Check out the new design

വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ * - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക


പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: മുഅ്മിനൂൻ   ആയത്ത്:
۞ وَلَوۡ رَحِمۡنَٰهُمۡ وَكَشَفۡنَا مَا بِهِم مِّن ضُرّٖ لَّلَجُّواْ فِي طُغۡيَٰنِهِمۡ يَعۡمَهُونَ
Raha namindra fo tamin’izy ireo Izahay sy nanala ny ratsy taminy, dia tena mbola nijanona ihany tao anatin’ny fandikan-dalàna izy ireo, sy mandeha anjambany ary misalasala.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَلَقَدۡ أَخَذۡنَٰهُم بِٱلۡعَذَابِ فَمَا ٱسۡتَكَانُواْ لِرَبِّهِمۡ وَمَا يَتَضَرَّعُونَ
Ary efa noraisinay tamin’ny famaizana tokoa izy ireo, nefa mbola tsy nankato ny Tompon’izy ireo ihany, ary tsy mitalaho mihitsy.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
حَتَّىٰٓ إِذَا فَتَحۡنَا عَلَيۡهِم بَابٗا ذَا عَذَابٖ شَدِيدٍ إِذَا هُمۡ فِيهِ مُبۡلِسُونَ
Mandra-pahatongan’ny andro izay hanokafanay ny varavaran’ny famaizana mafy, dia indro fa tena kivy tanteraka izy ireo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَهُوَ ٱلَّذِيٓ أَنشَأَ لَكُمُ ٱلسَّمۡعَ وَٱلۡأَبۡصَٰرَ وَٱلۡأَفۡـِٔدَةَۚ قَلِيلٗا مَّا تَشۡكُرُونَ
Ary Izy no Nahary ho anareo ny fandrenesana, ireo fahitana sy ireo fo. Nefa zara raha mankasitraka ianareo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَهُوَ ٱلَّذِي ذَرَأَكُمۡ فِي ٱلۡأَرۡضِ وَإِلَيۡهِ تُحۡشَرُونَ
Ary Izy no nampiely anareo eny ambonin’ny tany, ary any Aminy no hanangonana anareo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَهُوَ ٱلَّذِي يُحۡيِۦ وَيُمِيتُ وَلَهُ ٱخۡتِلَٰفُ ٱلَّيۡلِ وَٱلنَّهَارِۚ أَفَلَا تَعۡقِلُونَ
Ary Izy no manome ny aina sy manome ny fahafatesana; ary miankina Aminy ny fifandimbiasan’ny alina sy ny atoandro. Moa ve tsy mba misaina ianareo ?
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
بَلۡ قَالُواْ مِثۡلَ مَا قَالَ ٱلۡأَوَّلُونَ
Nefa dia niteny mitovy amin’izany no notenenin’ireo olona talohan’ izy ireo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قَالُوٓاْ أَءِذَا مِتۡنَا وَكُنَّا تُرَابٗا وَعِظَٰمًا أَءِنَّا لَمَبۡعُوثُونَ
Niteny izy ireo hoe : “Raha maty izahay, ka lasa vovoka sy taolana. Moa hatsangana amin’ny maty tokoa ve izahay ?”
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
لَقَدۡ وُعِدۡنَا نَحۡنُ وَءَابَآؤُنَا هَٰذَا مِن قَبۡلُ إِنۡ هَٰذَآ إِلَّآ أَسَٰطِيرُ ٱلۡأَوَّلِينَ
Efa nampanantenana izany izahay, sy ireo razam-benay teo aloha ihany koa, dia tsy inona akory izany afa-tsy anganon’ireo Ntaolo fahiny”.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قُل لِّمَنِ ٱلۡأَرۡضُ وَمَن فِيهَآ إِن كُنتُمۡ تَعۡلَمُونَ
Teneno hoe : “An’iza ny tany sy izay rehetra ao aminy, raha toa ka mahalala ianareo ?”
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
سَيَقُولُونَ لِلَّهِۚ قُلۡ أَفَلَا تَذَكَّرُونَ
Hiteny izy ireo hoe : “An’I Allah”. Teneno hoe : “Moa tsy tsaroanareo ve izany ?”
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قُلۡ مَن رَّبُّ ٱلسَّمَٰوَٰتِ ٱلسَّبۡعِ وَرَبُّ ٱلۡعَرۡشِ ٱلۡعَظِيمِ
Ka teneno hoe : “Iza no Tompon’ireo lanitra fito, ary iza no Tompon’ny Seza fiandrianana lehibe ?”
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
سَيَقُولُونَ لِلَّهِۚ قُلۡ أَفَلَا تَتَّقُونَ
Hiteny izy ireo hoe : “An’I Allah”. Teneno hoe : “Moa tsy matahotra ve ianareo ?”
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قُلۡ مَنۢ بِيَدِهِۦ مَلَكُوتُ كُلِّ شَيۡءٖ وَهُوَ يُجِيرُ وَلَا يُجَارُ عَلَيۡهِ إِن كُنتُمۡ تَعۡلَمُونَ
Teneno hoe : “Eo am-pelatanan’iza ny fanjakana fara-tampon’ny zava-drehetra, ary iza no miaro sy tsy mila fiarovana, raha fantatrareo (izany) ?
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
سَيَقُولُونَ لِلَّهِۚ قُلۡ فَأَنَّىٰ تُسۡحَرُونَ
Hiteny izy ireo hoe : “Ho an’I Allah” Teneno hoe : “Ahoana àry ianareo no mbola hanjakan’ny mosavy, (ka nahatonga anareo tsy hino Azy) ?”
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
 
പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: മുഅ്മിനൂൻ
സൂറത്തുകളുടെ സൂചിക പേജ് നമ്പർ
 
വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക

റബ്‌വ ഇസ്‌ലാമിക് ദഅ്വാ ആൻഡ് ഗൈഡൻസ് സെൻററിൻ്റെയും കോൺടെന്റ് ഇൻ ലാംഗ്വേജസ് സർവീസ് അസോസിയേഷൻ്റെയും സഹകരണത്തോടെ മർകസ് റുവാദ് തർജമ വിഭാഗം വിവർത്തനം ചെയ്തത്.

അടക്കുക