Check out the new design

ಪವಿತ್ರ ಕುರ್‌ಆನ್ ಅರ್ಥಾನುವಾದ - ಮಲಗಾಸಿ ಅನುವಾದ - ರುವ್ವಾದ್ ಭಾಷಾಂತರ ಕೇಂದ್ರ * - ಅನುವಾದಗಳ ವಿಷಯಸೂಚಿ


ಅರ್ಥಗಳ ಅನುವಾದ ಅಧ್ಯಾಯ: ಅಶ್ಶುಅರಾಅ್   ಶ್ಲೋಕ:
قَالَ فَعَلۡتُهَآ إِذٗا وَأَنَا۠ مِنَ ٱلضَّآلِّينَ
Niteny izy hoe : “Nataoko tokoa izany, fony aho mbola anisan’ireo very lalana".
ಅರಬ್ಬಿ ವ್ಯಾಖ್ಯಾನಗಳು:
فَفَرَرۡتُ مِنكُمۡ لَمَّا خِفۡتُكُمۡ فَوَهَبَ لِي رَبِّي حُكۡمٗا وَجَعَلَنِي مِنَ ٱلۡمُرۡسَلِينَ
- Ka nandositra aho satria natahotra anareo, avy eo dia nomen’ny Tompoko fahendrena aho, ary nataony ho anisan’ireo Iraka.
ಅರಬ್ಬಿ ವ್ಯಾಖ್ಯಾನಗಳು:
وَتِلۡكَ نِعۡمَةٞ تَمُنُّهَا عَلَيَّ أَنۡ عَبَّدتَّ بَنِيٓ إِسۡرَٰٓءِيلَ
Ary izany ve no fahasoavana izay ahindrahindranao amiko, nefa ianao nanandevo ireo zanak’Israely ?
ಅರಬ್ಬಿ ವ್ಯಾಖ್ಯಾನಗಳು:
قَالَ فِرۡعَوۡنُ وَمَا رَبُّ ٱلۡعَٰلَمِينَ
Niteny i Faraona hoe : “Fa iza no Tompon’izao tontolo izao ?”
ಅರಬ್ಬಿ ವ್ಯಾಖ್ಯಾನಗಳು:
قَالَ رَبُّ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ وَمَا بَيۡنَهُمَآۖ إِن كُنتُم مُّوقِنِينَ
Niteny izy hoe : “Ilay Tompon’ireo lanitra sy ny tany ary izay eo anelanelan’izy ireo, raha toa ka manana fitokisana marina ianareo”.
ಅರಬ್ಬಿ ವ್ಯಾಖ್ಯಾನಗಳು:
قَالَ لِمَنۡ حَوۡلَهُۥٓ أَلَا تَسۡتَمِعُونَ
Niteny izy tamin’ireo manodidina azy hoe : “Moa ve tsy henonareo (izany) ?”
ಅರಬ್ಬಿ ವ್ಯಾಖ್ಯಾನಗಳು:
قَالَ رَبُّكُمۡ وَرَبُّ ءَابَآئِكُمُ ٱلۡأَوَّلِينَ
Niteny izy hoe : “Ilay Tomponareo sy Tompon’ireo razambenareo teo aloha”.
ಅರಬ್ಬಿ ವ್ಯಾಖ್ಯಾನಗಳು:
قَالَ إِنَّ رَسُولَكُمُ ٱلَّذِيٓ أُرۡسِلَ إِلَيۡكُمۡ لَمَجۡنُونٞ
Niteny izy (Faraona) hoe : “Marina fa ny iraka izay nalefa eo aminareo dia tena adala tokoa”.
ಅರಬ್ಬಿ ವ್ಯಾಖ್ಯಾನಗಳು:
قَالَ رَبُّ ٱلۡمَشۡرِقِ وَٱلۡمَغۡرِبِ وَمَا بَيۡنَهُمَآۖ إِن كُنتُمۡ تَعۡقِلُونَ
Niteny izy (Mosesy) hoe : “Ilay Tompon’ny atsinanana sy ny andrefana sy izay manelanelana azy ireo, raha mba misaina ianareo !”.
ಅರಬ್ಬಿ ವ್ಯಾಖ್ಯಾನಗಳು:
قَالَ لَئِنِ ٱتَّخَذۡتَ إِلَٰهًا غَيۡرِي لَأَجۡعَلَنَّكَ مِنَ ٱلۡمَسۡجُونِينَ
Niteny izy (Faraona) hoe : “Raha mandray zanahary hafa ankoatra ahy ianao, dia tena ataoko ho anisan’ireo voafonja”.
ಅರಬ್ಬಿ ವ್ಯಾಖ್ಯಾನಗಳು:
قَالَ أَوَلَوۡ جِئۡتُكَ بِشَيۡءٖ مُّبِينٖ
Dia niteny izy (Mosesy) hoe : “Ary na dia hitondrako zavatra ho porofo miharihary ve ianao ?”.
ಅರಬ್ಬಿ ವ್ಯಾಖ್ಯಾನಗಳು:
قَالَ فَأۡتِ بِهِۦٓ إِن كُنتَ مِنَ ٱلصَّٰدِقِينَ
Niteny izy (Faraona) hoe : “Ento àry izany raha toa ka anisan’ireo olona marina ianao”.
ಅರಬ್ಬಿ ವ್ಯಾಖ್ಯಾನಗಳು:
فَأَلۡقَىٰ عَصَاهُ فَإِذَا هِيَ ثُعۡبَانٞ مُّبِينٞ
Ka natorany ny tehiny, dia lasa bibilava lehibe miharihary izany.
ಅರಬ್ಬಿ ವ್ಯಾಖ್ಯಾನಗಳು:
وَنَزَعَ يَدَهُۥ فَإِذَا هِيَ بَيۡضَآءُ لِلنَّٰظِرِينَ
Ary navoakany ny tanany, dia lasa fotsy mamirapiratra teo amin’ireo mpijery izany.
ಅರಬ್ಬಿ ವ್ಯಾಖ್ಯಾನಗಳು:
قَالَ لِلۡمَلَإِ حَوۡلَهُۥٓ إِنَّ هَٰذَا لَسَٰحِرٌ عَلِيمٞ
Niteny izy (Faraona) tamin’ireo loholona nanodidina azy hoe : “Izany tokoa no mpanao majika mahay”.
ಅರಬ್ಬಿ ವ್ಯಾಖ್ಯಾನಗಳು:
يُرِيدُ أَن يُخۡرِجَكُم مِّنۡ أَرۡضِكُم بِسِحۡرِهِۦ فَمَاذَا تَأۡمُرُونَ
Mila hamoaka anareo hiala amin’ny tanànanareo amin’ny alalan’ny majikany izy, ka inona no hevitra homenareo ahy ?”
ಅರಬ್ಬಿ ವ್ಯಾಖ್ಯಾನಗಳು:
قَالُوٓاْ أَرۡجِهۡ وَأَخَاهُ وَٱبۡعَثۡ فِي ٱلۡمَدَآئِنِ حَٰشِرِينَ
Niteny izy ireo hoe : “Ampiandraso izy sy ny rahalahiny, ary andefaso iraka mankany amin’ireo tanàna mba hamory olona"
ಅರಬ್ಬಿ ವ್ಯಾಖ್ಯಾನಗಳು:
يَأۡتُوكَ بِكُلِّ سَحَّارٍ عَلِيمٖ
Ka ho tonga eo aminao izy ireo miaraka amin’ireo mpanao majika avo lenta tena mahay.
ಅರಬ್ಬಿ ವ್ಯಾಖ್ಯಾನಗಳು:
فَجُمِعَ ٱلسَّحَرَةُ لِمِيقَٰتِ يَوۡمٖ مَّعۡلُومٖ
Ka dia navory ireo mpanao majika, ho amin’ny fotoana, amin’ilay andro voatondro.
ಅರಬ್ಬಿ ವ್ಯಾಖ್ಯಾನಗಳು:
وَقِيلَ لِلنَّاسِ هَلۡ أَنتُم مُّجۡتَمِعُونَ
Ary notenenina ireo olona hoe : “Moa ve hivory ianareo ?”
ಅರಬ್ಬಿ ವ್ಯಾಖ್ಯಾನಗಳು:
 
