Check out the new design

ការបកប្រែអត្ថន័យនៃគម្ពីរគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - ដោយមជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ * - មាតិកានៃការបកប្រែ


ការបកប្រែអត្ថន័យ ជំពូក​: អាត់តាវហ្ពះ   វាក្យខណ្ឌ:
ٱسۡتَغۡفِرۡ لَهُمۡ أَوۡ لَا تَسۡتَغۡفِرۡ لَهُمۡ إِن تَسۡتَغۡفِرۡ لَهُمۡ سَبۡعِينَ مَرَّةٗ فَلَن يَغۡفِرَ ٱللَّهُ لَهُمۡۚ ذَٰلِكَ بِأَنَّهُمۡ كَفَرُواْ بِٱللَّهِ وَرَسُولِهِۦۗ وَٱللَّهُ لَا يَهۡدِي ٱلۡقَوۡمَ ٱلۡفَٰسِقِينَ
Na mangataka famelan-keloka ho azy ireo Ianao, na tsy mangataka famelan-keloka ho azy ireo, ary na dia mangataka famelan-keloka im-pitopolo ho azy ireo aza Ianao dia tsy hamela azy ireo mihitsy i Allah. Izany dia noho izy ireo tsy nino an’i Allah sy ny irany, ary i Allah dia tsy mitari-dàlana ireo vahoaka mpanao ratsy.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
فَرِحَ ٱلۡمُخَلَّفُونَ بِمَقۡعَدِهِمۡ خِلَٰفَ رَسُولِ ٱللَّهِ وَكَرِهُوٓاْ أَن يُجَٰهِدُواْ بِأَمۡوَٰلِهِمۡ وَأَنفُسِهِمۡ فِي سَبِيلِ ٱللَّهِ وَقَالُواْ لَا تَنفِرُواْ فِي ٱلۡحَرِّۗ قُلۡ نَارُ جَهَنَّمَ أَشَدُّ حَرّٗاۚ لَّوۡ كَانُواْ يَفۡقَهُونَ
Ireo izay najanona taoriana dia nifaly fa afaka nijanona tany amin’izy ireo taorian’ny irak’i Allah, satria nankahala ny handeha hanao Djihad izy ireo miaraka amin’ny hareny sy ny vatany amin’ny làlan’i Allah, ka niteny izy ireo nanao hoe : " Aza mandeha miady amin’izao andro mafana be izao Ianareo ! ”. Teneno hoe : " Ny afon’ny Djahannam (Afobe) dia mafana bebe kokoa ”. Raha fantatr’izy ireo izany !
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
فَلۡيَضۡحَكُواْ قَلِيلٗا وَلۡيَبۡكُواْ كَثِيرٗا جَزَآءَۢ بِمَا كَانُواْ يَكۡسِبُونَ
Koa aoka izy ireo hihomehy kely, fa hitomany betsaka kosa ho valin’izay nataon’izy ireo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
فَإِن رَّجَعَكَ ٱللَّهُ إِلَىٰ طَآئِفَةٖ مِّنۡهُمۡ فَٱسۡتَـٔۡذَنُوكَ لِلۡخُرُوجِ فَقُل لَّن تَخۡرُجُواْ مَعِيَ أَبَدٗا وَلَن تُقَٰتِلُواْ مَعِيَ عَدُوًّاۖ إِنَّكُمۡ رَضِيتُم بِٱلۡقُعُودِ أَوَّلَ مَرَّةٖ فَٱقۡعُدُواْ مَعَ ٱلۡخَٰلِفِينَ
Raha averin’i Allah amin’ny andiana iray amin’izy ireo Ianao, ka mangataka alalana hivoaka miaraka Aminao hiatrika ny ady izy ireo, dia teneno hoe : " Tsy hivoaka velively miaraka Amiko Ianareo, ary tsy hiatrika ady miaraka Amiko intsony Ianareo satria Ianareo nankasitraka ny fijanonana tany Aminareo tany am-boalohany; noho izany dia mijanonà Ianareo miaraka amin’ireo mpijanona any aoriana.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَلَا تُصَلِّ عَلَىٰٓ أَحَدٖ مِّنۡهُم مَّاتَ أَبَدٗا وَلَا تَقُمۡ عَلَىٰ قَبۡرِهِۦٓۖ إِنَّهُمۡ كَفَرُواْ بِٱللَّهِ وَرَسُولِهِۦ وَمَاتُواْ وَهُمۡ فَٰسِقُونَ
Ary aza manao Soalat mihitsy Ianao amin’iray izay maty (1) amin’izy ireo, ary aza mitsangana ihany koa Ianao eo akaikin'ny fasany, satria tsy nino an’i Allah sy ny Irany izy ireo, ary maty sy mpanao ratsy izy ireo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَلَا تُعۡجِبۡكَ أَمۡوَٰلُهُمۡ وَأَوۡلَٰدُهُمۡۚ إِنَّمَا يُرِيدُ ٱللَّهُ أَن يُعَذِّبَهُم بِهَا فِي ٱلدُّنۡيَا وَتَزۡهَقَ أَنفُسُهُمۡ وَهُمۡ كَٰفِرُونَ
Ary aza atao mahatalanjona Anao akory ny fananan’izy ireo sy ny zanak’izy ireo ! fa i Allah dia tsy mitady afa-tsy ny hanasaziana azy ireo amin’ny fiainana ety an-tany avy amin’ny alalan’izany (harena sy zanaka) sy hanasarotra ny fialan’ny fanahin’izy ireo ao anaty tsy finoana.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَإِذَآ أُنزِلَتۡ سُورَةٌ أَنۡ ءَامِنُواْ بِٱللَّهِ وَجَٰهِدُواْ مَعَ رَسُولِهِ ٱسۡتَـٔۡذَنَكَ أُوْلُواْ ٱلطَّوۡلِ مِنۡهُمۡ وَقَالُواْ ذَرۡنَا نَكُن مَّعَ ٱلۡقَٰعِدِينَ
Ary rehefa nidina ny soraty (andian-tsoratra masina) nandidy ka nanao hoe : " Minoa an’i Allah sy manaova Djihadi miaraka amin’ilay irany ”. Mangataka alalana Aminao ireo izay manan-katao amin’izy ireo (mba tsy handray anjara amin’izany), ary miteny izy ireo hoe : Avelao izahay hijanona miaraka amin’ireo mpijanona.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
 
ការបកប្រែអត្ថន័យ ជំពូក​: អាត់តាវហ្ពះ
មាតិកានៃជំពូក លេខ​ទំព័រ
 
ការបកប្រែអត្ថន័យនៃគម្ពីរគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - ដោយមជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ - មាតិកានៃការបកប្រែ

បកប្រែដោយក្រុមមជ្ឈមណ្ឌលរ៉ូវ៉ាតនៃការបកប្រែ ដោយសហការជាមួយសមាគមអំពាវនាវនៅរ៉ាប់វ៉ា និងសមាគមបម្រើមាតិកាអ៊ីស្លាមជាភាសាផ្សេងៗ។

បិទ