Check out the new design

ការបកប្រែអត្ថន័យនៃគម្ពីរគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - ដោយមជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ * - មាតិកានៃការបកប្រែ


ការបកប្រែអត្ថន័យ ជំពូក​: កហ្វ   វាក្យខណ្ឌ:

Qaf

قٓۚ وَٱلۡقُرۡءَانِ ٱلۡمَجِيدِ
Qâf. Mianiana amin’ny Koroany ilay be voninahitra Aho.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
بَلۡ عَجِبُوٓاْ أَن جَآءَهُم مُّنذِرٞ مِّنۡهُمۡ فَقَالَ ٱلۡكَٰفِرُونَ هَٰذَا شَيۡءٌ عَجِيبٌ
Saingy talanjona izy ireo nahita ny iray tamin’izy ireo, tonga mpampitandrina teo aminy ka hoy ireo tsy mpino : ‘’ Zava-mahatalanjona izany ‘’.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
أَءِذَا مِتۡنَا وَكُنَّا تُرَابٗاۖ ذَٰلِكَ رَجۡعُۢ بَعِيدٞ
Rehefa maty sy lasa vovoka va izahay(dia hatsangana indray) ? Fiverenana tena lavitra izany ’’.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
قَدۡ عَلِمۡنَا مَا تَنقُصُ ٱلۡأَرۡضُ مِنۡهُمۡۖ وَعِندَنَا كِتَٰبٌ حَفِيظُۢ
Fantatray tokoa izay ho kikisan’ny tany amin’izy ireo ary manana boky mitahiry ny zava-drehetra izahay.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
بَلۡ كَذَّبُواْ بِٱلۡحَقِّ لَمَّا جَآءَهُمۡ فَهُمۡ فِيٓ أَمۡرٖ مَّرِيجٍ
Fa noampangan’izy ireo ho lainga ny marina izay tonga teo aminy, ka indro izy ireo fa ao anatin’ny raharaha manalasala.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
أَفَلَمۡ يَنظُرُوٓاْ إِلَى ٱلسَّمَآءِ فَوۡقَهُمۡ كَيۡفَ بَنَيۡنَٰهَا وَزَيَّنَّٰهَا وَمَا لَهَا مِن فُرُوجٖ
Tsy mba nojeren’izy ireo va ny lanitra eo amboniny, ahoana ny fomba nanorenanay sy nampihaingonay azy ary ahoana izy no tsy misy mitriatra ?
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَٱلۡأَرۡضَ مَدَدۡنَٰهَا وَأَلۡقَيۡنَا فِيهَا رَوَٰسِيَ وَأَنۢبَتۡنَا فِيهَا مِن كُلِّ زَوۡجِۭ بَهِيجٖ
Ary ny tany, novelarinay izy ka nalentikay mafy teo aminy ny tendrombohitra, ary nampanirianay zavatra mahafinaritra isan-karazany tsiroaroa,
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
تَبۡصِرَةٗ وَذِكۡرَىٰ لِكُلِّ عَبۡدٖ مُّنِيبٖ
Mba ho fahiratan-tsaina sy fampahatsiarovana ho an’ireo mpanompo mibebaka.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَنَزَّلۡنَا مِنَ ٱلسَّمَآءِ مَآءٗ مُّبَٰرَكٗا فَأَنۢبَتۡنَا بِهِۦ جَنَّٰتٖ وَحَبَّ ٱلۡحَصِيدِ
Ary nampidina rano feno fahasoavana avy eny amin’ny lanitra Izahay, ka nampanirianay zaridaina sy voa ho jinjana,
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَٱلنَّخۡلَ بَاسِقَٰتٖ لَّهَا طَلۡعٞ نَّضِيدٞ
Ary ireo hazo palma avo misy voany mifanongoa.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
رِّزۡقٗا لِّلۡعِبَادِۖ وَأَحۡيَيۡنَا بِهِۦ بَلۡدَةٗ مَّيۡتٗاۚ كَذَٰلِكَ ٱلۡخُرُوجُ
