Check out the new design

ការបកប្រែអត្ថន័យនៃគម្ពីរគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - ដោយមជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ * - មាតិកានៃការបកប្រែ


ការបកប្រែអត្ថន័យ ជំពូក​: អាល់អាន់ហ្វាល   វាក្យខណ្ឌ:
وَأَطِيعُواْ ٱللَّهَ وَرَسُولَهُۥ وَلَا تَنَٰزَعُواْ فَتَفۡشَلُواْ وَتَذۡهَبَ رِيحُكُمۡۖ وَٱصۡبِرُوٓاْۚ إِنَّ ٱللَّهَ مَعَ ٱلصَّٰبِرِينَ
Ary aoka ianareo hankato an’Allah sy ilay Irany; ary aza mifanditra ianareo fandrao tsy mahomby, ka ho lefy ny herinareo. Ary mahareta ianareo, satria Allah dia momba mandrakariva ireo manam-paharetana.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَلَا تَكُونُواْ كَٱلَّذِينَ خَرَجُواْ مِن دِيَٰرِهِم بَطَرٗا وَرِئَآءَ ٱلنَّاسِ وَيَصُدُّونَ عَن سَبِيلِ ٱللَّهِۚ وَٱللَّهُ بِمَا يَعۡمَلُونَ مُحِيطٞ
Ary aza manao tahak’ireo izay nivoaka amin’ny fonenany am-pireharehana sy am-pisehosehoana amin’olona, sady nisakana ny làlan’i Allah. Allah dia Mahafehy izay rehetra ataon’izy ireo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَإِذۡ زَيَّنَ لَهُمُ ٱلشَّيۡطَٰنُ أَعۡمَٰلَهُمۡ وَقَالَ لَا غَالِبَ لَكُمُ ٱلۡيَوۡمَ مِنَ ٱلنَّاسِ وَإِنِّي جَارٞ لَّكُمۡۖ فَلَمَّا تَرَآءَتِ ٱلۡفِئَتَانِ نَكَصَ عَلَىٰ عَقِبَيۡهِ وَقَالَ إِنِّي بَرِيٓءٞ مِّنكُمۡ إِنِّيٓ أَرَىٰ مَا لَا تَرَوۡنَ إِنِّيٓ أَخَافُ ٱللَّهَۚ وَٱللَّهُ شَدِيدُ ٱلۡعِقَابِ
Ary rehefa nohatsaran’i Satana teo anatrehan’izy ireo ny asan’izy ireo dia niteny izy nanao hoe : " Tsy misy na dia iray amin’ireo olombelona no afaka handresy Anareo anio, ary Izaho dia tena hanohana Anareo ”, nefa raha vao nifampitazana fotsiny ny andaniny sy ny ankilany tamin’ireo andian-tafika roa, indro izy (satana) nanodina ny vodi-tongony roa sady niteny hoe : “ Eny, hisaraka aminareo aho. Eny tena mahita izay tsy hitanareo aho; marina tokoa fa matahotra an’i Allah Aho, ary i Allah dia tena henjana amin’ny fanasaziana “.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
إِذۡ يَقُولُ ٱلۡمُنَٰفِقُونَ وَٱلَّذِينَ فِي قُلُوبِهِم مَّرَضٌ غَرَّ هَٰٓؤُلَآءِ دِينُهُمۡۗ وَمَن يَتَوَكَّلۡ عَلَى ٱللَّهِ فَإِنَّ ٱللَّهَ عَزِيزٌ حَكِيمٞ
Ary rehefa miteny ireo mpihatsaravelatsihy sy ireo manana aretina ao am-pony manao hoe : “ Ireny olona ireny dia ny finoany no namitaka azy”. Ary izay miantehitra amin’i Allah dia Allah no Mahery sy be Fahendrena.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَلَوۡ تَرَىٰٓ إِذۡ يَتَوَفَّى ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ ٱلۡمَلَٰٓئِكَةُ يَضۡرِبُونَ وُجُوهَهُمۡ وَأَدۡبَٰرَهُمۡ وَذُوقُواْ عَذَابَ ٱلۡحَرِيقِ
Raha mba hitanao manko, ny fomba ataon’ireo anjely rehefa maka ny fofon’ain’ireo izay tsy mpino ! Dia mikapoka any amin’ny tarehy sy ny lamosin’izy ireo sady miteny hoe : “ Handramano ny sazin’ny Afobe ”.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
ذَٰلِكَ بِمَا قَدَّمَتۡ أَيۡدِيكُمۡ وَأَنَّ ٱللَّهَ لَيۡسَ بِظَلَّٰمٖ لِّلۡعَبِيدِ
Izany dia vokatry ny nataon’ny tànanareo. Ary tena marina fa i Allah dia tsy mba manao ny tsy rariny amin’ireo mpanompo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
كَدَأۡبِ ءَالِ فِرۡعَوۡنَ وَٱلَّذِينَ مِن قَبۡلِهِمۡۚ كَفَرُواْ بِـَٔايَٰتِ ٱللَّهِ فَأَخَذَهُمُ ٱللَّهُ بِذُنُوبِهِمۡۚ إِنَّ ٱللَّهَ قَوِيّٞ شَدِيدُ ٱلۡعِقَابِ
Tahaka izany koa no nataon’ireo olon’i Faraona sy ireo izay talohan’izy ireo ka tsy nino ireo porofo famantaran’i Allah, dia nosazin’i Allah izy ireo nohon'ny fahotany. Allah dia tena mahery sy henjana fanasaziana.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
 
ការបកប្រែអត្ថន័យ ជំពូក​: អាល់អាន់ហ្វាល
មាតិកានៃជំពូក លេខ​ទំព័រ
 
ការបកប្រែអត្ថន័យនៃគម្ពីរគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - ដោយមជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ - មាតិកានៃការបកប្រែ

បកប្រែដោយក្រុមមជ្ឈមណ្ឌលរ៉ូវ៉ាតនៃការបកប្រែ ដោយសហការជាមួយសមាគមអំពាវនាវនៅរ៉ាប់វ៉ា និងសមាគមបម្រើមាតិកាអ៊ីស្លាមជាភាសាផ្សេងៗ។

បិទ