Check out the new design

ಪವಿತ್ರ ಕುರ್‌ಆನ್ ಅರ್ಥಾನುವಾದ - ಮಲಗಾಸಿ ಅನುವಾದ - ರುವ್ವಾದ್ ಭಾಷಾಂತರ ಕೇಂದ್ರ * - ಅನುವಾದಗಳ ವಿಷಯಸೂಚಿ


ಅರ್ಥಗಳ ಅನುವಾದ ಅಧ್ಯಾಯ: ಅಲ್- ಹಿಜ್ರ್   ಶ್ಲೋಕ:
قَالَ يَٰٓإِبۡلِيسُ مَا لَكَ أَلَّا تَكُونَ مَعَ ٱلسَّٰجِدِينَ
Niteny Izy (Allah) ka nanao hoe : “ O ry Iblisy ! Nahoana Ianao no tsy mba anisan’ireo mpiankohoka ? ”
ಅರಬ್ಬಿ ವ್ಯಾಖ್ಯಾನಗಳು:
قَالَ لَمۡ أَكُن لِّأَسۡجُدَ لِبَشَرٍ خَلَقۡتَهُۥ مِن صَلۡصَٰلٖ مِّنۡ حَمَإٖ مَّسۡنُونٖ
Namaly Izy ka nanao hoe : “ Tsy afaka hiankohoka eo anoloan’ny Olombelona izay noharianao avy tamin’ny tany maina izay nalaina avy tamin’ny fotaka malemy Aho ”.
ಅರಬ್ಬಿ ವ್ಯಾಖ್ಯಾನಗಳು:
قَالَ فَٱخۡرُجۡ مِنۡهَا فَإِنَّكَ رَجِيمٞ
Niteny Izy (Allah) ka nanao hoe : “ Mialà ao (amin’ny Paradisa) Ianao ! Fa Ianao dia tena voahozona.
ಅರಬ್ಬಿ ವ್ಯಾಖ್ಯಾನಗಳು:
وَإِنَّ عَلَيۡكَ ٱللَّعۡنَةَ إِلَىٰ يَوۡمِ ٱلدِّينِ
Ary hihatra Aminao ny ozona, mandra-pahatongavan’ny Andron’ny famaliana (Fitsarana).
ಅರಬ್ಬಿ ವ್ಯಾಖ್ಯಾನಗಳು:
قَالَ رَبِّ فَأَنظِرۡنِيٓ إِلَىٰ يَوۡمِ يُبۡعَثُونَ
Namaly Izy ka nanao hoe : “ O ry Tompoko ! Omeo fe-potoana àry Aho mandra-pahatongavan’ny Andro izay hananganana azy ireo (ireo olombelona) amin’ny maty ”.
ಅರಬ್ಬಿ ವ್ಯಾಖ್ಯಾನಗಳು:
قَالَ فَإِنَّكَ مِنَ ٱلۡمُنظَرِينَ
Niteny Izy (Allah) ka nanao hoe : “ Ianao dia tena anisan’ireo mahazo fanekena amin’izany fe-potoana izany.
ಅರಬ್ಬಿ ವ್ಯಾಖ್ಯಾನಗಳು:
إِلَىٰ يَوۡمِ ٱلۡوَقۡتِ ٱلۡمَعۡلُومِ
Mandra-pahatongavan’ny fotoana efa fantatra (fantatr’i Allah) ”.
ಅರಬ್ಬಿ ವ್ಯಾಖ್ಯಾನಗಳು:
قَالَ رَبِّ بِمَآ أَغۡوَيۡتَنِي لَأُزَيِّنَنَّ لَهُمۡ فِي ٱلۡأَرۡضِ وَلَأُغۡوِيَنَّهُمۡ أَجۡمَعِينَ
Niteny Izy (Iblisy) hoe : “ O ry Tompoko, satria Ianao nampiditra Ahy tamin’ny fahadisoana, noho izany dia ho hatsaraiko amin’izy ireo ny fiainana eny ambonin’ny tany, ary ho disoiko làlana izy rehetra.
ಅರಬ್ಬಿ ವ್ಯಾಖ್ಯಾನಗಳು:
إِلَّا عِبَادَكَ مِنۡهُمُ ٱلۡمُخۡلَصِينَ
Afa-tsy ny mpanomponao voafidy amin’izy ireo ”.
ಅರಬ್ಬಿ ವ್ಯಾಖ್ಯಾನಗಳು:
قَالَ هَٰذَا صِرَٰطٌ عَلَيَّ مُسۡتَقِيمٌ
Niteny Izy (Allah) hoe : “ Ity ilay làla-mahitsy izay mankany Amiko ”:
ಅರಬ್ಬಿ ವ್ಯಾಖ್ಯಾನಗಳು:
إِنَّ عِبَادِي لَيۡسَ لَكَ عَلَيۡهِمۡ سُلۡطَٰنٌ إِلَّا مَنِ ٱتَّبَعَكَ مِنَ ٱلۡغَاوِينَ
Fa ireo mpanompoko dia tsy hanananao fahefana na dia kely aza, afa-tsy izay manaraka Anao amin’ireo làlan-diso.
ಅರಬ್ಬಿ ವ್ಯಾಖ್ಯಾನಗಳು:
وَإِنَّ جَهَنَّمَ لَمَوۡعِدُهُمۡ أَجۡمَعِينَ
Ary tena marina fa ny Afobe Djahannama no toeram-pihaonan’izy rehetra.
ಅರಬ್ಬಿ ವ್ಯಾಖ್ಯಾನಗಳು:
لَهَا سَبۡعَةُ أَبۡوَٰبٖ لِّكُلِّ بَابٖ مِّنۡهُمۡ جُزۡءٞ مَّقۡسُومٌ
Ahitana varavarana fito izany, ary ny varavarana tsirairay dia samy manana ny ampahany amin’izy ireo.
ಅರಬ್ಬಿ ವ್ಯಾಖ್ಯಾನಗಳು:
إِنَّ ٱلۡمُتَّقِينَ فِي جَنَّٰتٖ وَعُيُونٍ
Ho ao amin’ireo zaridaina sy loharano ireo vonto-pinoana,
ಅರಬ್ಬಿ ವ್ಯಾಖ್ಯಾನಗಳು:
ٱدۡخُلُوهَا بِسَلَٰمٍ ءَامِنِينَ
“ Midira ao Ianareo am-piadanana sy am-pilaminana ”.
ಅರಬ್ಬಿ ವ್ಯಾಖ್ಯಾನಗಳು:
وَنَزَعۡنَا مَا فِي صُدُورِهِم مِّنۡ غِلٍّ إِخۡوَٰنًا عَلَىٰ سُرُرٖ مُّتَقَٰبِلِينَ
Ary noesorinay tao an-tratran’izy ireo ny lolom-po ary samy ahatsapa izy ireo fa mpirahalahy, izay mifanatrika eo ambonin’ireo farafara.
ಅರಬ್ಬಿ ವ್ಯಾಖ್ಯಾನಗಳು:
لَا يَمَسُّهُمۡ فِيهَا نَصَبٞ وَمَا هُم مِّنۡهَا بِمُخۡرَجِينَ
Tsy misy havizanana ahazo azy ireo. Ary tsy havoaka ao izy ireo.
ಅರಬ್ಬಿ ವ್ಯಾಖ್ಯಾನಗಳು:
۞ نَبِّئۡ عِبَادِيٓ أَنِّيٓ أَنَا ٱلۡغَفُورُ ٱلرَّحِيمُ
Ampahafantaro ireo mpanompoko fa Izaho ilay Mpamela heloka, ilay be Fiantrana.
ಅರಬ್ಬಿ ವ್ಯಾಖ್ಯಾನಗಳು:
وَأَنَّ عَذَابِي هُوَ ٱلۡعَذَابُ ٱلۡأَلِيمُ
Ary marina fa ny saziko dia tena sazy mamirifiry.
ಅರಬ್ಬಿ ವ್ಯಾಖ್ಯಾನಗಳು:
وَنَبِّئۡهُمۡ عَن ضَيۡفِ إِبۡرَٰهِيمَ
Ary ampahafantaro azy ireo ny mahakasika ireo vahinin’i Ibrahim (ireo Anjely).
ಅರಬ್ಬಿ ವ್ಯಾಖ್ಯಾನಗಳು:
 
