Check out the new design

ការបកប្រែអត្ថន័យនៃគម្ពីរគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - ដោយមជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ * - មាតិកានៃការបកប្រែ


ការបកប្រែអត្ថន័យ ជំពូក​: អាល់វ៉ាគីអះ   វាក្យខណ្ឌ:
ثُمَّ إِنَّكُمۡ أَيُّهَا ٱلضَّآلُّونَ ٱلۡمُكَذِّبُونَ
Ary ianareo diso lalana, izay niampanga izany ho lainga.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
لَأٓكِلُونَ مِن شَجَرٖ مِّن زَقُّومٖ
Dia tsy maintsy hihinana amin’ny hazon’ny zaqqoum (hazo mangidin’ny afobe) ianareo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
فَمَالِـُٔونَ مِنۡهَا ٱلۡبُطُونَ
Ka hameno kibo amin’izany.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
فَشَٰرِبُونَ عَلَيۡهِ مِنَ ٱلۡحَمِيمِ
Sady hisotro rano mangotraka(maimbo) ianareo ankoatr’izany.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
فَشَٰرِبُونَ شُرۡبَ ٱلۡهِيمِ
Hisotro amin’izany tahaka ny fisotroan’ny rameva mangetaheta ianareo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
هَٰذَا نُزُلُهُمۡ يَوۡمَ ٱلدِّينِ
Izany no anjara haroso azy ireo amin’ny andro famaliana.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
نَحۡنُ خَلَقۡنَٰكُمۡ فَلَوۡلَا تُصَدِّقُونَ
Izahay no Nahary anareo. Koa nahoana àry no tsy hino ianareo ?
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
أَفَرَءَيۡتُم مَّا تُمۡنُونَ
Hitanareo va ny tsirin'aina avoakanareo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
ءَأَنتُمۡ تَخۡلُقُونَهُۥٓ أَمۡ نَحۡنُ ٱلۡخَٰلِقُونَ
Ianareo va no nanamboatra azy, sa Izahay no Mpahary ?
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
نَحۡنُ قَدَّرۡنَا بَيۡنَكُمُ ٱلۡمَوۡتَ وَمَا نَحۡنُ بِمَسۡبُوقِينَ
Efa noferanay ny fahafatesana eo aminareo ka tsy ho voasakana mihitsy izahay.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
عَلَىٰٓ أَن نُّبَدِّلَ أَمۡثَٰلَكُمۡ وَنُنشِئَكُمۡ فِي مَا لَا تَعۡلَمُونَ
Hanolo anareo amin’izay mitovy aminareo ary hamelona anareo indray amin’izay tsy fantatrareo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَلَقَدۡ عَلِمۡتُمُ ٱلنَّشۡأَةَ ٱلۡأُولَىٰ فَلَوۡلَا تَذَكَّرُونَ
Nahafantatra ny famoronana voalohany ianareo. Ka moa tsy tsaroanareo va izany ?
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
أَفَرَءَيۡتُم مَّا تَحۡرُثُونَ
Mba hitanareo va ny asa-tany izay ataonareo ?
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
ءَأَنتُمۡ تَزۡرَعُونَهُۥٓ أَمۡ نَحۡنُ ٱلزَّٰرِعُونَ
Ianareo va no mamboly izany ? Sa Izahay no Mpamboly ?
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
لَوۡ نَشَآءُ لَجَعَلۡنَٰهُ حُطَٰمٗا فَظَلۡتُمۡ تَفَكَّهُونَ
Raha tianay dia ho potehinay izany. Ary dia tsy hitsahatra ny fahagaganareo:
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
إِنَّا لَمُغۡرَمُونَ
Indro izahay fa vesaran-trosa !
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
بَلۡ نَحۡنُ مَحۡرُومُونَ
Fa izahay dia nisakanana sy noraraina.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
أَفَرَءَيۡتُمُ ٱلۡمَآءَ ٱلَّذِي تَشۡرَبُونَ
Hitanareo va ny rano izay sotroinareo ?
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
ءَأَنتُمۡ أَنزَلۡتُمُوهُ مِنَ ٱلۡمُزۡنِ أَمۡ نَحۡنُ ٱلۡمُنزِلُونَ
Ianareo va no nampidina azy avy eny amin’ny rahona ? Sa Izahay no Mpampidina izany?
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
لَوۡ نَشَآءُ جَعَلۡنَٰهُ أُجَاجٗا فَلَوۡلَا تَشۡكُرُونَ
Raha tianay dia nataonay masira izany. Koa nahoana àry ianareo no tsy mahay mankasitraka ?
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
أَفَرَءَيۡتُمُ ٱلنَّارَ ٱلَّتِي تُورُونَ
Mba hitanareo va ny afo izay arehitrareo ?
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
ءَأَنتُمۡ أَنشَأۡتُمۡ شَجَرَتَهَآ أَمۡ نَحۡنُ ٱلۡمُنشِـُٔونَ
Ianareo va no nahary ny hazo sa Izahay no Mpahary ?
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
نَحۡنُ جَعَلۡنَٰهَا تَذۡكِرَةٗ وَمَتَٰعٗا لِّلۡمُقۡوِينَ
Nataonay ho fampahatsiarovana izany, sy ho fitaovana ilain’izay mila azy.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
فَسَبِّحۡ بِٱسۡمِ رَبِّكَ ٱلۡعَظِيمِ
Koa ankalazao àry ny Anaran’ny Tomponao, ilay Lehibe indrindra !
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
۞ فَلَآ أُقۡسِمُ بِمَوَٰقِعِ ٱلنُّجُومِ
Tsia ! Mianiana amin’ny alalan’ny toeran’ireo kintana eny amin’ny habakabaka Aho.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَإِنَّهُۥ لَقَسَمٞ لَّوۡ تَعۡلَمُونَ عَظِيمٌ
Fa tena fianianana lehibe izany, raha mba fantatrareo mantsy.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
 
ការបកប្រែអត្ថន័យ ជំពូក​: អាល់វ៉ាគីអះ
មាតិកានៃជំពូក លេខ​ទំព័រ
 
ការបកប្រែអត្ថន័យនៃគម្ពីរគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - ដោយមជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ - មាតិកានៃការបកប្រែ

បកប្រែដោយក្រុមមជ្ឈមណ្ឌលរ៉ូវ៉ាតនៃការបកប្រែ ដោយសហការជាមួយសមាគមអំពាវនាវនៅរ៉ាប់វ៉ា និងសមាគមបម្រើមាតិកាអ៊ីស្លាមជាភាសាផ្សេងៗ។

បិទ