsy hanao ratsy an’i Allah na dia kely aza, ary i Allah dia hanome valisoa ireo izay mpankasitraka.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَمَا كَانَ لِنَفۡسٍ أَن تَمُوتَ إِلَّا بِإِذۡنِ ٱللَّهِ كِتَٰبٗا مُّؤَجَّلٗاۗ وَمَن يُرِدۡ ثَوَابَ ٱلدُّنۡيَا نُؤۡتِهِۦ مِنۡهَا وَمَن يُرِدۡ ثَوَابَ ٱلۡأٓخِرَةِ نُؤۡتِهِۦ مِنۡهَاۚ وَسَنَجۡزِي ٱلشَّٰكِرِينَ
Ary tsy misy Olona ho faty, raha tsy alalana avy amin’i Allah, araka izay efa voasoratra tany am-piandohana. Ary izay mila valisoa eto an-tany dia omenay amin’izany Izy, ary izay mila valisoa any an-koatra dia omenay amin’izany koa Izy, ary omenay valisoa ireo mpankasitraka.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَكَأَيِّن مِّن نَّبِيّٖ قَٰتَلَ مَعَهُۥ رِبِّيُّونَ كَثِيرٞ فَمَا وَهَنُواْ لِمَآ أَصَابَهُمۡ فِي سَبِيلِ ٱللَّهِ وَمَا ضَعُفُواْ وَمَا ٱسۡتَكَانُواْۗ وَٱللَّهُ يُحِبُّ ٱلصَّٰبِرِينَ
Ary firifiry tamin’ireo Mpaminany no nanana mpianatra maro, niara-niady Taminy, ka tsy nilefitra izy ireo tamin’izay nanjo azy ireo tamin’ny lalàn’i Allah. Tsy nalemy izy ireo, ary tsy nilavo lefona mihitsy, ary i Allah dia tia ireo manam-paharetana.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَمَا كَانَ قَوۡلَهُمۡ إِلَّآ أَن قَالُواْ رَبَّنَا ٱغۡفِرۡ لَنَا ذُنُوبَنَا وَإِسۡرَافَنَا فِيٓ أَمۡرِنَا وَثَبِّتۡ أَقۡدَامَنَا وَٱنصُرۡنَا عَلَى ٱلۡقَوۡمِ ٱلۡكَٰفِرِينَ
Tsy nisy teny nivoaka avy tamin’izy ireo afa-tsy ny fitenenana hoe : “ Tomponay ô ! Avelao ny fahotanay sy ny fihoaram-pefy izay nataonay tamin’ny fihetsika, ary hamafiso ny dianay, ary omeo fandresena Izahay amin’ireo vahoaka tsy mpino.”
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَـَٔاتَىٰهُمُ ٱللَّهُ ثَوَابَ ٱلدُّنۡيَا وَحُسۡنَ ثَوَابِ ٱلۡأٓخِرَةِۗ وَٱللَّهُ يُحِبُّ ٱلۡمُحۡسِنِينَ
Ka nomen’i Allah azy ireo ny valisoa eto an-tany sy ny valisoa mendrika indrindra any an-koatra. Ary i Allah dia tia ireo mpanao tsara.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
 
പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: ആലുഇംറാൻ
സൂറത്തുകളുടെ സൂചിക പേജ് നമ്പർ
 
വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക

റബ്‌വ ഇസ്‌ലാമിക് ദഅ്വാ ആൻഡ് ഗൈഡൻസ് സെൻററിൻ്റെയും കോൺടെന്റ് ഇൻ ലാംഗ്വേജസ് സർവീസ് അസോസിയേഷൻ്റെയും സഹകരണത്തോടെ മർകസ് റുവാദ് തർജമ വിഭാഗം വിവർത്തനം ചെയ്തത്.

അടക്കുക