Ho sakafon’ireo mpanompo. Ary avy aminy (rano) no namelomanay indray ny tanàna efa maty.Toy izany ny fitsanganana amin’ny maty.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
كَذَّبَتۡ قَبۡلَهُمۡ قَوۡمُ نُوحٖ وَأَصۡحَٰبُ ٱلرَّسِّ وَثَمُودُ
Talohan’izy ireo nilaza (ny fahamarinana) ho lainga avokoa, ireo vahoakan’i Noa, ireo olon’i Ar-rassy ary ireo Thamod,
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَعَادٞ وَفِرۡعَوۡنُ وَإِخۡوَٰنُ لُوطٖ
Toy izany koa ireo Aad sy i Faraona ary ireo ralahan'i Lota,
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَأَصۡحَٰبُ ٱلۡأَيۡكَةِ وَقَوۡمُ تُبَّعٖۚ كُلّٞ كَذَّبَ ٱلرُّسُلَ فَحَقَّ وَعِيدِ
Ary ireo olon’i Al-Aykah sy ny vahoakan’i Tobba. Niampanga ireo iraka ho mpandainga avokoa izy rehetra, ka dia tanteraka tokoa ny fampitandremako.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
أَفَعَيِينَا بِٱلۡخَلۡقِ ٱلۡأَوَّلِۚ بَلۡ هُمۡ فِي لَبۡسٖ مِّنۡ خَلۡقٖ جَدِيدٖ
Moa reraky ny fahariana voalohany va izahay ? Kanefa feno fisalasalana izy ireo mikasika ny fahariana vaovao.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَلَقَدۡ خَلَقۡنَا ٱلۡإِنسَٰنَ وَنَعۡلَمُ مَا تُوَسۡوِسُ بِهِۦ نَفۡسُهُۥۖ وَنَحۡنُ أَقۡرَبُ إِلَيۡهِ مِنۡ حَبۡلِ ٱلۡوَرِيدِ
Nahary ny olombelona tokoa Izahay, ka fantatray izay bitsikin'ny fanahiny aminy, ary akaiky azy noho ny lalan-drà lehibe eo an-tendany izahay,
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
إِذۡ يَتَلَقَّى ٱلۡمُتَلَقِّيَانِ عَنِ ٱلۡيَمِينِ وَعَنِ ٱلشِّمَالِ قَعِيدٞ
Rehefa mandray izany ireo mpandray an-tsoratra mipetraka eo an-kavia sy an-kavanana.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
مَّا يَلۡفِظُ مِن قَوۡلٍ إِلَّا لَدَيۡهِ رَقِيبٌ عَتِيدٞ
Tsy mamoaka teny na iray izy, ka tsy hisy mpanara-maso azy eo akaikiny, vonona hanoratra izany.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَجَآءَتۡ سَكۡرَةُ ٱلۡمَوۡتِ بِٱلۡحَقِّۖ ذَٰلِكَ مَا كُنتَ مِنۡهُ تَحِيدُ
Mampiseho ny marina ny fangirifirian’ny fialan’aina : “ Izao àry ilay tadiavinao handosirana ”.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَنُفِخَ فِي ٱلصُّورِۚ ذَٰلِكَ يَوۡمُ ٱلۡوَعِيدِ
Ka ho tsofina ny anjomara, indro ilay andron’ny (fanatanterahana) fampitandremana.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَجَآءَتۡ كُلُّ نَفۡسٖ مَّعَهَا سَآئِقٞ وَشَهِيدٞ
Dia ho avy ny olona tsirairay, miaraka amin’ny mpitarika sy vavolombelona iray.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
لَّقَدۡ كُنتَ فِي غَفۡلَةٖ مِّنۡ هَٰذَا فَكَشَفۡنَا عَنكَ غِطَآءَكَ فَبَصَرُكَ ٱلۡيَوۡمَ حَدِيدٞ
Tsy niaraka tamin’ity ianao. Araka izany, dia esorinay ny sarona eo aminao; ka maranitra tsara ny fahitanao ankehitriny.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَقَالَ قَرِينُهُۥ هَٰذَا مَا لَدَيَّ عَتِيدٌ
