Check out the new design

വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ * - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക


പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: ന്നഹ്ൽ   ആയത്ത്:
وَقَالَ ٱلَّذِينَ أَشۡرَكُواْ لَوۡ شَآءَ ٱللَّهُ مَا عَبَدۡنَا مِن دُونِهِۦ مِن شَيۡءٖ نَّحۡنُ وَلَآ ءَابَآؤُنَا وَلَا حَرَّمۡنَا مِن دُونِهِۦ مِن شَيۡءٖۚ كَذَٰلِكَ فَعَلَ ٱلَّذِينَ مِن قَبۡلِهِمۡۚ فَهَلۡ عَلَى ٱلرُّسُلِ إِلَّا ٱلۡبَلَٰغُ ٱلۡمُبِينُ
Ary niteny ireo izay nanakambana an’i Allah amin’ny zavatra hafa ka nanao hoe : “ Raha sitrakan’i Allah dia tsy nanompo zavatra hafa Izahay ankoatra Azy, na Izahay na ireo razambenay, ary tsy nampifady na inona na inona Izahay ankoatra izay nampifadiany ”. Toy izany no nataon’ireo teo alohan’izy ireo. Moa ve manana adidy ireo Iraka afa-tsy ny fampielezana miharihary ihany.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَلَقَدۡ بَعَثۡنَا فِي كُلِّ أُمَّةٖ رَّسُولًا أَنِ ٱعۡبُدُواْ ٱللَّهَ وَٱجۡتَنِبُواْ ٱلطَّٰغُوتَۖ فَمِنۡهُم مَّنۡ هَدَى ٱللَّهُ وَمِنۡهُم مَّنۡ حَقَّتۡ عَلَيۡهِ ٱلضَّلَٰلَةُۚ فَسِيرُواْ فِي ٱلۡأَرۡضِ فَٱنظُرُواْ كَيۡفَ كَانَ عَٰقِبَةُ ٱلۡمُكَذِّبِينَ
{Ary efa nandefa Iraka tokoa isaky ny vahoaka tsirairay Izahay (hilaza hanao hoe) : “ Manompoa an’i Allah ianareo, ary halavironareo ny sampy «Taghoty[94]» ”. Koa nisy tamin’izy ireo izay notarihin’i Allah làlana, ary nisy tamin’izy ireo no mendrika ny fahaverezana. koa mandehana ianareo manerana ny tany, ka jereo, ahoana no niafaran’ireo nilaza (ireo Iraka) ho mpandainga.}
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
إِن تَحۡرِصۡ عَلَىٰ هُدَىٰهُمۡ فَإِنَّ ٱللَّهَ لَا يَهۡدِي مَن يُضِلُّۖ وَمَا لَهُم مِّن نَّٰصِرِينَ
Na dia miezaka mafy aza Ianao amin’ny fitarihana azy ireo fa tena marina fa i Allah dia tsy hitari-dàlana izay novereziny; ary tsy hanana mpanavotra izy ireo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَأَقۡسَمُواْ بِٱللَّهِ جَهۡدَ أَيۡمَٰنِهِمۡ لَا يَبۡعَثُ ٱللَّهُ مَن يَمُوتُۚ بَلَىٰ وَعۡدًا عَلَيۡهِ حَقّٗا وَلَٰكِنَّ أَكۡثَرَ ٱلنَّاسِ لَا يَعۡلَمُونَ
Ary mianiana amin’i Allah izy ireo amin’ny fianianana tena mafy manao hoe : “ Tsy hanangana izay efa maty i Allah ”. Tsia ! Fa izany dia fampanantenana marina avy Aminy, fa ny ankamaroan’ny Olona kosa dia tsy mahafantatra.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
لِيُبَيِّنَ لَهُمُ ٱلَّذِي يَخۡتَلِفُونَ فِيهِ وَلِيَعۡلَمَ ٱلَّذِينَ كَفَرُوٓاْ أَنَّهُمۡ كَانُواْ كَٰذِبِينَ
Mba hanazavany amin’ireo izay miady hevitra momba izany, sy mba ahafantaran’ireo izay tsy nino, fa izy ireo dia mpandainga tokoa.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
إِنَّمَا قَوۡلُنَا لِشَيۡءٍ إِذَآ أَرَدۡنَٰهُ أَن نَّقُولَ لَهُۥ كُن فَيَكُونُ
Tena marina fa ny Teninay amin’ny zavatra iray, raha tianay ny hisehoany, dia ny milaza manao hoe : “ Misia ”, dia misy izany.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَٱلَّذِينَ هَاجَرُواْ فِي ٱللَّهِ مِنۢ بَعۡدِ مَا ظُلِمُواْ لَنُبَوِّئَنَّهُمۡ فِي ٱلدُّنۡيَا حَسَنَةٗۖ وَلَأَجۡرُ ٱلۡأٓخِرَةِ أَكۡبَرُۚ لَوۡ كَانُواْ يَعۡلَمُونَ
Ary ireo izay nifindra-monina noho i Allah,rehefa avy niharan’ny tsy rariny, dia omenay ny toerana tsara izy ireo eto amin’ny fiainana an-tany. Ary ny valisoa any an-koatra no lehibe indrindra, raha fantatr’izy ireo izany.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
ٱلَّذِينَ صَبَرُواْ وَعَلَىٰ رَبِّهِمۡ يَتَوَكَّلُونَ
Dia ireo izay niaritra mandrakariva, ka nametraka ny fitokisany tamin’ny Tompon’izy ireo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
 
പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: ന്നഹ്ൽ
സൂറത്തുകളുടെ സൂചിക പേജ് നമ്പർ
 
വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക

റബ്‌വ ഇസ്‌ലാമിക് ദഅ്വാ ആൻഡ് ഗൈഡൻസ് സെൻററിൻ്റെയും കോൺടെന്റ് ഇൻ ലാംഗ്വേജസ് സർവീസ് അസോസിയേഷൻ്റെയും സഹകരണത്തോടെ മർകസ് റുവാദ് തർജമ വിഭാഗം വിവർത്തനം ചെയ്തത്.

അടക്കുക