ಅರ್ಥಗಳ ಅನುವಾದ ಅಧ್ಯಾಯ: ಅಶ್ಶುಅರಾಅ್
ಅಧ್ಯಾಯಗಳ ವಿಷಯಸೂಚಿ ಪುಟ ಸಂಖ್ಯೆ
 
ಪವಿತ್ರ ಕುರ್‌ಆನ್ ಅರ್ಥಾನುವಾದ - ಮಲಗಾಸಿ ಅನುವಾದ - ರುವ್ವಾದ್ ಭಾಷಾಂತರ ಕೇಂದ್ರ - ಅನುವಾದಗಳ ವಿಷಯಸೂಚಿ

ರಬ್ವಾಹ್ನಲ್ಲಿರುವ ದಾವಾ ಸಂಸ್ಥೆ ಮತ್ತು ಭಾಷೆಗಳಲ್ಲಿ ಇಸ್ಲಾಮಿಕ್ ವಿಷಯವನ್ನು ಸೇವಿಸುವ ಸಂಸ್ಥೆಯ ಸಹಕಾರದೊಂದಿಗೆ ರುವ್ವಾದ್ ಅನುವಾದ ಕೇಂದ್ರದ ತಂಡದಿಂದ ಅನುವಾದಿಸಲಾಗಿದೆ.

ಮುಚ್ಚಿ