Ary hiteny ilay mpiaraka aminy hoe : “ Ity no miaraka amiko, akaiky indrindra ”.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
أَلۡقِيَا فِي جَهَنَّمَ كُلَّ كَفَّارٍ عَنِيدٖ
“ Ianareo roa, atsipazo any amin’ny afobe ny tsy mpino rehetra mafy loha sy mpikomy.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
مَّنَّاعٖ لِّلۡخَيۡرِ مُعۡتَدٖ مُّرِيبٍ
Niezaka mafy hisakana ny tsara, mpandika lalàna, mpisalasala.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
ٱلَّذِي جَعَلَ مَعَ ٱللَّهِ إِلَٰهًا ءَاخَرَ فَأَلۡقِيَاهُ فِي ٱلۡعَذَابِ ٱلشَّدِيدِ
Ilay namorona andriamanitra hafa miaraka amin’i Allah. Koa atsipazo any amin’ny famaizana mafy izy ”.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
۞ قَالَ قَرِينُهُۥ رَبَّنَا مَآ أَطۡغَيۡتُهُۥ وَلَٰكِن كَانَ فِي ضَلَٰلِۭ بَعِيدٖ
Hiteny ny namany (devoly) hoe : “ Tomponay o ! Tsy izaho no nampandika lalàna azy, fa efa tao anatin’ny fahaverezana lalina izy ”.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
قَالَ لَا تَخۡتَصِمُواْ لَدَيَّ وَقَدۡ قَدَّمۡتُ إِلَيۡكُم بِٱلۡوَعِيدِ
Ary hiteny Izy hoe: “Aza mifamaly eto anatrehako ianareo ! Satria efa nanome fampitandremana anareo Aho."
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
مَا يُبَدَّلُ ٱلۡقَوۡلُ لَدَيَّ وَمَآ أَنَا۠ بِظَلَّٰمٖ لِّلۡعَبِيدِ
Tsy miova ny teny avy Amiko, ary tsy manao tsindry hazo lena amin’ireo mpanompo mihitsy Aho.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
يَوۡمَ نَقُولُ لِجَهَنَّمَ هَلِ ٱمۡتَلَأۡتِ وَتَقُولُ هَلۡ مِن مَّزِيدٖ
Amin’ny andro hilazanay amin’ny afobe hoe : “Feno va ianao ?”.Dia hamaly izy hoe : “ Mbola misy ihany va ?".
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَأُزۡلِفَتِ ٱلۡجَنَّةُ لِلۡمُتَّقِينَ غَيۡرَ بَعِيدٍ
Hampanatonina akaikin’ireo vonto-pinoana ny Paradisa.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
هَٰذَا مَا تُوعَدُونَ لِكُلِّ أَوَّابٍ حَفِيظٖ
“Indro ilay nampanantenana anareo, ho an’izay rehetra feno fanenenana sy mitandrina,"
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
مَّنۡ خَشِيَ ٱلرَّحۡمَٰنَ بِٱلۡغَيۡبِ وَجَآءَ بِقَلۡبٖ مُّنِيبٍ
Izay matahotra ilay be fiantrana, na dia tsy hitany aza, ary tonga amin’ny fo feno fanekena.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
ٱدۡخُلُوهَا بِسَلَٰمٖۖ ذَٰلِكَ يَوۡمُ ٱلۡخُلُودِ
"Midira ao am-piadanana ianareo ”. Izany no andro tsy manam-petra !
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
لَهُم مَّا يَشَآءُونَ فِيهَا وَلَدَيۡنَا مَزِيدٞ
Hisy izay rehetra ilan’izy ireo ao. Ary mbola misy mihoatra noho izany aza eo Aminay.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَكَمۡ أَهۡلَكۡنَا قَبۡلَهُم مِّن قَرۡنٍ هُمۡ أَشَدُّ مِنۡهُم بَطۡشٗا فَنَقَّبُواْ فِي ٱلۡبِلَٰدِ هَلۡ مِن مَّحِيصٍ
