Check out the new design

വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ * - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക


പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: ബഖറഃ   ആയത്ത്:
وَمَآ أَنفَقۡتُم مِّن نَّفَقَةٍ أَوۡ نَذَرۡتُم مِّن نَّذۡرٖ فَإِنَّ ٱللَّهَ يَعۡلَمُهُۥۗ وَمَا لِلظَّٰلِمِينَ مِنۡ أَنصَارٍ
Ary na inona na inona no avoakanareo amin’ny fandaniana, na ny voady izay nataonareo, tena marina fa i Allah dia mahafantatra izany. Ary tsy hisy mpanavotra ireo mpanao ny tsy rariny !
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
إِن تُبۡدُواْ ٱلصَّدَقَٰتِ فَنِعِمَّا هِيَۖ وَإِن تُخۡفُوهَا وَتُؤۡتُوهَا ٱلۡفُقَرَآءَ فَهُوَ خَيۡرٞ لَّكُمۡۚ وَيُكَفِّرُ عَنكُم مِّن سَيِّـَٔاتِكُمۡۗ وَٱللَّهُ بِمَا تَعۡمَلُونَ خَبِيرٞ
Raha mamoaka an-karihary ireo fanomezana Ianareo dia tsara izany, fa raha afeninareo izany sy atolotrareo ho an’ny mahantra dia tsara kokoa ho Anareo. Ary i Allah dia hamafa Aminareo ny sasany amin’ireo asa ratsy vitanareo. Fa i Allah dia tena mahalala izay Ataonareo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
۞ لَّيۡسَ عَلَيۡكَ هُدَىٰهُمۡ وَلَٰكِنَّ ٱللَّهَ يَهۡدِي مَن يَشَآءُۗ وَمَا تُنفِقُواْ مِنۡ خَيۡرٖ فَلِأَنفُسِكُمۡۚ وَمَا تُنفِقُونَ إِلَّا ٱبۡتِغَآءَ وَجۡهِ ٱللَّهِۚ وَمَا تُنفِقُواْ مِنۡ خَيۡرٖ يُوَفَّ إِلَيۡكُمۡ وَأَنتُمۡ لَا تُظۡلَمُونَ
Tsy anjaranao ny mitari-dàlana azy ireo, fa i Allah kosa no mitari-dàlana izay sitrany. Ary izay tsara avoakanareo dia ho an’ny tenanareo ihany. Ary aoka Ianareo tsy hanao fandaniana afa-tsy nohon'ny fitadiavana ny tavan’i Allah. Ary izay tsara avoakanareo dia hovaliana tanteraka Aminareo. Ary Ianareo dia tsy ho ambakaina mihitsy.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
لِلۡفُقَرَآءِ ٱلَّذِينَ أُحۡصِرُواْ فِي سَبِيلِ ٱللَّهِ لَا يَسۡتَطِيعُونَ ضَرۡبٗا فِي ٱلۡأَرۡضِ يَحۡسَبُهُمُ ٱلۡجَاهِلُ أَغۡنِيَآءَ مِنَ ٱلتَّعَفُّفِ تَعۡرِفُهُم بِسِيمَٰهُمۡ لَا يَسۡـَٔلُونَ ٱلنَّاسَ إِلۡحَافٗاۗ وَمَا تُنفِقُواْ مِنۡ خَيۡرٖ فَإِنَّ ٱللَّهَ بِهِۦ عَلِيمٌ
Ny fanomezana dia ho an’ireo mahantra izay raikitra tamin’ny asan’Allah, tsy afaka hivezivezy mba hitady amin’ny tany rehetra. Ny tsy mahalala, dia mihevitra azy ireo ho manana ny ampy noho ny fahaizany miharitra tsy mangataka amin'olona, ho fantatrao amin’ny endriny ihany anefa izy ireo. Tsy manao izay hahasorena ny olona izy ireo amin’ny fangatahana lavareny. Ka izay mety ho zavatsoa afoinareo omena, dia hamafisina, fa efa fantatr’Allah izany.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
ٱلَّذِينَ يُنفِقُونَ أَمۡوَٰلَهُم بِٱلَّيۡلِ وَٱلنَّهَارِ سِرّٗا وَعَلَانِيَةٗ فَلَهُمۡ أَجۡرُهُمۡ عِندَ رَبِّهِمۡ وَلَا خَوۡفٌ عَلَيۡهِمۡ وَلَا هُمۡ يَحۡزَنُونَ
Ireo izay mamoaka ny harenan'izy ireo amin’ny alina sy ny atoandro, miafina sy miharihary, ho azy ireo ny valin-kasasaran'izy ireo eo anatrehan’ny Tompon’izy ireo. Ary tsy misy hampatahotra azy ireo, ary tsy halahelo izy ireo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
 
പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: ബഖറഃ
സൂറത്തുകളുടെ സൂചിക പേജ് നമ്പർ
 
വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക

റബ്‌വ ഇസ്‌ലാമിക് ദഅ്വാ ആൻഡ് ഗൈഡൻസ് സെൻററിൻ്റെയും കോൺടെന്റ് ഇൻ ലാംഗ്വേജസ് സർവീസ് അസോസിയേഷൻ്റെയും സഹകരണത്തോടെ മർകസ് റുവാദ് തർജമ വിഭാഗം വിവർത്തനം ചെയ്തത്.

അടക്കുക