Check out the new design

ការបកប្រែអត្ថន័យនៃគម្ពីរគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - ដោយមជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ * - មាតិកានៃការបកប្រែ


ការបកប្រែអត្ថន័យ ជំពូក​: អាស្ហ់ស្ហ៊ូរ៉   វាក្យខណ្ឌ:
وَمِنۡ ءَايَٰتِهِ ٱلۡجَوَارِ فِي ٱلۡبَحۡرِ كَٱلۡأَعۡلَٰمِ
Ary anisan’ireo famantarana avy Aminy, ireo sambo mamakivaky ny ranomasina mitovy amin’ireo tendrombohitra.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
إِن يَشَأۡ يُسۡكِنِ ٱلرِّيحَ فَيَظۡلَلۡنَ رَوَاكِدَ عَلَىٰ ظَهۡرِهِۦٓۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَٰتٖ لِّكُلِّ صَبَّارٖ شَكُورٍ
Raha tiany, dia ampitoniany ny rivotra, ka indro fa tsy mihetsika izy ireo eo amboniny. Misy famantarana tokoa amin’izany, ho an’izay manam-paharetana sy mahay mankasitraka.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
أَوۡ يُوبِقۡهُنَّ بِمَا كَسَبُواْ وَيَعۡفُ عَن كَثِيرٖ
Na koa, ho potehiny izany ho sazin’izay nataon’izy ireo. Nefa dia mamela heloka maro Izy.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَيَعۡلَمَ ٱلَّذِينَ يُجَٰدِلُونَ فِيٓ ءَايَٰتِنَا مَا لَهُم مِّن مَّحِيصٖ
Izay miady hevitra mikasika ireo famantarana avy Aminay, dia mahafantatra tsara fa tsy manana handosirana.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
فَمَآ أُوتِيتُم مِّن شَيۡءٖ فَمَتَٰعُ ٱلۡحَيَوٰةِ ٱلدُّنۡيَاۚ وَمَا عِندَ ٱللَّهِ خَيۡرٞ وَأَبۡقَىٰ لِلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَلَىٰ رَبِّهِمۡ يَتَوَكَّلُونَ
Fahafinaretan’ny fiainana an-tany ihany izay rehetra nomena anareo, saingy tsara sy maharitra kokoa izay any amin’I Allah, ho an’ireo izay nino sy niantehatra tanteraka tamin’ny Tompon'izy ireo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَٱلَّذِينَ يَجۡتَنِبُونَ كَبَٰٓئِرَ ٱلۡإِثۡمِ وَٱلۡفَوَٰحِشَ وَإِذَا مَا غَضِبُواْ هُمۡ يَغۡفِرُونَ
Ary ireo izay mihataka amin’ireo fahotana lehibe sy fahavetavetana, ary ireo mamela heloka taorian’ny fahatezerany.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَٱلَّذِينَ ٱسۡتَجَابُواْ لِرَبِّهِمۡ وَأَقَامُواْ ٱلصَّلَوٰةَ وَأَمۡرُهُمۡ شُورَىٰ بَيۡنَهُمۡ وَمِمَّا رَزَقۡنَٰهُمۡ يُنفِقُونَ
Ireo izay mamaly ny antson’ny Tompony, manatanteraka ny vavaka fanompoana, mifampidinika izy ireo ny zavatra hataon’izy ireo, ary manao fandaniana amin’izay natolotray ho azy ireo,
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَٱلَّذِينَ إِذَآ أَصَابَهُمُ ٱلۡبَغۡيُ هُمۡ يَنتَصِرُونَ
Ary ireo izay niharan’ny tsy rariny, ka nanohitra.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَجَزَٰٓؤُاْ سَيِّئَةٖ سَيِّئَةٞ مِّثۡلُهَاۖ فَمَنۡ عَفَا وَأَصۡلَحَ فَأَجۡرُهُۥ عَلَى ٱللَّهِۚ إِنَّهُۥ لَا يُحِبُّ ٱلظَّٰلِمِينَ
Ratsy mitovy amin’izany ihany no valin’ny asa ratsy. Fa izay mamela heloka ka manova toetra, dia any amin’I Allah ny valisoany. Fa tsy tia ireo mpanao ny tsy rariny Izy.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَلَمَنِ ٱنتَصَرَ بَعۡدَ ظُلۡمِهِۦ فَأُوْلَٰٓئِكَ مَا عَلَيۡهِم مِّن سَبِيلٍ
Fa ireo nanohitra kosa rehefa nambakaina. Tsy misy lalana azo anenjehana azy ireo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
إِنَّمَا ٱلسَّبِيلُ عَلَى ٱلَّذِينَ يَظۡلِمُونَ ٱلنَّاسَ وَيَبۡغُونَ فِي ٱلۡأَرۡضِ بِغَيۡرِ ٱلۡحَقِّۚ أُوْلَٰٓئِكَ لَهُمۡ عَذَابٌ أَلِيمٞ
Fa ny any azo enjehina dia ireo mpanao ny tsy rariny amin’ny olona, sy mihoam-pefy, manohitra ny fahamarinana eto an-tany; hahazo fanasaziana mamirifiry tokoa izy ireo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَلَمَن صَبَرَ وَغَفَرَ إِنَّ ذَٰلِكَ لَمِنۡ عَزۡمِ ٱلۡأُمُورِ
Fa izay manam-paharetana sy mamela heloka, dia izany no tsara indrindra amin’ny raharaha rehetra.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَمَن يُضۡلِلِ ٱللَّهُ فَمَا لَهُۥ مِن وَلِيّٖ مِّنۢ بَعۡدِهِۦۗ وَتَرَى ٱلظَّٰلِمِينَ لَمَّا رَأَوُاْ ٱلۡعَذَابَ يَقُولُونَ هَلۡ إِلَىٰ مَرَدّٖ مِّن سَبِيلٖ
Ary na iza na iza ataon’I Allah amin’ny fahaverezana dia tsy manana mpiahy intsony aoriany. Nefa dia hahita ireo olona mpanao ny tsy rariny ianao, hiteny eo am-pahitana ny fanasaziana hoe : “Misy fomba hiverenana va ?”
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
 
ការបកប្រែអត្ថន័យ ជំពូក​: អាស្ហ់ស្ហ៊ូរ៉
មាតិកានៃជំពូក លេខ​ទំព័រ
 
ការបកប្រែអត្ថន័យនៃគម្ពីរគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - ដោយមជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ - មាតិកានៃការបកប្រែ

បកប្រែដោយក្រុមមជ្ឈមណ្ឌលរ៉ូវ៉ាតនៃការបកប្រែ ដោយសហការជាមួយសមាគមអំពាវនាវនៅរ៉ាប់វ៉ា និងសមាគមបម្រើមាតិកាអ៊ីស្លាមជាភាសាផ្សេងៗ។

បិទ