Firifiry no efa naringanay talohan’izy ireo, izay taranaka matanjaka kokoa noho izy. Nitety tany maro izy ireo, kanefa misy vato hialofana ?
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَذِكۡرَىٰ لِمَن كَانَ لَهُۥ قَلۡبٌ أَوۡ أَلۡقَى ٱلسَّمۡعَ وَهُوَ شَهِيدٞ
Misy fampahatsiarovana tokoa izany ho an’izay manana fo sy manongilan-tsofina, ary mijoro vavolombelona.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَلَقَدۡ خَلَقۡنَا ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضَ وَمَا بَيۡنَهُمَا فِي سِتَّةِ أَيَّامٖ وَمَا مَسَّنَا مِن لُّغُوبٖ
Nahary ny lanitra sy ny tany tokoa Izahay, sy izay eo anelanelan’izy ireo, tao anatin’ny enina andro, ary tsy nahatsiaro harerahana.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
فَٱصۡبِرۡ عَلَىٰ مَا يَقُولُونَ وَسَبِّحۡ بِحَمۡدِ رَبِّكَ قَبۡلَ طُلُوعِ ٱلشَّمۡسِ وَقَبۡلَ ٱلۡغُرُوبِ
Hiafio àry izay lazain’izy ireo, ary ankalazao ny fiderana ny Tomponao alohan’ny fiposahan’ny masoandro sy alohan’ny filentehany.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَمِنَ ٱلَّيۡلِ فَسَبِّحۡهُ وَأَدۡبَٰرَ ٱلسُّجُودِ
Ary ankalazao ny voninahiny, ampahany amin’ny alina sy aorian’ny fiankohofana.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَٱسۡتَمِعۡ يَوۡمَ يُنَادِ ٱلۡمُنَادِ مِن مَّكَانٖ قَرِيبٖ
Ary aoka hihaino ianao, amin’andro izay hiantsoan’ny mpiantso avy amin’ny toerana akaiky.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
يَوۡمَ يَسۡمَعُونَ ٱلصَّيۡحَةَ بِٱلۡحَقِّۚ ذَٰلِكَ يَوۡمُ ٱلۡخُرُوجِ
Ilay andro izay handrenesan’izy ireo amim-pahamarinana ny hiaka. Fa Andro fitsanganana amin’ny maty io.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
إِنَّا نَحۡنُ نُحۡيِۦ وَنُمِيتُ وَإِلَيۡنَا ٱلۡمَصِيرُ
Izahay no manome ny aina sy ny fahafatesana, ary any Aminay no fiafarana,
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
يَوۡمَ تَشَقَّقُ ٱلۡأَرۡضُ عَنۡهُمۡ سِرَاعٗاۚ ذَٰلِكَ حَشۡرٌ عَلَيۡنَا يَسِيرٞ
Amin’andro izay hampitresaka ny tany dia hivoaka haingana avy ao izy ireo. Fanangonana mora ho Anay tokoa izany.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
نَّحۡنُ أَعۡلَمُ بِمَا يَقُولُونَۖ وَمَآ أَنتَ عَلَيۡهِم بِجَبَّارٖۖ فَذَكِّرۡ بِٱلۡقُرۡءَانِ مَن يَخَافُ وَعِيدِ
Fantatray tsara tokoa izay lazain’izy ireo. Tsy ny hanery azy ireo no nanirahana anao. Fa antsoy amin’ny alalan’ny Koroany àry izay matahotra ny fampitandremako.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
 
ការបកប្រែអត្ថន័យ ជំពូក​: កហ្វ
មាតិកានៃជំពូក លេខ​ទំព័រ
 
ការបកប្រែអត្ថន័យនៃគម្ពីរគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - ដោយមជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ - មាតិកានៃការបកប្រែ

បកប្រែដោយក្រុមមជ្ឈមណ្ឌលរ៉ូវ៉ាតនៃការបកប្រែ ដោយសហការជាមួយសមាគមអំពាវនាវនៅរ៉ាប់វ៉ា និងសមាគមបម្រើមាតិកាអ៊ីស្លាមជាភាសាផ្សេងៗ។

បិទ