Check out the new design

ការបកប្រែអត្ថន័យនៃគម្ពីរគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - ដោយមជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ * - មាតិកានៃការបកប្រែ


ការបកប្រែអត្ថន័យ ជំពូក​: អាត់ទូខន   វាក្យខណ្ឌ:
إِنَّ يَوۡمَ ٱلۡفَصۡلِ مِيقَٰتُهُمۡ أَجۡمَعِينَ
Hamafisina, fa ny andro ny fitsarana farany no fotoana hihaonan’izy ireo rehetra.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
يَوۡمَ لَا يُغۡنِي مَوۡلًى عَن مَّوۡلٗى شَيۡـٔٗا وَلَا هُمۡ يُنصَرُونَ
Ny andro izay tsy hilan’ny olona ny namany intsony; ary tsy ho voavonjy mihitsy izy ireo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
إِلَّا مَن رَّحِمَ ٱللَّهُۚ إِنَّهُۥ هُوَ ٱلۡعَزِيزُ ٱلرَّحِيمُ
Afa-tsy, izay niantran’I Allah. Fa Izy no ilay Tsitoha, ilay be indrafo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
إِنَّ شَجَرَتَ ٱلزَّقُّومِ
Hamafisina, fa ny hazon’ny zaqqoum (hazo mangidin’ny afobe),
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
طَعَامُ ٱلۡأَثِيمِ
Dia ho sakafon’ny be fahotana.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
كَٱلۡمُهۡلِ يَغۡلِي فِي ٱلۡبُطُونِ
Toy ny vy voarendrika hangotraka ao an-kibo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
كَغَلۡيِ ٱلۡحَمِيمِ
Tahaka ny fangotrahan’ny rano mamay.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
خُذُوهُ فَٱعۡتِلُوهُ إِلَىٰ سَوَآءِ ٱلۡجَحِيمِ
Raisonareo izy, ka avarino any anaty afo mamaivay.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
ثُمَّ صُبُّواْ فَوۡقَ رَأۡسِهِۦ مِنۡ عَذَابِ ٱلۡحَمِيمِ
Avy eo, tondrahinareo rano mangotraka eo ambony lohany ho famaizana azy.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
ذُقۡ إِنَّكَ أَنتَ ٱلۡعَزِيزُ ٱلۡكَرِيمُ
Andramo! Fa ianao ilay nihevi-tena ho mahery, ilay manan-kaja.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
إِنَّ هَٰذَا مَا كُنتُم بِهِۦ تَمۡتَرُونَ
Izany mantsy ilay nampisalasala anareo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
إِنَّ ٱلۡمُتَّقِينَ فِي مَقَامٍ أَمِينٖ
Ho amin’ny fonenana azo antoka ireo vontom-pinoana,
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
فِي جَنَّٰتٖ وَعُيُونٖ
Ao amin’ireo zaridaina sy loharano,
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
يَلۡبَسُونَ مِن سُندُسٖ وَإِسۡتَبۡرَقٖ مُّتَقَٰبِلِينَ
Akanjo mangirana sy lamba lasoa no fitafin’izy ireo, ary hipetraka mifanatrika.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
كَذَٰلِكَ وَزَوَّجۡنَٰهُم بِحُورٍ عِينٖ
Toy izany! Ary tovovavy baribary maso no homenay ho vadin'izy ireo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
يَدۡعُونَ فِيهَا بِكُلِّ فَٰكِهَةٍ ءَامِنِينَ
Hangataka karazam-boankazo am-pilaminana tanteraka izy ireo ao.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
لَا يَذُوقُونَ فِيهَا ٱلۡمَوۡتَ إِلَّا ٱلۡمَوۡتَةَ ٱلۡأُولَىٰۖ وَوَقَىٰهُمۡ عَذَابَ ٱلۡجَحِيمِ
Tsy hanandrana fahafatesana izy ireo ao, afa-tsy ilay fahafatesana voalohany ihany. Ary harovana amin’ny famaizan’ny afo mavaivay izy ireo,
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
فَضۡلٗا مِّن رَّبِّكَۚ ذَٰلِكَ هُوَ ٱلۡفَوۡزُ ٱلۡعَظِيمُ
Fahasoavana avy amin’ny Tomponao izany. Ary izany no fahombiazana lehibe.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
فَإِنَّمَا يَسَّرۡنَٰهُ بِلِسَانِكَ لَعَلَّهُمۡ يَتَذَكَّرُونَ
Nataonay ho mora tamin’ny lelanao izany (Koroany), mba hahatsiaro izy ireo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
فَٱرۡتَقِبۡ إِنَّهُم مُّرۡتَقِبُونَ
Koa miandrasa àry ianao, fa miandry koa izy ireo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
 
ការបកប្រែអត្ថន័យ ជំពូក​: អាត់ទូខន
មាតិកានៃជំពូក លេខ​ទំព័រ
 
ការបកប្រែអត្ថន័យនៃគម្ពីរគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - ដោយមជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ - មាតិកានៃការបកប្រែ

បកប្រែដោយក្រុមមជ្ឈមណ្ឌលរ៉ូវ៉ាតនៃការបកប្រែ ដោយសហការជាមួយសមាគមអំពាវនាវនៅរ៉ាប់វ៉ា និងសមាគមបម្រើមាតិកាអ៊ីស្លាមជាភាសាផ្សេងៗ។

បិទ