ಅರ್ಥಗಳ ಅನುವಾದ ಅಧ್ಯಾಯ: ಅಲ್- ಹಿಜ್ರ್
ಅಧ್ಯಾಯಗಳ ವಿಷಯಸೂಚಿ ಪುಟ ಸಂಖ್ಯೆ
 
ಪವಿತ್ರ ಕುರ್‌ಆನ್ ಅರ್ಥಾನುವಾದ - ಮಲಗಾಸಿ ಅನುವಾದ - ರುವ್ವಾದ್ ಭಾಷಾಂತರ ಕೇಂದ್ರ - ಅನುವಾದಗಳ ವಿಷಯಸೂಚಿ

ರಬ್ವಾಹ್ನಲ್ಲಿರುವ ದಾವಾ ಸಂಸ್ಥೆ ಮತ್ತು ಭಾಷೆಗಳಲ್ಲಿ ಇಸ್ಲಾಮಿಕ್ ವಿಷಯವನ್ನು ಸೇವಿಸುವ ಸಂಸ್ಥೆಯ ಸಹಕಾರದೊಂದಿಗೆ ರುವ್ವಾದ್ ಅನುವಾದ ಕೇಂದ್ರದ ತಂಡದಿಂದ ಅನುವಾದಿಸಲಾಗಿದೆ.

ಮುಚ್ಚಿ