Check out the new design

ការបកប្រែអត្ថន័យនៃគម្ពីរគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - ដោយមជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ * - មាតិកានៃការបកប្រែ


ការបកប្រែអត្ថន័យ ជំពូក​: ហ្គហ្វៀរ   វាក្យខណ្ឌ:
ٱلۡيَوۡمَ تُجۡزَىٰ كُلُّ نَفۡسِۭ بِمَا كَسَبَتۡۚ لَا ظُلۡمَ ٱلۡيَوۡمَۚ إِنَّ ٱللَّهَ سَرِيعُ ٱلۡحِسَابِ
Amin’izany andro izany, dia homena valin-kasasarana araka ny asa izay nataony ny olona tsirairay avy. Ka tsy hisy fiangarana amin’izany andro izany, satria haingam-pitsarana tokoa I Allah.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَأَنذِرۡهُمۡ يَوۡمَ ٱلۡأٓزِفَةِ إِذِ ٱلۡقُلُوبُ لَدَى ٱلۡحَنَاجِرِ كَٰظِمِينَۚ مَا لِلظَّٰلِمِينَ مِنۡ حَمِيمٖ وَلَا شَفِيعٖ يُطَاعُ
Ary ampitandremo azy ireo ilay andro efa manakaiky, rehefa mihoatra any an-tenda ny fo (ny fanahy), mitebiteby. Dia tsy hanana namana mafana fo, na mpanelanelana hankatoavina ireo mpanao ny tsy rariny.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
يَعۡلَمُ خَآئِنَةَ ٱلۡأَعۡيُنِ وَمَا تُخۡفِي ٱلصُّدُورُ
Mahafantatra ny fitaky ny maso Izy (Allah), sy izay afenin’ny tratra (fo).
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَٱللَّهُ يَقۡضِي بِٱلۡحَقِّۖ وَٱلَّذِينَ يَدۡعُونَ مِن دُونِهِۦ لَا يَقۡضُونَ بِشَيۡءٍۗ إِنَّ ٱللَّهَ هُوَ ٱلسَّمِيعُ ٱلۡبَصِيرُ
Ary mitsara amim-pahamarinana I Allah, nefa ireo izay antsoin’izy ireo ankoatra Azy kosa, dia tsy mitsara na inona na inona. Hamafisina, fa mandre sy mahita ny zava-drehetra I Allah.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
۞ أَوَلَمۡ يَسِيرُواْ فِي ٱلۡأَرۡضِ فَيَنظُرُواْ كَيۡفَ كَانَ عَٰقِبَةُ ٱلَّذِينَ كَانُواْ مِن قَبۡلِهِمۡۚ كَانُواْ هُمۡ أَشَدَّ مِنۡهُمۡ قُوَّةٗ وَءَاثَارٗا فِي ٱلۡأَرۡضِ فَأَخَذَهُمُ ٱللَّهُ بِذُنُوبِهِمۡ وَمَا كَانَ لَهُم مِّنَ ٱللَّهِ مِن وَاقٖ
Moa tsy mitety ny tany ve izy ireo, mba hahita izay nahazo ireo talohan’izy ireo ? Natanjaka noho izy ireo anefa izy ireny, sady namela zavatra maromaro kokoa. Nosazian’I Allah noho ny fahotany izy ireny, ka tsy nanana mpiaro teo anatrehany mihitsy.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
ذَٰلِكَ بِأَنَّهُمۡ كَانَت تَّأۡتِيهِمۡ رُسُلُهُم بِٱلۡبَيِّنَٰتِ فَكَفَرُواْ فَأَخَذَهُمُ ٱللَّهُۚ إِنَّهُۥ قَوِيّٞ شَدِيدُ ٱلۡعِقَابِ
Toy izany, satria nitondran’ireo Iraka porofo izy ireo, nefa nikomy. Ka nosazian’I Allah izy ireny, satria matanjaka sady mafy amin’ny fanasaziana Izy.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَلَقَدۡ أَرۡسَلۡنَا مُوسَىٰ بِـَٔايَٰتِنَا وَسُلۡطَٰنٖ مُّبِينٍ
Ary efa nalefanay i Mosesy (Mosa) niaraka tamin’ireo fahagagana sy fahefana miharihary avy taminay,
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
إِلَىٰ فِرۡعَوۡنَ وَهَٰمَٰنَ وَقَٰرُونَ فَقَالُواْ سَٰحِرٞ كَذَّابٞ
Tamin’i Faraona, Hamana ary Karona. Nefa niteny izy ireo hoe : “ mpanao majika, fatra mpandainga ! ”
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
فَلَمَّا جَآءَهُم بِٱلۡحَقِّ مِنۡ عِندِنَا قَالُواْ ٱقۡتُلُوٓاْ أَبۡنَآءَ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ مَعَهُۥ وَٱسۡتَحۡيُواْ نِسَآءَهُمۡۚ وَمَا كَيۡدُ ٱلۡكَٰفِرِينَ إِلَّا فِي ضَلَٰلٖ
Ary rehefa nitondra ny fahamarinana avy Aminay teo amin’izy ireo izy, dia hoy izy ireo hoe: “Vonoy ireo zanaka lahin’ireo mpino miaraka aminy, fa avelao ho velom-poana kosa ireo vehivaviny”. Fa very maina ihany ny tetik’adin’ireo tsy mpino.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
 
ការបកប្រែអត្ថន័យ ជំពូក​: ហ្គហ្វៀរ
មាតិកានៃជំពូក លេខ​ទំព័រ
 
ការបកប្រែអត្ថន័យនៃគម្ពីរគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - ដោយមជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ - មាតិកានៃការបកប្រែ

បកប្រែដោយក្រុមមជ្ឈមណ្ឌលរ៉ូវ៉ាតនៃការបកប្រែ ដោយសហការជាមួយសមាគមអំពាវនាវនៅរ៉ាប់វ៉ា និងសមាគមបម្រើមាតិកាអ៊ីស្លាមជាភាសាផ្សេងៗ។

បិទ